Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Fanjakana matanjaka… miantehitra amin’ny vahoaka

Fanjakana matanjaka… miantehitra amin’ny vahoaka

Ny mpitondra no mitondra, ny vahoaka: avy amin’ny vahoaka ny fahefam-pitondrana, ampindraminy araka ny fe-potoana voafaritry ny lalàna. Araka izay nifanarahana tamin’ny fifidianana io: hanatanteraka ny fanamby sy ny fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra nahavoafidy azy ny mpitondra. Tokony hiantehitra amin’izay fahefana avy amin’ny vahoaka izay ny mpitondra. Na amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny io, na ny mbola ho […]

Taom-baovao hoe ?

Taom-baovao hoe ?

Taom-baovao malagasy omaly, araka ny fanisan’andro nataon’ny andaniny mankalaza izany. Tsy izy io fa ny volana jolay izao vao Taom-baovao malagasy, araka ny famaritan’ny ankilany azy. Mifanipaka ny hevitra eo amin’ny fanondroana ny daty fankalazana ny taom-baovao malagasy na samy Malagasy aza no mamaritra azy. Tsy mahagaga raha ampahan’olona no mamonjy ny fety aman-danonana karakaraina […]

… Ka inona no mbola mampahantra antsika ?

… Ka inona no mbola mampahantra antsika ?

« Mahantra eo ambonin’ny harembe ny Malagasy… ». Tato ho ato, malaza io fehezanteny io na koa hoe nampalaza ity Nosy ity hatrany ivelany any mihitsy. Tsy mety mihidy mantsy ny « robinet » ivoahan’ny andramena sy ny harem-pirenena isan-karazany, tsy voatanisa, mankany ivelany. « Ampiharo ny lalàna », hoy ny mpitondra amin’ny kabary, manoloana ity tranga manaratsy endrika azy ireo […]

Ny ety ambany tahaka ny any ambony…  

Ny ety ambany tahaka ny any ambony…  

Efa mahazatra ny mahita olona malotoloto mivalandotra amoron-dalana. Tsy fantatra na reraka, na noana, na mamo, na marary, na maty. Zara raha mijery ny mpandalo? Tahaka ny efa mahazatra ny tsy firaharahan’ny tomponandraikitra, isan-tsehatra na isan’ambaratonga, olona hoe tsy hita popoka na matimaty foana, raha tsy hoe teratany vahiny, na mahabe resaka amin’ny haino aman-jery. […]

Ho an’ny vehivavy ny ho avy…

Ho an’ny vehivavy ny ho avy…

8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy na ho an’ny zon’ny vehivavy. Nanambara voalohany ny 8 marsa ho andron’ny vehivavy ny olom-panjakana rosianina, Lénine. Ho fanomezam-boninahitra ny vehivavy noho ny hetsika voalohany tao Pétrograd, Rosia, ny 8 marsa 1917. Taty afara, vao nanaraka ny kaontinanta eoropeanina sy amerikanina. 60 taona aty aoriana, ny taona 1977, […]

Fanovana toe-tsaina hoe ?

Fanovana toe-tsaina hoe ?

 Nahazo lesona tamin’ny filoham-pirenena ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny amin’izay voalaza momba ireo raharaha nafampana teto amin’ny firenena, tato ho ato. Anisan’izany, sady nitana ny sain’ny maro, ny « Raharahan’Anjozorobe ». Fa teo koa anefa ny momba ny fampiharana ilay hetra Advance Cargo Declaration (ACD), izay nampifanolana ny mpandraharaha vaventy tamin’ny fitondrana. Ny […]

Olo-manga mahamangana vahoaka  

Olo-manga mahamangana vahoaka  

Enti-milaza fahatsarana amin’ny Malagasy ny loko manga: manga feo, olomanga, voromanga, fary manga… Zava-doza kosa ny hoe mangana: mivalomainty, vizana. Miasa irery ny mangana, miaritra irery. Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, mba irariana ho manga amin’izay ny lanitry ny ambanilanitra na ny valalatsimandadiharona. Efa mangan’ny fiaretana ny mafy sy mangidy fa tsy ny manganana hatramin’izay. Tsy fandriampahalemana […]

Mety ho lasa «bizina» be io

Mety ho lasa «bizina» be io

Mbola ambentin-dresaky ny rehetra ary mahasarika ny mpanara-baovao eto Madagasikara, eny fa na ireo Malagasy, mila ravinahitra any andafy aza, ny ambalavelona, miseholany ankehitriny. Tsy misy tsy voakasik’izany na lahy na vavy na tanora na antitra, na manankarena na mahantra na avy amin’ny antoko mpanohitra na mpanohana ny fitondrana. Sahiran-tsaina ny fianakaviana manana ireo mararin’izany. […]

Raikipohy tsotra tsy takatry ny be diplaoma

Raikipohy tsotra tsy takatry ny be diplaoma

Tontolo roa goavana indrindra sady anisan’ireo antoka ahafahana mampandroso firenena iray ny kolontsaina sy ny fanabeazana. Ho an’ny mpanjanatany, tsy misy zavatra hafa eo alohan’ireo. Ho an’ny tany zanahina na voazanaka kosa, ialohavana toekarena sy politika ny resaka kolontsaina sy fanabezana. Tsy takatry ny be diplaoma, hono, io raikipohy mifamadika io, ka izay no mahatonga […]

Vahoaka tsy matoky mpitandro filaminana sy fitsarana 

Vahoaka tsy matoky mpitandro filaminana sy fitsarana 

Tany sy fanjakana tan-dalàna. Fanambin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao io. Mby aiza? Hatramin’izao, mampahatsiahy izany hatrany ireo mpamatsy vola. Anisan’ny fepetra takiny ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Nefa anisan’ny tsy manaja izany voalohany ny mpampihatra lalàna. Vao nampahatsiahy ny afitsoky ny mpitandro filaminana eto Madagasikara ny Amnesty International, araka ny tatitra taona 2016/15, tamin’ny […]

Na manahy olona, na ahiahin’ny olona…

Na manahy olona, na ahiahin’ny olona…

Mifarana indray ny volana. Mby aiza? Na ny raharaham-pirenena, ny fiainam-bahoaka… Tsy hita be ihany. Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina amin-kavana. Na boka mihalo-poza izay mihetsika amin’izao, manosika azy hiverina. Tena mitondra fahamarinan-toerana politika ve ny fijoroan’ny Antenimierandoholona? Tsy hita fiafara ny fifanarahana andraikitra eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny filohan’ny Repoblika. Mbola amin’izany ihany ve […]

Tsy mahalala maty sy velona  

Tsy mahalala maty sy velona  

Tsy fahampian-tsakafo, kere, mosary… Malaza izany, na nangingina aza taorian’ny atrikasa tany atsimon’ny Nosy, herinandro lasa. Tsy any ihany… Lasa resaka any amin’ny faritra hafa ny fahasahiranan’ny vahoaka ifotony… mahafaobe. Ny any atsimo, miverimberina noho ny tsy fahampian’ny orana sy ny rano ho an’ny olona, biby fiompy, fambolena. Ny amin’ny faritra hafa, mitohy sy mandavantaona […]

Hazo poak’aty fotsiny

Hazo poak’aty fotsiny

Nafotaka tato ho ato ny fambolena zana-kazo. Ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny ala aza nanao hetsika niavaka mihitsy. Zana-kazo andramena no natsatony niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Toa fomba nentina nanakonana ihany ny fanisana ny bolabola etsy sy eroa izay ela vao vita na teo aza ny fanampian’ny Banky iraisam-pirenena, ara-bola, hanaovana ny asa. […]

Tsy lefy, tsy resy…

Tsy lefy, tsy resy…

Mbola ho ela angamba. Tsy tena mbola tafarina ary mbola miaina tanteraka anaty fahantrana ny firenena malagasy ankehitriny. Eny, fa na efa tafajoro nandritra ny roa taona aza ny Repoblika fahefatra. Inona marina lehiretsy no mampihisatra ny fampandrosoana eto amin’ity Madagasikara malalantsika ity a? Raha ny hita maso sy ny azo tsapain-tanana aloha, tsy mbola […]

Tsy misy takona izay tsy hiseho

Tsy misy takona izay tsy hiseho

Asakasaky ny mpanao ratsy e ! Hoy mantsy ny fitenenana manao hoe : « tsy misy miafina izay tsy hitranga, na takona izay tsy hiseho». Voasambotry ny mpitandro filaminana ihany, na nisitrika sy niafina, nandritra ny iray volana teo ho eo aza izay, ilay vehivavy nalaza ratsy, voarohirohy amin’ireny « Raharaha fakana an-keriny » zaza mianadahy, tany Toamasina, ireny.  Nahabe […]

Mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny

Mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny

Natao ny fihetsiketsehana rehetra tany atsimon’ny Nosy, nitadiavana vahaolana hanafoanana ny krizy. Nanao be midina ny mpikambana ao amin’ny governemanta nampiseho fa miara-misalahy amin’ny famahana ny krizy any an-toerana. Tsy tany kosa, ny filoham-pirenena na ny praiminisitra nanisy lanjany iny hetsika nolazaina fa fihaonambe iny. Nipoapoaka ny tatitra nilaza fa samy nandray izay tandrify azy […]

Mosary… moa sarin’ady?  

Mosary… moa sarin’ady?  

Tsy fahampian-tsakafo sa mosary na kere ny any atsimo? Tsy any loatra ny olana na adihevitra. Inona ny vahaolana? Na maika io, na maharitra. Mila jerena akaiky izay, tanterahina, tohizana. Tsy fisehoana hoe mijery sy manao zavatra izany, tsy vonjy tavanandro, tsy fialana bala. Fa tena fahatapahan-kevitra, fahasahiana, finiavana, fahavononana: asa haingana sy mivaingana. Moa […]

Mifaningo-paka ny tany, ny teny, ny tena…

Mifaningo-paka ny tany, ny teny, ny tena…

21 febroary rahampitso. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny na tenindrazana indray… Ny nahatonga izay Andro iraisam-pirenena izay? Ho fahatsiarovana ireo mpianatra maty notifirin’ny polisy tany Dacca, Renivohitr’i Bangladesh ankehitriny. Nitaky ny fampiasana ny tenindrazany, ny bengali, izay nambara ho tenim-pirenena faharoa tany Pakistan ireo mpianatra tany an-toerana. Fitiavan-tanindrazana ny ady ho an’ny tenindrazana, mila isiana […]

Miatrika fanadinana ny mpitondra

Miatrika fanadinana ny mpitondra

Hadiva ho tapitra ny telo volana faharoa ho an’ny fampianarana. Hanomboka amin’ny volana marsa ny fanadinana, hitsapana ny ezaka vitan’ny tsirairay. Tsy afa-miala amin’izany koa ny fanjakana fa hotsapain’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena aorian’ny volana marsa ho avy io. Nanomboka tamin’ny volana oktobra ny fanomezana ny lesona tsy maintsy ianarana. Raha ny kabary sy fahaiza–miresaka aloha, mahay […]

Andriamanitra miangatra ?

Andriamanitra miangatra ?

Miangatra Andriamanitra… Dibo-drano ny tany avaratra, avaratra andrefana ary eto afovoan-tany. Any amin’ny tapany atsimo kosa, maina ny tany, mihantona ny orana, tsy misy ny sakafo… mba toy ny ahoana aza ity Madagasikara ity raha jerena avy eny an-danitra? Sao milentika anaty rano ny tendrony avaratra ary miakatra manakaiky masoandro kosa ny tendrony atsimo? Ny […]

Madagasikara, ho an’ny Malagasy ?

Madagasikara, ho an’ny Malagasy ?

Izay mihitsy ! Mampihetsi-po sy mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana tokoa io hiran’i Naly Rakotofiringa io : … Madagasikara, ho an’ny malagasy… Azo sary an-tsaina ny firedaredan’ny faniriana tao amin’ny mpanoratra, tamin’ny fotoana nanoratany azy. Faniriana lalina ny hahatafita soa ny Malagasy : hiadana sy ho finaritra eo amin’ny tany efa nomen’Andriamanitra azy. Indrisy anefa… Zary lasa fanontaniana io firariana […]

Samy manana ny adiny…

Samy manana ny adiny…

« Ady ny fiainana », hoy ny lohatenin-kiran’i Voahangy izay. Izay tokoa amin’ny lafiny maro. Voambolana toa zary mahazatra ny sofina ity hoe « ady » ity. Ady fiadin’ny mpanao politika ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany aloha. Ampiasaina amin’izany ny anaran’ny vahoaka izay tsy mahafantatra akory izay tena fomba fiadin-dry zalahy. Miahiahy adim-poko, ohatra, ny Sakalava, raha naneho […]

Lamoka lamokany ny vahoaka

Lamoka lamokany ny vahoaka

Aleo hazava sao tsy mifankahazo ny resaka: leo sy tofoka ny hoe lamoka, ary izay tsy foy sy tsy tanteraka hatramin’ny farany ny lamokany: lamokan’atody, lamokan’olona, lamokam-paty izay mamo tsy mahatsiaro tena, lamokan-torimaso izay torimaso tsy vanona na fohy loatra… Inona no itanisana izany eto? Lasa adihevitra be ny amin’ny hoe “Manotrika atody lamokany” navoakan’ny […]

Ny vahoaka aloha vao vahiny… 

Ny vahoaka aloha vao vahiny… 

Hisy amin’izay ny hoe fahamarinan-toerana politika? Efa hitsangana avokoa izao ny andrimpanjakana rehetra, fa mandamin-javatra betsaka ny amin’izany ny fijoroan’ny Antenimierandoholona. Na izany aza, eo ihany ny ahiahy tsy ihavanana: tena hampiorina fitoniana ve izany? Mila fampihavanana ny raharaha. Lazain’ny mpitondra rahateo fa fototry ny fampandrosoana ny fihavanam-pirenena. Sanatria, mbola hifandroritana indray ny amin’izay hoe […]

Asa fampihorohoroana !

Asa fampihorohoroana !

Asa fampihorohoroana tsy tahaka ireny fahita any ivelany ireny, toy ny niseho tany Frantsa, na Etazonia, na ny fahita amin’ny televiziona any amin’ireo firenena arabo, ny miseho eto amintsika, fa asa fampihorohoroana hafa kely. Hafa kely satria ny jiolahy no mampihorohoro, kanefa mety misy koa ny mpaniraka hampihorohoro? Raha zohiana aloha ireny zavatra niseho tany Toamasina […]