Tenisy – Afrika 2023 : misongadina ny mpilalao malagasy

Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy hiakatra amin’ny dingan’ny lalao manasa-dalana.
Raha hiverenana ny lalao ampahavalon-dalan’izy ireo, ny teo amin’ny U14 lehilahy dia lavon’i Snyman, mpilalao afrikanina tatsimo ta­min’ny seta 2 no ho 1 (7/6, 2/6, 6/2) i Mahery Raoily. Raha toa ka nandresy an’i Thomas, mpilalao maorisianina tamin’ny seta 2 no ho 0 ( 6/2, 6/1) i Mirija Andriante­fihasina. Ary ny teo amin’ny U16 vehivavy indray, niondrika teo anatrehan’i Chip­fakhacha, mpilalao zimbabwe, tamin’ny seta 2 no ho 1 (1/6, 6/3, 6/2), i Iriela Rajao­belina. Fandresena kosa no azon’i Mirindra Razafinarivo, rehefa nampihintsana an’ilay mpilalao afrikanina tatsimo, Morgaan Jordan, tamin’ny seta 2 no ho 1 (4/6, 7/5, 6/3). Fahombiazana ihany koa no azon’i Mitia Voavy rehefa avy nampiondrika an’i Dlad­la, mpilalao afrikanina tatsimo, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/3).
Ankoatra izay, nanjakan’ny Malagasy ny lalao ho an’ olon-droa. Isan’izany ny fandresen’i Mirija sy Mahery an’ i Jessé sy i Matthew, mpilalao avy ao Afrika Atsimo, tamin’ ny seta 2 no ho 0 (6/2, 7/6), ho an’ny lehilahy. Ary nandavoan’i Iriela sy i Mitia an’i Makunike sy i Kaniore, avy any Zimbabwe, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/4, 7/5).
Marihina fa tsy afaka notohizana ny lalao sasany noho ny fisian’ny orana any an-toerana, ka voatery nahemotra.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: