Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Fitondrana… tsy misy fototra

Fitondrana… tsy misy fototra

…Fa tsy hoe tsy misy fotony. Ndrao tafintohina ny mpitsambikimbiki-mikimpy am-pamindrana, na manao an-kinarinarin-dava. Efa hatrany am-piandohan’izao Repoblika IV izao ny kitsapatsapa, kijabajaba… Lazaina ho demokratika ny fifidianana, nefa nisy kandidà tsy navela hirotsa-kofidina, ohatra. Mbola adihevitry ny mpandinika sasany ny amin’ny voka-pifidianana marina, ny kandidà mpisolo toerana voafidy, ny tsy fiomanana hitondra firenena… Nampiharihary […]

Mandry ve ny ao an-tanàna?

Mandry ve ny ao an-tanàna?

Mahay tokoa ity fitondrana ity raha hamono afo. Raha saika hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra eto an-drenivohitra, nidina tampoka ny vidin-tsolika. Nampiaka-peo ny mpanjifa ho an’izay mpitatitra nikiry hampandoa 500 Ar. Ny mahagaga, raha nahatratra 150 dolara ny iray fatra (baril) tamin’ny solika, lasa nanodidina ny 30 dolara izany taty aoriana, tsy nisy fiantraikany tamin’ny tsena […]

Misy raha la terre…

Misy raha la terre…

Niniana natao, ho fanomezam-boninahitra ny mpanatontosa ny lohatenin’ny « Indraim-bava » anio. « Misy raha la terre », fandaharana manokana, naka endrika fanadihadiana nahafantaran’ny maro an’Ikotoniaina, izay nodimandry omaly. Nahafantaran’ny Malagasy tantara maro momba an’i Madagasikara, firenena nipoirany ihany koa izany. « Tena misy raha tokoa la terre », hoy ny fisenton’izay avy nanaraka ny fanadihadiana nataon’Ikotoniaina. Firy tokoa moa ny […]

Miaro ny olona sy ny fananany hoe ?

Miaro ny olona sy ny fananany hoe ?

«Miaro ny ain’ny olona sy ny fananany, na an-tsaha na an-tanàna». Izay no re ombieny ombieny fa hoe asa sy andraikitry ny mpitandro filaminana. Marina izany, saingy amin’ny ampahany ihany.  Indraindray aza, azo lazaina ho tsy mitombina mihitsy, raha ny zava-misy hita sy re eo anivon’ny fiarahamonina.  Toa mifanohitra amin’izany ny zava-mitranga ka mampametra-panontaniana ny […]

Fanenjehana mpanohitra… fiampangana tena

Fanenjehana mpanohitra… fiampangana tena

Tsy ny fifanenjehana, hono, no hampandrosoana ny firenena. Kabary mievotrevotry ny sasany io. Ny vy, tsy mikitrana irery. Iza no manenjika an’iza amin’ity hoe fifanenjehana? Samy manenjika na ny mpitondra na ny mpanohitra. Lany andro manenjika mpanohitra ny mpitondra? Na ny asa no hoe andresen-dahatra izay manenjika, manohitra… Tsy maharesy lahatra izay asa vita, ihazakazahana […]

Mamono lolo, mamono afo, mamono…

Mamono lolo, mamono afo, mamono…

Mampitahotra mialoha mba tsy hahavaky betroka ny ratsy (h)atao ny mamono lolo na manao vono lolo. Amin’izao, fisehoana ho zavatra na fanitsahana aloka… Tsy izany no vita sy hita amin’izao? Teo ny fampanantenana an’itsy sy iroa. Eo ny vahoaka ifotony mitsara amin’izay fiovam-piainana noho ny vono lolo: ahoana, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, […]

Amisavisana ny ratsy, hiavian’ny ratsy tokoa…

Amisavisana ny ratsy, hiavian’ny ratsy tokoa…

Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Mbola marina izany amin’izao toe-draharaha izao? Ny amisavisana ratsy, hiavian’ny ratsy tokoa. Tsy fanirian-dratsy, fa lojikan-javatra. Mivaly ny atao? Na ny fihetsika sy ny fomba fiasa noho ny fampandriana adrisa, fanaovana bemarenina, fanamarinan-tena… Tsy nampiraika ny rovitra fony mbola omby tondro, omby loha vao hikoropahana? Noho ny fahatokisan-tena na […]

Ndao haka lesona

Ndao haka lesona

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fandaharanasan’ny fanjakana tohanan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana Pnud, hanatsarana ny fanabeazana, « Ndao hianatra ». Fototry ny maha olom-banona hahatonga firenena vanona tokoa ny fanabeazana, avy amin’ny lesona ampianarina. Raha raisina ireo, inona tokoa no tsy hakana lesona avy amin’ny teo aloha ? Samy manana ny paikady hitantanany firenena ny mpitondra samihafa mifandimby, tonga […]

I Dada ihany no Neny ?

I Dada ihany no Neny ?

“Père et maire”, araka ilay lohatenin’ny andian-tsarimihetsika frantsay iray. Tsy miteny akory hoe sarimihetsika no misy, fa na izany aza, maro kosa ireo liana sy nitolagaga raha nanaraka ny vaovao mahakasika ny vadin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, tato ho ato. Hain’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc tokoa ny manamarika ny zavatra hataony. Tsy hiadian-kevitra iny fa na […]

Ho ngazana ny tanindrazana !

Ho ngazana ny tanindrazana !

Tena izy fa tsy sangisangim-pitenenana intsony ! Ny ala atsinanana, madiva ho ringana. Ny faritra atsimon’ny Nosy, anan’ny tsy fisian-drano. Loadoaky ny fitrandrahana ireo harena anaty tany samy hafa. Manomboka ihany koa ny eto an-kibon’Imerina. Zary ifandrotehan’ny tompony amin’ny vahiny ilay vohitra manan-tantaran’i Soamahamanina. Lafiny toekarena sy fihariana ireo, fa ngazana tahaka izany koa ny tontolon’ny […]

Fositra… tsy vitan’ny tari-dositra

Fositra… tsy vitan’ny tari-dositra

Inona no tena fositra amin’izao raharaham-pirenena izao? Efa samy nanaitra tamin’ny fampiakaram-peo ny firaisamonina sivily, ny mpanao politika, ny fiangonana… Manjaka ny tsy fanarahan-dalàna afitsoky ny mpitondra, gaboraraka ny harem-pirenena sy ny fivarotan-tanindrazana, mihanaka ny kolikoly, mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana sy ny fitsaram-bahoaka… Amin’izany, tsy mila porofo fa mihamahantra ny vahoaka. Inona no (h)atao […]

Izay madio no afa-kanadio…

Izay madio no afa-kanadio…

Fanasana atidoha izao, fanamarinan-tena, fampielezan-kevitra politika… Ny vava toy ny vorodamba: mitriatra atsy, mitriatra aroa. Fitiavan-tanindrazana, fitadiavana fitoniana, famelana ny vahoaka hamokatra, fandresen-dahatra amin’ny asa… Mby aiza? Matoa tenenin-dava, tsy misy na tsy ampy. Kapakapa vorombe sima: mba mijery tena vao manetry olona. Ny lainga toy ny salaka, ny tompony ihany no afatony: soa atao, […]

Fahamaizana ny hoe fahaizana politika…

Fahamaizana ny hoe fahaizana politika…

Tsy fanarahan-dalàna, amboletra, jadona, kolikoly… Mampiavaka izao fitondrana izao ireo, raha ny filazan’ny sasany. Manginy fotsiny ny fampiasan-kery, ny fampihorohoroana… Eo koa ny tsy fihainoana sy tsy firaharahana ny hafa, ny fiheveran-tena ho hany manana sy manao ny marina. Efa samy nampiaka-peo izay tsy mety amin’izany ny mpanao politika, firaisamonina sivily, fiangonana… Inona no tena […]

Fidirana mahamay

Fidirana mahamay

Hafa kely ny zava-misy ankehitriny. Nilaza ireo tompon’andraikitra fa ny volana septambra no manomboka ny taom-pianarana 2016-2017. Ny sekolim-panjakana anefa ny talata ho avy izao vao hisokatra indray. Eo koa ny andro voalazan’ireo mpitatitra amin’ny taxi-be hanondrotana ny saran-dalana ho 500 Ar. Efa mipetraka eny amin’ireo fiara ny filazana momba izany. Raha tsy hoe hahita […]

Mena ambanin’ny…manga

Mena ambanin’ny…manga

« Ny atao ihany no miverina ». Fitenenana nalaza tato ho ato indray io. Voatondro tamin’izany ireo efa tao anaty fitondrana teo aloha, izay lasa enjehin’ny fitondrana ankehitriny. Ny endrika isehoany tokoa angamba no mety tsy mitovy, fa ny natao sy ny fitaovana nampiasaina, iray ihany? Herim-pamoretana… Niantefan’ny kiana mivaivay hatrany koa, tato ho ato, ny mpitandro […]

Vahoaka… tompon’ny teny farany

Vahoaka… tompon’ny teny farany

Amin’izay tsy azo anoarana vao hikoropaka hanao kisarisarina dinika ny mpitondra? Tsy misy setriny ireo fitakiana etsy sy eroa, na eo aza ny fanambarana ampahibemaso fa hoe vonona hifampidinika. Arirarira ny raharaha, taritarihina mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasana. Tsy misy avaly afa-tsy ny fampiandrasana ny fifidianana, taona 2018. Resaka ihany ny hoe fandresen-dahatra ny mpanenjika ny asa […]

Haintrano faobe

Haintrano faobe

Fa inona loatra ity mitranga rey olona ? Tao anatin’ny herinandro monja (17- 25 septambra teo), levon’ny afo tao anatin’ny indray mipy maso, ny trano fonenana miisa manodidina ny 250, ahitana tokantrano maherin’ny 380, tany Andovoranto Brickaville,  Maroletra Marolambo ary Ankasina Antananarivo Renivohitra. Sanatria tsy mampitovy azy amin’ireny hetsika manokana fanaon’ny fandaharanasa sy ny tetikasa ireny, […]

Fitandroana filaminana sy fitsarana… tsy atokisana

Fitandroana filaminana sy fitsarana… tsy atokisana

Manjaka ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitandroana filaminana sy ny fitsarana. Na tsy ny rehetra aza no manao ny ataony, saro-toerana ny rafitra: anisan’ny mahabe fitarainana noho ny kolikoly, ohatra, raha ny tatitry ny Bianco sy ny Afrobaromètre. Mbola anisan’ny fitaovana politika eo an-tanan’ny mpitondra koa? Izay mitady hihetsika rehetra, potehina amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana… […]

Famoretana sisa hery raha izao…

Famoretana sisa hery raha izao…

Misy ny mpitandro filaminana voasaringotra amina raharaha maizina etsy sy eroa:  fampanofana basy, ohatra. Eo ny fanamarinan-tena amin’ny voka-dratsin’ny atao fa mitifitifi-poana. Mangina fotsiny ny fanapotehana izay mihetsika rehetra, soketaina ho manakorontana sy manongam-panjakana. Anton’izany ny tahotra na tsy fahatokisan-tena amin’ity hoe voafidim-bahoaka. Tena miaro ny vahoaka sy ny fananany ve ny mpitandro filaminana? Ny […]

Valalabemandry… valaka be miandry

Valalabemandry… valaka be miandry

Aiza ho aiza ary ho aiza ny valalabemandry amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Raha ny mpitondra hoe lanim-bahoaka, tsy mitsaha-miantso tolo-tanana amin’izay hoe fampandrosoana. Nefa na ny afitsony aza, tsy hita mazava hoe ahoana na aiza marina amin’izany. Manampy trotraka ny vahoaka ny tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana… Iforetana sy iaretana mandra-pahatonga ny fifidianana 2018? Mandra-pitrangan’izay hitranga, valaka […]

Fandriampahalemana… fandri(h)am-pahalemena

Fandriampahalemana… fandri(h)am-pahalemena

Rehefa ny olo-marina indray no mikaton-trano sy tsy sahy mivoaka takariva na alina, manjaka ny olon-dratsy. Rehefa ny dahalo no manafika tobin-jandary, ohatra, ratsy fototra izay hoe fandriampahalemana. Rehefa misy mpitandro filaminana miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy, sarotra ny mahazo antoka amin’ny filana vonjy. Rehefa manana fitaovam-piadiana mahery vaika noho ny an’ny mpitandro filaminana ny olon-dratsy […]

Mba henoy sy vakio izay ambaran’ny mpanoratra !

Mba henoy sy vakio izay ambaran’ny mpanoratra !

«Masina ny tanindrazana » ! Tsy masimasim-poana izy io fa nisy antony nahatonga izany. Anisan’ireny ny fanarahana ny fomba sy fitandremana ny fady ary ny fahafantarana ny tantara. Ireo rehetra ireo, manomboka very amin’ny Malagasy avokoa. Ny fomba, lasa fombam-bazaha. Tafiditra ao anatin’izany ny fomba fisainana. Nanjary nivadika ho finoanoam-poana ny fady nohajain’ny ntaolo fatratra. Ny tantara, […]

Sangy mihoatra ny loha

Sangy mihoatra ny loha

« Ry tanindrazan’ny…ô ! Ry Madagasikaran’ny Sinoa … ». Mahatsikaiky ! Samy manana ny hanehoany ny fahitany ny lalan-kizorana na ny lalana itondrana ity Gasikara ity ny tsirairay, amin’izao fotoana izao. Toa mampihomehy, saingy tena mampahonena raha izany  tokoa no hiafaran’ilay hiram-pirenena sy ny firenena iray manontolo mihitsy. Raha « sanatria » no tokony hanambara teo ambony kanefa, indrisy, tsy lavitra […]

Mitotongana ka mitoto… ongana

Mitotongana ka mitoto… ongana

Mby aiza ny raharaham-pirenena? Maso miara-mahita ny rehetra izao: mahandro tsy mahamasaka izay fanarenam-pirenena ny mpitondra, mitoto tsy mahafotsy izay fampandrosoana. Tenenina, minia manao bemarenina? Raha mamaly, fampielezan-kevitra politika hoe miasa sy mahavita tsy misy toa azy hatramin’izay. Fanamarinan-tena no afitsoka amin-javatra efa hita izao fa mihitsoka? Mitotongana ny raharaha, ny fomba fitantanana. Mampiteny ny […]

Herin’ny vola, vandy, vahoho… manjaka

Herin’ny vola, vandy, vahoho… manjaka

Tena marina ve ny hoe notambazana 1 000 tapitrisa Ar ny depiote Mapar iray mba hivadika ho Hery vaovao ho an’i Madagasikara (HVM)? Na hisy aza ny fanadihadiana, tsy hivoaka ny marina… Nahoana? Tsy vitan’ny hoe miasa ny herin’ny vola amin’ny mpanao kolikoly sy mpividy olona amin’izao, fa manjaka koa ny vandy na lainga amin’ny lany […]