Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Tahotra vavam-bahoaka… fahefana fahadimy

Tahotra vavam-bahoaka… fahefana fahadimy

Ny eo tsy afaka; ny tonga, manao tsy omby aloha. Tsy inona fa ny tahotra fanakorontanana, fanonganam-panjakana… Tsy misy tondroina, hono, dia maty, na jerem-potsiny dia velona. Fa misy ny fanjakana na mpitondra mikorontana sy miongana, raha voateniteny amin’ny vava etsy sy eroa? Fanjakana ve izany? Na tsara fototra, marin-toerana, matanjaka… Eo koa ny tahotra […]

Toe-tsaina lo

Toe-tsaina lo

Tonga eo amin’ilay teboka efa mahazatra indray isika Ramalagasy. Fotoana mety ho lava, mahavalalanina, hifampanontaniana hoe « iza no nanao an’iny ? ». Ilay fanapoahana baomba teny Mahamasina io. Rehefa misy ny fanontaniana saro-balina, samy manandranandrana mamaly izany, amin’ny kajikajy sy ny fomba fijery ny zava-nisy sy misy. Mandeha sahady ny fifanilihana sy ny ahiahy ratsy. Voatondro molotra […]

Vokatra ny mananasy !

Vokatra ny mananasy !

Mananasy. Io no teny maro nampiasa indrindra omaly, tao anatin’ireo tambajotran-tserasera isan-karazany, indrindra ny “Facebook”. Ho an’ireo tsy maharaka, nanao randran-tarihina ny vaovao mikasika ilay akanjo nanaovan’ny vadin’ny filoha, nandritra ny lanonana teny Iavoloha. Akanjo misary mananasy, izay araka ny fanadihadiana nivoaka tany ho any, dia lafo dia lafo tokoa ny vidiny… Mazava loatra fa […]

« Nosy tanindrazako… »

« Nosy tanindrazako… »

Tao anatin’ny andro maromaro, nanakoako ho ren-tany ren-danitra saika isan’andro ilay hira « Nosy tanindrazako » andrenesana ny feomangan’i Ludger Andrianjaka. Ampahany firy amin’ny Malagasy no mba nandinika ny voalazan’i Naly Rakotofiringa ao anaty tononkira ? Raha naharay na sombiny kely aza ny Malagasy tsirairay, hisy fiovana goavana eto Madagasikara. « Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i […]

Tompon-trano mihono

Tompon-trano mihono

Hatraiza ny fetran’ny vaovao omena sy ampahafantarina ny sarambabem-bahoaka ? Miantefa any amin’izay tokony hiantefany izany. Ny mahagaga mantsy, toa ireo gazety sy fahitalavitra tsy miankina no tena nilaza izay zava-niseho teny Mahamasina, ny harivan’ny 26 jona teo. Saingy voafetra ihany ny toerana mahita sy mandre azy ireo. Ilay maharakotra ny Nosy iray manontolo sady heverina […]

Vita famalifaliana, fa tsy afa-pahoriana…

Vita famalifaliana, fa tsy afa-pahoriana…

Vita iny ny 26 jona. Lanonana sy fifaliana, araka izay tandrify ny tsirairay io, ny isan-tokantrano, isam-paritra… Vita iny, na teo aza ny indro kely tetsy sy teroa. Ahoana amin’izay ny fiatrehana ny fiainana, ny raharaham-pirenena? Tsy afaky ny fihetsiketsehana nandalo ny fahasahiranan-dava. Eo ny krizy politika amin’ny faharisarisan’ny fifampitokisan’ny vahoaka sy ny mpitondra: ny […]

Misy apoaka ao anaty fahasahiranana

Misy apoaka ao anaty fahasahiranana

Na hoe voarara amin’ny toerana iombonana aza, misy ihany ny tsipoapoaka etsy sy eroa. Misy apoaka hatrany ao anaty  fahasahiranana. Soa ihany, mbola tsipoapoaka… Mbola misy apoaka amin’ny karazam-pihetsiketsehana fanarian-dia sy famalifaliana koa ny mpitondra, na ao anaty fahantrana lalina sy maharitra aza ny vahoaka amin’izao: fizarana fanomezana na fanampiana, afomanga, “podium”… Fihetsiketsehana ivelany, mandalo, […]

Andrasana ny fanalefahan-tsazy…

Andrasana ny fanalefahan-tsazy…

Manana fahefana hamindra fo amin’ireo voasazy ny filohan’ny Repoblika, araka ny And. 58 ao amin’ny lalàmpanorenana. Hatramin’izay, amin’ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena toy izao hatrany no anaovana izay famindram-po amin’ny alalan’ny fanalefahan-tsazy izay. Toy ny fanao isan-taona, azo antoka ny hisian’izay amin’izao fankalazana ny 26 jona izao. Ho an’ireo voafonja zokiolona izany, ny efa voatana […]

Misy mihaino !?!

Misy mihaino !?!

Mahavalalanina ny zava-miseho eto amin’ny firenena. Indrindra raha tsy hilaza afa-tsy izay nitranga tao anatin’ity herinandro ity fotsiny. Teo aloha ny fitroaran’ny fokonolona nahatsiaro ho tratran’ny trindry hazolena ka nibodoana sy nanaovan’ny letrezana ny taniny… eny, hatramin’ny fasan-drazany aza, ka nanomezana izany ho an’ny vahiny, ho an’ny sinoa. Ny « Raharahan’i Soamahamanina » (Miarinarivo) io. Inona ? Ny […]

Aleo mifety ihany aloha

Ao anatiny tanteraka ny vahoaka malagasy. Andro sisa isaina, higadona ny fetin’ny Fahaleovantena. Io no hilazana ny 26 jona fa tsy fetim-pirenena akory satria i Madagasikara talohan’ny nahazanatany frantsay azy, ny taona 1896 efa neken’ireo firenen-dehibe ny fisiany sy ny fanjakana tao aminy. Efa nisy fifandraisana ara-diplomatika, ohatra, tamin’ny Anglisy sy ny Amerikanina raha tsy […]

Fomba fiasa kitsapatsapa… amboletra

Hatramin’izao, mitohy ny kitsapatsapa sy andranandrana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy izay atao na fanatanterahana fanapahan-kevitra. Anisan’ny fositra amin’izany ny tsy fakana na tsy firaharahana ny hevitr’izay sehatra na sokajin’olona voakasiky ny raharaha anapahan-kevitra. Rehefa midona amin’ny rindrina amin’izany fomba fiasa hafahafa na kitoatoa izany ny mpitondra: izay vao mikoropaka manamarin-tena na miverin-dalana, mitady fifampidinihana na […]

Mandini-tena ahitana ny hafa…

Mandini-tena ahitana ny hafa…

Mila mandinika sy mandini-tena, hono, ny tsirairay. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao io: tsy hita be ihany, na miharatsy andro aman’alina. Saika miteraka tsy fifankahazoan-kevitra sy fanoherana avokoa izay miseho sy atao ary lazaina rehetra. Mila dinihina izany ary andinihan-tena amin’ny toerana sy ny andraikitra misy ny tena, amin’ny fampandrosoana ny firenena… Sarotra sy […]

Kibokiboin’ny kibo… mitsara tena

Kibokiboin’ny kibo… mitsara tena

Fanakorontana, fanonganam-panjakana… ? Tsy fantatra na marina na tsia amin’izao ankatoky ny 26 jona izao. Iza no manakorontana? Na mikorontana ka mikoropaka… Raha ny vahoaka, zavatra hafa ny manakorontana azy. Eo, ohatra, ny kolikoly, tsy mampahita mangirana sy rirany amin’izay fahamarinana, fampandrosoana. Ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, tsy hahavitana inona na ny asa famokarana […]

Toa tsy mamofona fety ?

Toa tsy mamofona fety ?

10 andro sisa… Fa mbola varimbariana ny rehetra. Zara raha heno, mba tsy hilazana hoe tsy misy mihitsy izany fofompofona fety izany. Noho ny andro mangatsiaka sy manorana ve ? Mety ho antony iray izany. Tsy vao izao anefa no niomana tamin’ny fetim-pirenena ao anaty ririnina ny Malagasy. Ny andro no mangatsiaka, fa maromaro kosa ny […]

Mampanahy avokoa izay lalan-kivoahana…

Mampanahy avokoa izay lalan-kivoahana…

Mafanafana ratsy ny toe-draharaham-pirenena, na tombanana ho toa mangingina aza ny tontolo politika. Voka-javatra amin’izany avokoa ireo zava-mitranga etsy sy eroa, fa tsy hoe antony : ny “Raharaha loholona Lylison René de Roland”, ny fitakiana sy fitokonana talohaloha teo, ny adihevitra be ny amin’ny hoe Fahaleovantenam-pirenena, ny raharaha kolikoly resabe hatrany… Inona no vahaolana amin’izany […]

Mahery tsy maody …

Mahery tsy maody …

Ny manenjika ny osa, enjehin’ny mahery… Nefa koa, ny mahery tsy maody, tsy ela velona. Nahery ny antokon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, tamin’ireny fifidianana ireny, matoa nandresy. Saingy nitarika azy ireo halemy sy hangozohozo ary hivarina any an-davaka kosa ny tsy fahamailoana sy ny tsy fitsinjovana ny ao aoriana : fitiavan-tena sy harena  amin’ny alalan’ny fanararaotam-pahefana, […]

Lo

Lo

«Tanora mandala ny fahitsiana sy fahamarinana ankehitriny, olon-dehibe fitaratra (maodely) rahatrizay ». Fatratra loatra izany teny fanevan’ny Tambajotra fahitsiana sy ny fahamarinana, na ny Réseau d’Honnêteté et d’Intégrité (RHI), eo anivon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) izany. Tambajotra iray natsangan’ny Bianco hanentanana sy hanabeazana ary hikolokoloana ny ankizy sy tanora, dieny izao, ho tia […]

Izay mahay manana, manan-droa

Izay mahay manana, manan-droa

Izay mahay manana, manan-droa; izay tsy mahay manana, votso-droa. Tsy izay ananana no zava-dehibe, fa ny fahaiza-manana. Rehefa tsy ananana, hono, izay tiana, izay ananana no tiavina. Tano ny azo fa sarotra ny mila. Inona avokoa izany? Zava-dehibe izay ananana, indrindra ny fahaiza-manana azy. Na izany aza, aleo tsy manana toy izay manan-dratsy. Sarotra ny […]

Raikitra ary raikitra ny baolina

Raikitra ary raikitra ny baolina

Vaovao lehibe ary nahafaly ny mpankafy eto Madagasikara fa halefa mivatana amin’ny TVM ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Euro 2016 ». Hatao any Frantsa ity andiany ity manomboka anio hariva. Ho tazana ao avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao sangany eran-tany hiaro ny voninahi-pireneny sy hampiseho ny talentany. Fialamboly, fanovozana traikefa sy fahaizana, fa fakana torimaso kosa ho […]

Saina sy ny saina…

Saina sy ny saina…

Efa mihofahofa any an-tanànan’i Mahajanga, amin’ny ankamaroan’ny trano sy ny biraom-panjakana, ny sainam-pirenena. Tsy niandry ny toromarika sy ny fanentanana ny any an-toerana fa efa nanomboka izany ny herinandro teo. Efa mivolon’andro fety ny ao an-drenivohitr’i Boeny ao. Ny eto Antananarivo indray, mbola ny biraom-panjakana sasany no ahitana izany, miaraka amin’ny ravaka samihafa… Tsy mbola […]

Volana ho an’ny ankizy

Volana ho an’ny ankizy

… Tsy afaka mivölagna loatra satria mbola kely ! Na izany aza, omen’ny lehibe lanja ao anatin’ny taona ihany ny ankizy malagasy satria nanokanany ny volana jona ho azy. Niainga tamin’ny « Ankizy ankehitrio, mpanangana ny ho avy ». Nandalo ny « Ankizy tompon’ny taona 2000 », sns. Teny filamatra toa nenti-naminavina sahady fa hanana ny hoaviny mamiratra ity Madagasikara […]

Fahoriana, faharesena, fahalemena…

Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy, nodimandry ny lehiben’ny tarika Ny Ainga, Rabesaiky Guillaume, fantatry ny maro amin’ny hoe Om-Gui. Misaona torak’izany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena noho ny faharesen’ny Barea de Madagascar tamin’ny isa mavesatra, 6 noho 1, nanoloana ny RD Congo tamin’ny fifanintsanan’ny Can 2017, tany Mahajanga. Resy an-taniny i Madagasikara. Tsy mahagaga, resy an-taniny […]

Raha masa-bomanga etsy, Ramasabomanga eroa…

Raha masa-bomanga etsy, Ramasabomanga eroa…

Vomanga masaka ihany. Izay ny an-dRamasabomanga, fa tsy mieritreritra na mahita zavatra hafa. Anton’izay, tsy fananana hazondamosina, fanarahana ambokony… Fa any amin’izay vomanga masaka ihany. Eo amin’ny fiainana, na fiarahamonina, na fiainam-pirenena, samy mety manana izay vomanga masaka aminy ny tsirairay. Izay heveriny ho zava-dehibe izay, mahamaika azy, mahajamba, tsy ananana hazondamosina. Na vola aman-karena […]

Mikorontana fa mikoro tantana…

Mikorontana fa mikoro tantana…

Niavian’ny teny hoe korontana ny koro tantana: mikorontana rehefa mikoro ny tantana, fa tsy mijoro. Mby aiza amin’izany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? Na ny fitondram-panjakana… Tenenin-dava tato ho ato ny hoe misy fanakorontanana, fanonganam-panjakana. Tsy fantatra intsony izay marina na tsia. Ny fitenenan-dava no mampisy korontana sa ny fisian’ny korontana no mampiteny lava? Raha […]

Resaka, fihetsika, asa… misy fotony

Resaka, fihetsika,  asa… misy fotony

Inona marina ny olana amin’izao fotoana izao? Fahantram-bahoaka lalina sy maharitra, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-pianana, tsy fisian’ny asa, delestazy… Eo koa ny fitaka sy fampanantenana lava iandrasan’ny vahoaka vasoka, ny tsy firaharahana na tsy misy mpihaino… Tsy vitan’izany, eo ny fanaovan’ny sasany tantely afa-drakotra sy ampihimamba ny harem-pirenena, ny kolikoly sy ny kiantranoantrano, ny fanaovana […]