Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Mahazo vahana ho azy ny ratsy

Mahazo vahana ho azy ny ratsy

Ny fandio iray siny, hono, tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Mibahan-toerana sy mahazo vahana ho azy mandrakariva ny ratsy, na maro anisa toy inona aza ny tsara. Velon-taraina izao ny maro noho ny afitsoky ny mpitondra. Ireo vitsy anisa eo amin’ny fitondrana na ny manodidina ny mpitondra no tsinay homana aty, manamaimbo ny fitondrana? […]

Mitompo tena fantatra ho meloka…

Mitompo tena fantatra ho meloka…

Tsy misy toy izao fitondrana izao hatramin’izay? Marina izany. Na izy ireo mpitondra, na ny vahoaka: samy milaza izany, na samy hafa aza izay lazaina. Eo ny mpitondra milaza tena fa tsy mbola misy nahavita ny vitany nandritra ny roa taona sy tapany tao anatin’izay antsasaky ny taonjato iray izay: 50 taona… Eo ny asa […]

Ny hamisavisana ny ratsy…

Ny hamisavisana ny ratsy…

 « Fitondrana mpanao bodongerona, mpanao latsak’alina, mpampihorohoro, mpanao hery famoretana, tsy mpanara-dalàna,… ». Izany sy ny hafa tsy voatanisa (misy no tsy azo lazaina eto) no nikilasian’ny olona ity fitondrana ity, taorian’ireny zava-nitranga afakomaly alina, teny Anosipatrana, ireny. Niraraka ny fanaratsiana ity fitondrana ity, tamin’ny alalan’ny  fanehoan-kevitra, na tamin’ny fidirana mivantana tamin’ny radio, na tao anatin’ireny tambajotram-pifandraisana […]

Aza gaga amin’izao raharaham-pirenena izao…

Aza gaga amin’izao raharaham-pirenena izao…

Tokony hivarotra ny fananany ary hizara izany ho an’ny sahirana, hono, ny mpanohitra, raha milaza ho tia vahoaka. Vavan’ny olom-boafidy iray io. Solom-bavan’iza: ny vahoaka sa ny fanjakana? Ny tena no menatra. Fizarana ny fananan’ny tena ve no hoe fitsinjovana vahoaka? Nefa tsy manao izany ny mpitondra milaza isan’andro vaky fa manao fampandrosoana, efa manakaiky […]

Kibay zozoro an-kelika, fa tsy hiady…

Kibay zozoro an-kelika, fa tsy hiady…

Tsy miady, tsy miady, nefa ny kibay an-kelika ihany. Na tsy ho aiza tsy ho aiza, nefa mandray basilava… Fomban’ny mpiandry kendry tohina ireo, mitetika hamely am-pitaka, mamono botraka ho mody tsara ivelany… Tsy izay kosa ny mitranga sy iainana amin’izao fitondrana hafahafa izao, raha ny ady amin’ny kolikoly. Hiady, hiady, ka manao kibay an-kelika. […]

Mampiteny ny noana sy ny moana…

Mampiteny ny noana sy ny moana…

Tsy fahalalam-pomba, hono, ny miteny, raha mbola eo am-pihinanana. Tsy vitan’izany, kofona izay miteny na be resaka eo am-pihinanana. Izany no mampangina ny mpitondra? Tsy lazaina izay atao; izay lazaina, tsy atao. Samy olon-ko azy izao na ny mpitondra na ny vahoaka, tsy manan-javatra iombonana sy mampiombona. Tsy inona fa ny tanindrazana, ohatra. Nefa izany […]

Tsy hita izay iombonana sy mampiombona

Tsy hita izay iombonana sy mampiombona

Mbola misy iombonana sy mampiombona ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao? Mihambo ho voafidim-bahoaka ny mpitondra; ny vahoaka, efa tsy matoky firy intsony… Mila porofo? Jereo ny famoriam-bahoka afitsoky ny mpitondra: indraindray, manarama olona toy ny fanatrehana ny matson’ny 26 jona, ohatra. Misy elanelana ho azy eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Mihalalina izany, mihalavitra… Ho […]

Tamberin’andraikitra, tamberin-tantara…

Tamberin’andraikitra, tamberin-tantara…

Hirahirain’ny mpitondra amin’izao toe-draharaha mafanafana ratsy izao ny hoe voafidim-bahoaka. Viraviraina amin’izany ny fanehoan-kevitry ny hafa mitaky ny fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana. Misasaka izao ny fe-potoam-piasana, mba vita sasaka ve ny fanamby sy ny fampanatenana tamin’ny fifidianana. Ny delestazy hoe hofoanana ao anatin’ny telo volana fotsiny aza, ohatra: telo taona tsy afaka ihany. “Miandry […]

Efa fanakona-masoandro hatramin’izay…

Efa fanakona-masoandro hatramin’izay…

Fanakona-masoandro eto Madagasikara rahampitso, indrindra any Mahajanga sy Toamasina. Takonan’ny volana ny masoandro. Be ny tsy mahalala izany, tsy miraika, tsy miraharaha… Ho an’ny sarambabem-bahoaka, efa fanakona-masoandro hatramin’izay, indrindra amin’izao fitondrana ao anatin’ny Repoblika IV izao. Nahoana? Tsy mbola ahita-mangirana izay tena hoe fanarenam-pirenena sy fampandrosoana ifotony, indrindra ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Ny mpitondra aza […]

Porofoy amin’ny asa ny vava

Porofoy amin’ny asa ny vava

Fanambarana etsy, fanambarana eroa… Vitan’izany ve izao olana lehibe sy lalina eto amin’ny firenena izao? Eo ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, ny fanjakan’ny kolikoly, ny harem-pirenena zary tantely afa-drakotra, ny fivarotan-tanindrazana, ny fampihorohoroana, ny fangejana… Manginy fotsiny ny fahasahiranam-bahoaka: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, ny ady tany… Vita sy milamina ho azy amin’ny famoahana fanambarana ve izany? […]

Lakolosy…

Lakolosy…

 Zary efa tsy mahataitra intsony ny halatra lakolosy, mahazo vahana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Efa nanao antso avo sy hentitra ny avy amin’ny fiangonana katolika saingy tsy misy mihaino. Mbola mitohy izany ary tsy misy ny fepetra raisin’ny mpitondra. Tsy fantatra intsony rahateo ny marina momba ity halatra ity na koa ho zary […]

Olana… Mampifanolana

Olana… Mampifanolana

 Betsaka loatra ny olana eto ary zary lasa mampifanolana sy miteraka fifandrafiana mihitsy aza. Tsy mahavaha izany anefa ireo tompon’andraikitra… Mianona amin’ny valin-teny boribory ny mpitantana na mijanona amin’ny fampanantenana fotsiny ihany fa handray fepetra na koa filazana fa efa an-dalana ny raharaha. Firifiry izao ireo raharaha zary valina fotsiny hoe efa mandeha ny famotorana ? […]

Toy ny bokotr’akanjo e…

Toy ny bokotr’akanjo e…

Toa lasa olana saro-bahana, mitarazoka ka miteraka gidragidra lava, tsy vao izao ihany fa efa hatry ny taona maro sy fitondrana nifandimby ity olan’ny tsena sy ny mpivarotra amoron-dalana ity. Ny gaboraraka ! Izay ny anisan’ny antony lehibe nahatonga izany. Zatra ny gaboraraka teto nandritra ny taona maro ny ankamaroan’ny olona, ka samy manao izay saim-pantany, […]

« … Tany sarobidy, masina tokoa ! »

Volamena, vatosoa, solika,… Hazo isan-karazany, zavamaniry tsy tambo isaina… Toerana kanto voajanahary, harena anaty ranomasina, velaran-tany midadasika… Ireo rehetra ireo ahafahana manaporofo fa « Tany sarobidy » tokoa ity Nosy ity. Fomba amam-panao, tahotra an’Andriamanitra, tahotra ny tody sy ny tsiny, fihavanana… Maneho fa masina i Madagasikara. Firenena sarobidy sy masina kanefa miandry fanampiana avy any ivelany […]

Tsy milamina…

Tsy milamina…

Tsy milamina amin’ny ankapobeny ny firenena. Manomboka any amin’ny andavanandron’ny mponina izany. Eo ny fitaintainana ao an-trano, eny an-dalana, amin’ny atao rehetra noho ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. Tsy milamina intsony satria ireo mba antenaina fa hiaro ny vahoaka sy ny fananany mihitsy no efa miray tendro na koa mivadika jiolahy. Voaporofo hatrany izany […]

Malemy amin’ny lafiny maro

Malemy amin’ny lafiny maro

Dia mbola mampitombo ary manampy trotraka ny laza ratsin’i Madagasikara any ivelany any indray ilay vonoan’olona nahafaty ireo teratany frantsay roa, tany Sainte Marie, ny alahady maraina teo. Samy niresaka iny tranga iny avokoa ny gazety sy televiziona frantsay, toa ny France 24, France 2, France O,… ny gazety Le Monde,… « Habibina, tranga barbarianina… », hoy […]

Tsy mandeha amin’ny laoniny…

Tsy mandeha amin’ny laoniny…

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Manomboka any amin’ny fanabezana sy ny fampianarana. Ohatra, ny fanadinana bakalorea, nahitana taranja vitsivitsy tsy tomombana. Nitohy amin’izao famerenana ny fanadinana hidirana ho mpiasan’ny ladoany izao izany. Kitoatoa, tandrametaka, tsy fahaiza-manao, tsy fitandremana, tsy tompon’andraikitra, tandrevaka… Tsy mandeha amin’ ny laoniny…. Vitavita ho azy avokoa izany […]

Hery… famoretana !

Hery… famoretana !

« Fa misy matso angaha ao Analakely ao ? » hoy ny fanontanian’ny maro, nahita ny habetsahan’ny mpitandro filaminana, nirangaranga… nirongo fitaovam-piadiana, saika avy amin’ny antoko tafika, omaly. Iny omaly iny tokoa angamba no azo lazaina fa nampitolagaga indrindra tamin’ny fanetsehana ny mpitandro filaminana, nisakanana sy nandravana hetsika an-dalambe teto hatramin’izay. « Nandamoka ! » hoy ny sasany. « Nitsefotra ! » hoy kosa […]

Tsy vitan’ny mahery am-boalohany…

Tsy vitan’ny mahery am-boalohany…

Tsy mitsaha-mitombo ireo vondrona na antokon’olona manilika ny fitondrana ankehitriny. Nisesisesy ny fanehoan-kevitra, taorian’ny fanambaran’ny AFP fa hidina an-dalambe eny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, anio. Na hahomby na tsia io hetsika io, taratra fa malailay fonosana amin’ny mpitondra fanjakana ny « vahoaka sasany ». Fa any amin’ny fanehoan-kery toy izany koa ve anefa ny paikady tena mahomby ? Anjaran’ny […]

Resaka « razoky » sa resak’olon-dehibe…

Resaka « razoky » sa resak’olon-dehibe…

Resaka iray ihany ireo, na mety koa resaka roa samy hafa samy manana ny lanjany, fa mety ny sehatra ilazana azy, ny mpampiasa azy no mampisy ny tsy fitoviana. Raha ny lafiny fandriampahalemana amin’ny raharaham-pirenena eto amintsika resahina, rehefa tsy hiresaka politika, na misy resa-politika ihany aza ao anatin’izany, aleo atao resaka « razoky » ihany. Ny […]

«Iny ianao iny»

«Iny ianao iny»

«Iny lalana iny». Nalaza izany tononkira izany tamin’ny andron’ny Tetezamita. Iza tokoa ny tsy hahatsiahy fa nanana ny torolalany sy ny sori-dalany manokana ireo mpikambana tao amin’ny Tetezamita, fony tamin’ny androny? Dia nalaza ho azy teo ny «Iny lalana iny», tononkira anankiray nampalaza ihany koa ilay tarika mpanao zafindraony avy ao atsimotsimo ao! Toa nahazo […]

Miova hevitra ny vahoaka rehefa ivadihana

Miova hevitra ny vahoaka rehefa ivadihana

Efa naneho ny heviny tamin’ny fifidianana ny vahoaka. Mila miaritra izay hatramin’ny taona 2018, hono. Tsy tokony hiova hevitra eny an-dalana izany? Na ho jamba sy minia mitampi-maso hatramin’ny farany… Heverin’ny mpitondra efa pahina na tsy mahita inona ny vahoaka amin’izao noho nampidirana azy amin’izao kizo izao? Eto amintsika, tsy misy firy ny fitsapana hevi-bahoaka. […]

Mangingina ratsy… mamitaka

Mangingina ratsy… mamitaka

Tsy mahamanina intsony ny “Raharaha Soamahamanina”? Tsy hita izay iafarany. Mangingina  ho azy. Toy ny hafa rehetra ihany: ny fakana an-keriny tany Toamasina, ny “Raharaha Anjozorobe”, ny momba ny fiaramanidin’ny filoha, ny “Raharaha rongony” tany Toliara, ny andramena any Singapour… Manginy fotsiny ny hoe kolikoly, ny kiantranoantrano amin’ny tolotrasam-panjakana, ny tsy fisian’ny fangaraharana amin’izay atao […]

Miandry fitraoram-bahoaka ?

Miandry fitraoram-bahoaka ?

Inona ihany re no zavatra mandeha ara-dalàna eto amin’ny firenena ? Angamba hiara-kihoraka ny rehetra hoe : tsy misy ! Aoka tsy handeha na hanakatra lavitra. Ohatra iray, mitohoka amin’ny tenda ny ndeha horaisina, ny amin’ny famatsian-jiro sy ranon’ny Jirama. Tato anatin’ny andro maromaro izao, mampikaikaika sy mampitaraina fatratra ny ankamaroan’ny mpanjifa ny fiverenan’ny delestazy sy ny fahatapahan-dranon’ny […]

Ny sasany, miala sasatra…

Ny sasany, miala sasatra…

Fotoam-pialan-tsasatra tokoa izao. Misy ireo efa lasa nialoha, namonjy ambanivohitra na morontsiraka, na any ivelany mihitsy. Arakaraka ny fahafahana rahateo io. Tototra sary avy any anaty fialan-tsasatra any ireo tranonkalan-tserasera, ifanakalozana amin’ny alalan’ny “internet”. Tena sahirana marina ve ny Malagasy? Raha ireny no tarafina, mampametraka izay fanontaniana izay tokoa. Fa tsy ampy hitarafana izay mitranga […]