Tononkalo : hisy ny atri­kasa ho an’ny fanoratana

Hotontosaina anio, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny atrikasa “Torolalana ho an’ny fa­noratana tononkalo”. Hetsi­ka karakarain’ny fikambanana Fa­moloana Telozoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Sera­se­ra sy ny Kolontsaina. Andria­nimerina Hobiana, poeta sy mpanoratra, no hi­tondra ny famelabelarana. Tanjona ny fanarenana ny literatiora malagasy sy ny haikanto, indrindra ny teny malagasy.
Mitohy hatrany ny ezaky ny fikambanana Famoloana Telozoro sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny momba ny fanoratana to­nonkalo no hifampizarana amin’ity anio ity. Maro tokoa ny tanora no manana aingam-panahy ka manoratra tonokalo maro samihafa. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny tononkalo mivoaka indrindra no nanaovana izao atrikasa izao. Miso­katra ho an’ny rehetra ny atrikasa. Fampianarana sy fampahafantarana ho an’ny vao ma­nomboka sy vao misandratra ary fanatevenana fahaiza-manao ho an’ny efa ao anatin’ny sehatry ny fanoratana to­nonkalo.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: