Tsena Analakely: hiverina hisokatra ireo “pavillon” nakatona

Afaka miverina amin’ny asany amin’izay ireo mpivarotra eny amin’ny “pavillon” Analakely. Nisaotra an’Andriamatoa Andriantsitohaina Naina, ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny solon-tenan’izy ireo.

Manomboka mahazo mivarotra amin’izay ireo toeram-pivarotana “Pavillon” fito nakatona ao Analakely. Tonga nanolotra ny fisaorana ho an’Andriamatoa Naina Andriantsitohaina, Ben’ ny tanànan’Antananarivo, tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, omaly talata, ny solon-tenan’ireo mpivarotra. Tsiahivina fa, antony nanakatonana ireo “pavillon”, ny tsy nandoavana ny trosa, tokony aloa amin’ ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA)
Araka izany, nangataka tamin’ny Ben’ny tanàna ireo mpivarotra, mba hanao fifanarahana amin’ny fomba handoavana ny ambin-trosa.
Tapaka nandritra ny resaka nifanaovan’ny roa tonta, fa tsy maintsy voaloa daholo ny trosa hatramin’ny volana jolay 2023. Ankoatra izay, misy ny solontenan’ny kaominina, haka ny vola amin’ireo mpivarotra eny amin’ireo “pavillon”. “Raha ara-dalàna daholo manomboka izao ny mpivarotra, tsy hisy intsony ny fanakatonana” hoy Razafimbelo Harinosy Zaka, “délegué au Maire” ao amin’ny Boriborintany voalohany.
Marihina fa, efa nanomboka ny asa fivarotana, ireo tsena fito nakatona ireo, nanomboka omaly talata. Manao antso avo amin’ ireo mpivarotra, ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina (CUA), mba hanefa ireo vola na hetra ara-dalàna, amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra,.

Fitia ( Mpianatra Asa)

Partager sur: