Tany hanototra!

 

Fomba fiteny mahazatra hatrizay ny hoe: tany hanototra ve ka hiadiavana. Tsy mitombina intsony izany ankehitriny. Rangory fototry ny afo amin’ny fifamonoana sy ny fifampisaraham-bazana amin’ny mpiara-monina ny ady tany. Firifiry ny mpiray tampo no mifanindrona antsy na mifandatsaka aina? Firifiry ny mpiray tanàna no mifandramatra sy mahavita mifampitory noho ny fibodoana tany.
Trangam-piarahamonina tsy azo tsinontsinoavina ny ady tany sy ny heloka bevava mifandraika aminy. Mila mijoro sy mihenjana amin’ny fampiharana ny lalàna ny manampahefana ho amin’izany. Indrindra mba ho fiarovana ny olona marefo sy ny tsy manan-tsafidy hiaro ny fananany. Tsy sanatrian’ny vava hisy ny mizana tsindrian’ila, na fanaovana tsinontsinona ny hafa, fa matetika fositra ny tsy fahafehezana na tsy fahafantarana tsotra izao ny lalàna mifehy ny fananantany.
Tsy ampy ny fahafantaran’ny olon-tsotra ny zony sy ny dingana tokony ho arahiny. Efa miezaka ny amin’ny fanaovana izany ny minisitera mpiahy. Fa ilaina ihany koa ny finiavana ho an’ny olom-pirenena mba ho tia jerijery sy liam-pianarana. Iaraha-mahalala fa tsy ahasehaka an’i Madagasikara iray manontolo ny mpiasan’ny fananantany amin’ny fanabeazana ny tsirairay.
Ny rehetra miara-misalahy sy vonona ny hiady amin’ny tsy rariny sy ny tsy fanarahan-dalàna no ahafoana ny ady tany. Masina ny tany… tsy azo zimbazimbaina. Mitaky ezaka sy fifandrombonana ny asa rehetra manodidina izany, tsy hisian’ny olona tsy manan-tsiny ho lasibatra sy very fananana.
Anisan’ny vahaolana efa entin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany rahateo ny famerenana sy fanomezana ny tany ho an’ny Malagasy. Efa azo tsapain-tanana ny vokatra amin’ny fizarana karatany an’alinkisa tao anatin’ny 64 andro nandraisan’ny mpitantana vaovao ny minisitera. Fotoana izao tokony hanehoan’ny Malagasy ny firaisankinany sy ny fiarahany miasa.

r.r

Partager sur: