« Tanora fanantenana »: Nahafa-po ny mpijery ny seho teatraly

Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Anda­va­mamba, ny fampisehoana teatra, notontosain’ny Tropy Antananarivo Teatra, nampitondraina ny lohateny hoe «Tanora Fanantenana». Fo­toana iray nanehoan’ity tropy ity ny maha izy azy. Maro ny mpisehatra eo amin’ny teatra eto Madagasikara sy m­pa­n­kafy izany no tonga nankafy izany. Tanjon’ny hetsika ny hametrahana indray ny teatra amin’ny toerany sy hamerenana ny fankafizan’ny olona iza­ny karazana haikanto izany.

Nifaly sy nianoka fampisehoana miavaka ireo mpijery ny teatra nataon’ny Tropy, teny amin’ny Aft. Tantaram-pitiavana voarara, teo amina tanora roa no nambaboan’izy ireo ny mpijery. Anisan’ny nampiavaka ity seho ity koa ny fahai­zan’ny mpilalao sy ny rindran-tsehatry ny seho. Hita ho matihanina tanteraka ny mpilalao na dia tanora sy zazavao eo amin’ny sehatry ny filalaovana teatra aza.

Lin M.

Partager sur: