«Telma Coupe 2023»: hanalavela amin’ny Fosa Junior ny CFFA

Hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Klioba miisa valo ao amin’ny « PFL » no hifanintsana amin’izany.

Tonga ity ny fotoana, hiatrehan’ny mpankafy baolina kitra indray ny am­pa­hefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara «Tel­ma Coupe 2023». Anisan’ ny fihaonana tena andrasan’ ny maro ny lalao hifanandri­nan’ny Fosa Junior FC, Boeny sy ny CFFA, Andoharanofotsy. Lalao izay hatao anio, eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass.

Mbola manala vela amin’ ny Fosa Junior FC ny ekipan’ ny CFFA amin’ity fihaonana ity. Tsiahivina fa lavon’ny ekipan’i Boeny tamin’ny isa 3 no ho 1 ny mpilalaon’Ando­ha­ranofotsy, nandritra ny lalao fihantsiana natao ny 2022, teny amin’ny Elgeco Plus Stadium ihany.

Efa nahazo ny amboaran’i Madagasikara avy ireto ekipa roa tonta ireto. Ny taona 2018, 2019 ny an’ny Fosa JR, raha toa ka ny 2021 no nandrombahan’ny CFFA izany.

Ankoatra izay, hihaona aty amin’ny «Telma Coupe» in­dray ny Ajesaia Bongolava sy ny Disciples FC Vakinan­karatra. Manalavela amin’ny Disciples FC ny Ajesaia, ny alahady ho avy izao, eny an-toerana ihany. Tsiahivina fa nomontsanin-dry Tendry sy Dahery, lohalaharan’ny Dis­ciples FC, 5 no ho 2 ny ekipan’i Bongolava, tamin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana «Grand Tournoi d’Antananari­vo 2024». Tsara marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, hotontosaina ny 24 janoary ho avy izao ny manasa-dalan’ny «Telma Coupe» ary ny 28 janoary ny famaranana.

Fitia Randria

Fandaharan-dalaon’ ny ampahefa-dalana

Kianja Elgeco Plus :
Sabotsy 20 janoary 2024 :
11 ora : AS Fanalamanga Toamasina vs ASA Diana
2 ora : Fosa JR Boeny vs CFFA Andoharanofotsy
Alahady 21 janoaray 2024 :
11 ora : Disciple FC Vakinankaratra vs Ajesaia Bongolava
2 ora : Elgeco Plus Analamanga vs Mama FC

Partager sur: