Unesco – Arisivam-pirenena: « Tsy misy afaka hiroso, tsy manana fototra iaingana », hoy Ravelojaona Manda

9 jona, Andro iraisam-pirenena ho an’ny arisiva. Ankoatra ny fampitana hafatra avy any amin’ny Unesco foibe, anisan’ny nanamarika io vanim-potoana io i Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny velakevitra narahina fifanakalozana no nanatanterahina izany.

Ravelojaona Manda, Sekretera jeneralin’ny Vaomieram-pirenena malagasy momba ny Unesco (SG. Com/Nat.Unesco) Iray amin’ireo nanasongadina ny maha sarobidy ny arisiva nandritra ny velakevitra notontosaina, omaly, tao amin’ny foiben’ny Com/Nat. Unesco, etsy Behoririka. «Tsy misy olona afaka hiroso, tsy mahalala ny tantarany. Tsy misy afaka miroso tsy manana fototra iaingana», hoy izy. No­hamafisiny fa antony iray maha sarobidy ny fananana arisiva io. Nitodika manokana tamin’ny tanora miaina amin’ izao vanim-potoana izao izy. «Sady manome toromarika ho an-dry zareo (tanora) no manolotra fiaingana vaovao ny amin’ny ho tohin’ny tantara ny arisiva», hoy izy. Vokatry ny tsy fahafantarana ny tantara, anefa, very fangitra na teboka iaingana izy ireny, raha ny fanazavany.
Anisan’ny nomarihin’ny SG.Com/Nat. Unesco fa : «anisan’ny fanamby apetraky ny Unesco aty Afrika ny hahalalan’ny Afrikanina rehetra
ny tena tantaran’i Afrika». Somary latsa-danja io fahalalana ny tantara io aty Afrika ka izany no anisan’ny maha tratra aoriana an’i Afrika, raha ny fanazavan-dRavelojaona Manda hatrany. Nampaha­fantariny fa efa mikaondoha ireo manampahaizana aty Afrika mandinika ny tena toeran’i Afrika eo anivon’izao tontolo izao. «Aza hadinoina fa ny tena namorona an’i Etazonia dia ny Afrikanina», hoy izy.

« Firenena tsy manana tantara, firenena tsy mankaiza »

Anisan’ny nandray anjara tamin’ny lahadinika, omaly, ihany koa Andriamihamina Sahondra Sylvie, Talen’ny Arisivam-pirenena. «Firene­na tsy manana tantara, firenena tsy mankaiza», hoy izy raha namintina ny lohahevitra «Fikajiana ny arisiva : asa fototra hanorenana ny tantaran’ny firenena iray». Noha­mafisiny fa, «sarobidy ny tantaran’ny firenena. Izay no maha izy azy ny olona tsirairay».
Mba tsy ho very izany rehetra izany, mila kajiana fatratra ny arisiva. Arovana amin’izay mety hanimba azy, toy ny rano (hamandoana), ny afo ary ny halatra. Noma­rihiny fa taratasy ny arisiva, raha ny voarakitra ao amin’ny Arisivam-pirenena. Tarata­sim-pan­jakana rehetra nifanoratana hatramin’izay (Faha mpanjaka…).
Rajaonarivelo Hasiniaina, tomponandraikitry ny sehatr’asa serasera sy torohay eo anivon’ny Com/Nat. Unesco kosa no nanasongadina ny lanjan’ny fandaharanasan’ny Unesco «Mémoire du Mon­de». Fandaharan’asa lehibe handraiketana an-tsary ireo tantara nisy. Efa tafiditra ao anatin’izany ihany koa i Ma­dagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: