Zandary maty: voatifitra sy voakapa famaky ny lohany

Zandary iray maty voakapa famaky, ny asabotsy teo, tao Andapitaly atsimo andrefan’i Belo Tsiribihina. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina teo, saika hiditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’ireo zandary roa lahy ireo andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana. Nandritra izany, niditra an-tsehatra saika hanohitra ireo olon-dratsy ny iray tamin’ireo zandary. Ireo dahalo kosa nitifitra avy hatrany vantany vao nahatazana azy. Tsy namelan’ireo olon-dratsy izy raha tsy tapitra ny ainy. Voakapa famaky teo amin’ny lohany ity mpitandro filaminana ity ka namoy ny ainy avy hatrany. Ilay namany kosa tafatsoaka sy nampandre fokonolona. Tsy vitan’ny nandatsaka ain’olona ireo malaso fa mbola nandroba entana maro tamina tsena kely iray tsy lavitra teo. Lasan’ireo malaso koa ny basy sy balan’ny maty taorian’ny fanafihana. Ny folakandro anefa, hita ny basy sy ny tranom-bala roa, saingy efa nalain’ny olon-dratsy ny bala tamin’ny iray.

Ankoatra ity, lehilahy iray hafa koa maty voafira famaky, ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina teo tao Riandava, fokontany Fenolaza, kaominina Ambalavao avaratra, distrikan’i Farafangana. Nanafika tao amin’io tanàna io ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana. Nandritra izany, tafaporitsaka avokoa ny iray trano afa-tsy ity lehilahy ity. Vokany, nanamparan’ireo malaso habibiana izy ka maty teo no ho eo. Mandray an-tanana ny famotorana ny zandarimaria ao an-toerana.

 

Henintsoa H.

Partager sur: