Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Efa lasa ny zavatra taloha…  

Efa lasa ny zavatra taloha…  

Mafanafana ny fampielezan-kevitra amin’izao. Misy ny kivy sy mitsara ambony ihany: tsy hisy, hono, izay fiovana sy fanovana fa ny efa teo ihany no ho eo. Efa samy teo amin’ny fitondrana ireo kandidà roa mpifanandrina, samy manana ny asany sy ny fomba fiasany. Samy manana ny lesona amin’izay lesoka amin’izany? Nefa ny ela, manova zavatra; […]

Hotsarain’ny tantara…

Hotsarain’ny tantara…

Samy mivoy ny hiovan’ny tantara ny mpifaninana roa andaniny sy ankilany amin’ny fampielezan-kevitra ataony. Tsy maintsy hiova tokoa ny tantara nefa miankina amin’ny tsirairay izany fiovana sy fanovana izany fa tsy ventesina am-bava sy amin’ny lahateny etsy sy eroa. Samy hotsarain’ny tantara amin’ny ataony sy ny efa nataony avy ary efa azo hitarafana koa ny […]

Samy ho eto ihany…

Samy ho eto ihany…

Nitondra fiovanabe teo amin’ny fiatrehana ny fifidianana, indrindra ny fampielezan-kevitra, ny fisian’ny tambajotra sosialy amin’ny internet. Fitaovana iray manan-danja io, hampitàna ny hevitra sy handresena lahatra ny mpifidy. Ny indro kely na mety ho olana lehibe mihitsy aza, ny tsy fahaizan’ny mpampiasa azy mifehy tena amin’izay soratany sy ataony kisarisary, hany ka mampanahy be ihany. […]

Aoka ho tony…

Aoka ho tony…

Herinandro sisa ! Hotanterahina amin’ny herin’ny anio ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana faharoa. Ho alarobia tsy miverina io. Aoka anefa ho tony isika… Efa fantatra fa tsy hitovy avokoa ny safidin’ny tsirairay, eny hatramin’ny mpivady, namana, fianakaviana, mpiara-monina… Samy manana ny azy. Samy manana ny maharesy lahatra azy amin’ireo kandidà roa farany hiatrika ny famaranana. Aoka anefa […]

Mauvaise valse de responsabilité

Mauvaise valse de responsabilité

Tout le monde s’accuse et chacun se rejette la faute sans que personne n’ose endosser la responsabilité sur les maux dénoncés à cor et à cri sur les fenêtres. La notion d’irresponsabilité, vécue depuis plus de cinq décennies au pays, handicape fortement le développement de Madagascar depuis son affranchissement du joug colonial, rendant son indépendance […]

Mivaivay!

Mivaivay!

Mivaivay. Izay ny azo ilazana ny fandehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Eo aloha ny adihevitra (débat politique) nifanandrinan’ireo kandidà roa lahy hiatrika fifidianana fihodinana faharoa amin’ny faha-19 desambra ho avy izao. Niteraka adihevitra tsy toko tsy forohina izany tany anatin’ireo tambajotran-tserasera ireny. Samy nilaza izay fahitany azy ny mpiandany […]

Samy mitety lanitra !

Samy mitety lanitra !

Angidimby mifanaretsaka… Samy maika hilaza ny heviny eny amin’ny vahoaka. Hevitra nomanina tany an-trano fa misy ihany koa hevitra nipoitra teny an-danitra tao anaty angidimby. Resaka vokatry ny tafatafa natao teny ambony teny. Raha ny toerana nitsiriany, tena avo tokoa. Mety ho azo inoana ho resaka avo lenta! Atosaka avy hatrany ho an’ny Malagasy rehefa […]

Arakaraka ny tolotra sy tinady…

Arakaraka ny tolotra sy tinady…

Mafanafana ratsy ny fampielezan-kevitra. Miseholany ny teny tsy tsaroana afitsoky ny sasany, ny famohazana fota-mandry, ny fanaratsiana… Ady farany fandresen-dahatra izao. Iza no handresy? Arakaraka ny safidin’ny besinimaro na ny maro anisa io. Nefa miankina be dia be amin’izay atolotry ny kandidà tsirairay avy ny fironana sy ny fanapahan-kevitry ny mpifidy. Izay ilay hoe inty […]

Lasa resaka politika !

Lasa resaka politika !

Rehefa tsy nahazo vato araky ny nantenainy Ravalomanana teto amin’ny boriborintany enina nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, tapa-kevitra fa hanala ny fako miavosa etsy sy eroa. Nanampy ny Samva ny kaominina ka nanome kamiao maromaro. Na izany aza mipetraka ny fanontaniana hoe fa nankaiza sahady ireo fiarabe raitra sy arifomba enina amby folo nomena […]

Ady an-trano… angano angano  

Ady an-trano… angano angano  

Efa vonto sy donton’ny politika? Na potiky ny politika… Ady an-tsena na ady an-dalana, misy mitsara ambony ihany hoe ahina ho ady an-trano. Mba zavatra hafa ahay… Mahavariana, mahasaikatra, mampalahelo… Saika isaky ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena, misy hatrany ny miresaka sy mamelona ahiahy ny mety hisian’ny ady an-trano. Tsy misy lalan-kivoahana afa-tsy ady an-trano raha […]

Safidy… andraikitra   

Safidy… andraikitra   

Raikitra indray ny fampielezan-kevitra… Tsy miverin-dalana ny fiainam-pirenena. Malalaka kokoa ny olom-pirenena amin’izao: kandidà roa sisa isafidianana. Efa samy teo amin’ny fitondrana izy ireo. Mila dinihina sy hanapahan-kevitra amin’izao àry izay foto-kevitra ijoroany avy, ny vinam-piarahamonina hampivaingana izany, ny fandaharanasany hahatongavana amin’izany, ny fomba fiasa hanatanterahana azy… Andraikitra takina amin’ny kandidà sy ny mpomba azy […]

Kihon-dalan’ny tantara

Kihon-dalan’ny tantara

Hisoratra eo amin’ny tantara ity desambra ity. Miditra amin’ny andro fahefatra sahady amin’ny volana mamarana ny taona isika, anio. Manjombona sy avy matetika ny orana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa miditra herinandro vaovao koa anefa isika, fotoana hanombohan’ny propagandy. Andrasana amin’ny faran’ity volana ity ny voka-pifidianana, ialohavan’ny fitetezam-paritra ataon’ireo kandidà sy ny mpanohana azy […]

Lesoka fakana lesona…   

Lesoka fakana lesona…   

Tsy manao enji-dresy na mandatsa, sanatria. Mba tsy fahita teto hatramin’izay kosa ny hoe filohan’ny Repoblika am-perinasa, na nametra-pialana roa volana mialoha aza, ny farany teo: tsy tafakatra hiatrika ny fifidianana fihodinana faharoa, tsy mahazo ahay ny 10% amin’ny vaton’ny mpifidy farafaharatsiny. Nahoana? Misy ny milaza fa tsy afa-nanao hala-bata sy hosoka rehefa tsy eo […]

Fampitandremana… manome lanja fahadisoana  

Fampitandremana… manome lanja fahadisoana  

Raha tenenin-dava na atao dridran’Ingilo, hono, ny zavatra iray, tsy handaitra na tsy hisy hasiny intsony amin’ny farany. Zava-doza koa anefa raha odian-tsy hita na tsy tenenina fa miotrika any anaty na any amin’ny takona any. Mety hipoaka amin’ny tsy ampoizina na ho ela na ho haingana? Hatramin’izao, toy ny mbola fery vao amin’ny sasany […]

Aleo hilamina…

Aleo hilamina…

Aoka ho tony… Aleo hilamina. Zary heno amin’ny fanehoan-kevitra tato ho ato izany. Tena marina satria efa tokony hifantoka amin’ny tohin’ny raharaha indray isika manomboka eto. Nahavita ny anjarany sy ny adidiny amin’ny  dingana voalohany ny eny Alarobia sy ny tetsy Ambohidahy tamin’ny namoahana ny voka-pifidianana. Efa hita ny lesoka sy ny tsy nety. Tahaka […]

Aleo hisy maso an-katoka ihany!

Aleo hisy maso an-katoka ihany!

Izay izany no izy mahakasika iny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena iny. Angamba, tsy nisy loatra ny tsy nampoizina satria tsy nifanalavitra firy ny vokatra avy amin’ny Ceni sy ny tena ofisialy, avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Azo lazaina ho fiatoana kely ny fotoana niandrasana iny valim-pifidianana iny. Naka aina kely ny mpilalao: […]

Toko tapaka…

Toko tapaka…

Toko tapaka vilany mitongilana… Hivoaka anio ny voka-pifidianana ofisialy hambaran’ny etsy Ambohidahy. Mandeha ny tombana fa tsy hifanalavitra amin’ny efa nambaran’ny eny Alarobia ny vokatra izao maraina izao. Mety hiseho ny fanafoanana voka-pifidianana tatsy na taroa noho ny tsy fahatomombanana… Efa faheno sy fahita izany nefa tsy hampiova be firy ny elanelana eo amin’ireo mpifanandrina […]

Ady tsy vita tokoa ve ?

Ady tsy vita tokoa ve ?

Hifantoka eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana indray ny maso sy ny sain’ny rehetra, rahampitso. Ho fantatra ny marina momba ilay fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany, natao ny 7 novambra lasa teo. Raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Ceni aloha, mirona mankany amin’ny fihodinana faharoa hifandonan’ny kandida Rajoelina Andry sy Ravalomanana Marc ny raharaha. Iry voalohany […]

Alarobia tsy miverina !

Alarobia tsy miverina !

Andro vitsivitsy sisa isaina, ho fantatra amim-pomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana ho filoham-pirenena nataon’ny Malagasy ny 7 novambra teo. Amin’ny alarobia izao… Alarobia tsy miverina, raha ny fomba filazan’ny Malagasy azy fahiny. Raha ny voka-pifidianana tsy ofisialy navoakan’ny Ceni anefa, toa hiverina handatsa-bato haneho ny safidiny indray ny Malagasy, saingy mpifaninana roa sisa hifanala […]

Manjaka ny kajikajy sy paipaika politika…   

Manjaka ny kajikajy sy paipaika politika…   

Amin’izao fiandrasana ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao: manjaka tanteraka ny kajikajy sy paipaika politika. Efa hatramin’izay? Mibahan-toerana hatrany ny fiadiana sy fiarovana tombontsoa manokana, fa tsy fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Efa niseholany tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany ny fivadihana palitao noho ny kajikajy sy paipaika politika. Sakaizan’ny (ho) mpandresy? Tsy ho […]

Mila atrehina amin’izay ny ho avy…  

Mila atrehina amin’izay ny ho avy…  

Hisy ihany ve ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa? Amin’ny herinandro ny valin’izay. Na ahoana na ahoana, mazava izao fa vokatry ny kisendrasendra ratsy noho ny fivoaran-javatra fotsiny izay niainan’ny Malagasy tao anatin’ny dimy taona farany. Tsy namaha na nandamina ny “Raharaha 2009” tsinona… Tsy vitan’izay, vao mainka nampidi-kizo ny firenena sy ny vahoaka no […]

Miandry fa tsy mandrimandry be ihany…

Miandry fa tsy mandrimandry be ihany…

Miandry ny vokatry ny fifidianana filohan’ny Repoblika, natao ny 7 novambra, havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), amin’ny 28 novambra izao ny rehetra. Hanao ahoana? Na miandry aza, tsy mandrimandry be ihany… Mandeha ny adihevitra, ny tombantombana… Mbola azo itokisana amin’izay lazainy sy ataony ve, ohatra, ny HCC? Saika tsy fitsarana hatrany no navoakany […]

Fifampiahiahiana… tsy mahafa-bela

Fifampiahiahiana… tsy mahafa-bela

Mahazo tsiny sy tsikera mafy ny Ceni amin’izao. Tsy inona fa noho ny voka-pifidianana mahabe adihevitra, mampiahiahy, mampifanditra… Nahoana no tsy misy na tsy ampy ny fifampitokisana? Anisan’ny hoe antony fototra nananganana rafitra mahaleo tena hikarakara sy hikirakira fifidianana ny hoe mangala-bato sy manao hosoka amin’ny fifidianana ny fanjakana nisahana izany hatramin’izay. Nefa, amin’izao fijoroana […]

Ary isika mba ahoana ?

Ary isika mba ahoana ?

Maimbo, masiso, mantsina… Izany no rivotra iainana eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fitobahan’ny fako amin’ny faritra maro, mihanaka mila hanapaka ny lalana no mahatonga izany. Tsikaritry ny rehetra fa tao anatin’ny herinandro maromaro izao no efa tsy misy mpaka, tsy misy mpanala ireny fako ireny. Ny tena raharaha dia ity : efa manomboka […]

Fam(p)itahana… voka-pifidianana      

Fam(p)itahana… voka-pifidianana      

Hatramin’izao, ifandroritana be ihany ny voka-pifidianana. Aiza marina ny mety ho lalan-kivoahana azo antoka sy maharitra ary mampiombona? Ny amin’izao aloha, tsy hita be ihany izay ho vokatry ny hoe fampitahana ny voka-pifidianana amin’izay eny an-tanan’ny kandidà sy ny avy amin’ny sampana mpanisa vato (CRMV). Arakaraka ny fitarainana ataon’ny kandidà no anaovana ny fampitahana, nefa… […]