Slalom – “Mada 2022” : nanao pao-droa Rakotojohary Tovonen Jr

Niavaka ny zava-bitan-dRakotojohary Juan (Tovonen Jr), teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja Slalom, ho an’ iny taona 2022 iny. Nanao pao-droa ny tovolahy satria sady norombahiny ny teo amin’ny filaharana ankapobeny no azony ihany koa ny teo amin’ny sokajy zandriny “espoir”, 14-17 taona. Raha hiverenana ny vokatra azony, teo amin’ny sokajy rehetra, nitondra ny Renault Clio izy.
Nahazo isa 201 izy, ta­min’ireo fifaninanana miisa fito natao. Nandraisany anjara avokoa izany. Raha tsiahivina, nahazo isa 25 izy, tamin’ny Slalom TMF, ary 50 tamin’ny AS 110 raha 25 tamin’ny MSA. 25 avy ihany koa nandritra ny fifaninanana nampanaovin’ny FSAM, FMMSAM, ASACM ary tsy nahazo afa-tsy 8 ho an’ny ACCT.
Faharoa manaraka azy Andriantiana Francesco, nijapy ny Citroen C2, manana isa 136. Hazakazaka enina amin’ny fito ihany no nandraisany anjara. Tsy natrehiny ny Sla­lom farany nokarakarain’ny ACCT. Fahatelo, Rabekoto Frederic (Fred), nitaingina ny fiara Citroen C2 hatrany, izay manana isa 116. Niatrika ireo fifaninanana miisa fito ny tovolahy saingy 0 ny isa azo­ny teo amin’ny Slalom voalohany nataon’ny TMF.
Teo amin’ny “Espoir” in­dray, 218 ny isa azony. Na­naraka azy i Francesco, isa 147 ary namarana ny lampi­hazo i Aro Nomena, isa 80.

Tompondaka

Partager sur: