Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Misy tery ny lalan-kaleha sy ny ho avy…

Misy tery ny lalan-kaleha sy ny ho avy…

Tsy moramora ny hoe fanarenam-pirenena sy fampandrosoana. Sarotra ny lalana, mafy, lavitra. Ao anatin’izany ny hoe misy tery izay aleha sy ny ho avy. Nahoana? Mitaky fanapahan-kevitra, fahavononana, fahasahiana, fahatokisan-tena. Sao vilam-bava mpitari-bato: hafa ny lazain’ny vava, fa tsy araka izay tondroin’ny molotra. Aiza ho aiza amin’izany ireo mpitarika? Mila fahamarinana ny raharaha, fanajan-tena amin’ny […]

Maitso (ny) ahitra

Maitso (ny) ahitra

Tonga ihany ! Tsy ny taona vaovao no tian-kambara eto fa ny orana. Herinandro lasa izay, efa nitaintaina, toy ny sahobakaka am-body riana, ny tantsaha amin’ny manodidina an’Antananarivo, eny, amin’ny ankamaroan’ny faritra mpamokatra mihitsy aza, noho ny tsy fisian’ny rano. « Ahiana ny mosary, raha izao no mitohy… Fa tsy mbola nisy toy ity », hoy ny sasany, […]

Samy manana ny fiainany…

Samy manana ny fiainany…

Ny arahaba toy ny fary lava vany, ka tsy lany hamamiana. Ary ny fanaovam-belona? Raha iny taona 2016 iny, navesatra ho an’ny vahoaka ifotony: tsy fandriampahalemana, delestazy, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fanjarian-tsakafo, kere… Manginy fotsiny, ohatra, ny gidragidra lava noho ny ady tany, indrindra ny tany robain’ny Sinoa amin’ny famelana azy hitrandraka harena an-kibon’ny tany… gaboraraka. […]

Izay taona vaovao, tsy hitondra inona…

Izay taona vaovao, tsy hitondra inona…

“Hitondra soa sy fanambinana ho antsika rehetra anie ity taona vaovao ity!” Fomba fiarahaba isaky ny tonon-taona toy izao io, mandeha ho azy. Raha ny marina, tsy mitondra inona ny taona. Ny ataon’ny tena no mahasoa na maharatsy. Fanaovana vina ny taona vaovao: inona no hatao? Mila ihetsehana fa tsy anaovana ariary zato am-pandriana, na […]

Tsy afaka faran’ny lohany…

Tsy afaka faran’ny lohany…

Toy ny fiandohan-javatra ihany ny fiafarany: raha tsara fiandoha izay atao na ny dia, heverin’ny Malagasy teo aloha fa toy izany avokoa ny tohin’ny sisa rehetra hatramin’ny farany; raha ratsy kosa izany, ratsy fiafara. Izay ny hoe faran’ny lohany, ary ny hoe tsy afaka faran’ny lohany: tsy afa-miala na tsy mahahoatra izay niandohana. Izay ve […]

Alina miavaka

Alina miavaka

Na eo aza ny fahantrana sy ny fahasahiranana, ny sondro-bidy eny an-tsena ary ny delestazy, azo inoana fa hanao izay mety ny Malagasy isan-tokantrano, rahampitso alina, handray ny taom-baovao 2017. Ny alahady voalohany amin’ny taona koa, tsy ho ambanin-javatra velively fa hiarahan’ny fianakaviana amin’ny sakafo miavaka amin’ny isan’andro. Hiseho tanteraka ny tsy fitovian-tsaranga izay fomba […]

Miantehitra amin’ny fangatahan-dava

Miantehitra amin’ny fangatahan-dava

  Maro ny mitaintaina amin’io taona vaovao 2017 io. Be ny faniriana fa tsy vitsy koa ny ahiahy. Raha ny delestazy aloha, efa tsy misy antenaina intsony angamba ho an’ny rehetra ny hiafarany, raha raisina amin’ilay toky fa ho foana ao anatin’ny telo volana, saingy feno ihany ny telo taona. Amin’izao hafanana migaingaina izao sy […]

Valifaty tsara indrindra

Valifaty tsara indrindra

Nihorohoro sy nitaintaina avokoa ny rehetra, omaly, teo am-piandrasana ny didim-pitsarana mahakasika ilay minisitra teo aloha, voarohirohy noho ny resaka Soamahamanina. Taorian’ny fotoana namoahana ny didy, nihoraka ny rehetra fa afaka ny tenany. Latsa-dranomasom-pifaliana ny fianakaviany, nisento tokana ny mpiara-miasa aminy rehetra sy ny mpiray antoko ary ny vahoakan’ity tanàna malaza. Nisaotra an’Andriamanitra ny rehetra […]

Ny fety mandalo… ny delestazy mitoetra

Ny fety mandalo… ny delestazy mitoetra

Ny fety mandalo fa ny delestazy eo ihany… Tsy nanova na inona na inona tamin’ny fiainan’ny olona ny fety nandalo teo iny, sy ny mbola ho avy afaka andro vitsy. Lasa tsy miverina intsony ny Krismasy 2016, hivadika 2017 ny taona, fa toa ny eo ihany no ho eo. Raiki-tampisaka, mitoetra efa fiainana andavanandron’ny mponina […]

Faipaikany fa tsy ventiny no betsaka…

Faipaikany fa tsy ventiny no betsaka…

Vita iny ny Krismasy: arahaba soa, arahaba tsara. Amin’ny herintaona indray. Ho samy ho tratran’ny ela indrindra. Mbola eo ny fiatrehana ny faran’ny taona. Farany vao misy ventiny izay niainana nandritra ny taona? Fanaovana tomban’ezaka amin’izany ny faran’ny taona na tonon-taona toy izao. Tsy fandriampahalemana, fifanandrinana… Tsaroana amin’izao taona madiva hifarana izao izany, saika teo […]

Fiatoana kely… hitondra fiovana sy fanovana

Fiatoana kely… hitondra fiovana sy fanovana

Fiatoana kely amin’ny adilahy sy disadisa politika izao fotoan’ny fety izao? Amin’izao ihany koa, tsy ekena ny hoe fahatapatapahan’ny famatsian-jiro. Mba miato kely ny delestazy. Ho hita eo… Toy ny fiatoana kely ho an’ireo miady amin’ny hanoanana sy ny kere isan’andro vaky, raha mba misy manome sakafo amin’izao. Fiatoana kely mandalo avokoa izany. Hafa izay […]

Samy manana ny mpamonjiny !

Samy manana ny mpamonjiny !

Andro manan-daza satria vanim-potoana tokana tsy hisian’ny poa-basy any amin’ireo firenena miady ! Andro manan-danja eo amin’ny kristianina satria nahaterahan’Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Fa ho an’ny Malagasy ? Vanim-potoana mampitsetsetra ireo ankizy tsy mba afaka miakanjo vao na mahazo kilalao avy any amin’ny Dadabenoely. Andro mampangorintsina ireo ray aman-dreny tsy mba afaka manome sakafo tsara ny […]

Mba aiza ihany ny anay?

Mba aiza ihany ny anay?

Telo andro sisa, higadona ny fetin’ny Noely. 10 andro izany dia hivalona ny taona 2016. Efa miomana amin’ny fety ve ny vahoaka? Samy manana ny havaliny izay ny tsirairay. Ny fety misy isan-taona. Toraka izany koa ny fahasahiranana isan-tokantrano. Fa mitovy ny tamin’ny taon-dasa ve? Asa aloha. Ny iaraha-mahita sy iaraha-maheno eny rehetra eny, milaza […]

Mifety am-pilaminana ?

Mifety am-pilaminana ?

Miangavy mafy ny tsirairay sy ny lafin-kery rehetra ny fitondram-panjakana mba samy hiezaka hisian’ny filaminana mandritra ity fety ity. « Aleo aloha mba hifety am-pilaminana ny vahoaka… », hoy ny Praiminisitra, tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, afakomaly. Fa iza moa no tsy mba maniry izany, saingy, hatreto, toa mbola nofinofy ihany. Vao mainka aza mihalalina ny […]

Mihinana ny tsy fihinana

Mihinana ny tsy fihinana

 Haringana tanteraka!  Mahalasa saina ny zava-misy ankehitriny. Miditra gaboraraka eto Madagasikara avokoa ny vokatra sakafo tsy fanta-pihaviana rehetra. Anisan’ny firenena tena mahatonga entana betsaka ny any Sina. Paty, vary, biskoy, siramamy, hanimbifotsy, saosy, tsakitsaky ankafizin’ny ankizy… Mahazo miditra avokoa izy ireny. Tsy voaporofo ny maha ara-dalàna ireny entana ireny. Tsy fantatra na ara-pahasalamana na tsia. […]

Tsy masin-toetra, tsy marin-toerana…

Tsy masin-toetra, tsy marin-toerana…

Mody tsy mahita amin’izay adidy tokony hamakiana loha, misehoseho ho inona  amin’izay hahazoana tombontsoa… Inona na ahoana koa? Mitsambikimbiki-mikimpy amin’izay tsy hita sy tsy azo antoka fa anaovana kitsapatsapa, mievotrevotra amin’izay heverina ho kely vita ho tsy manam-paharoa. Tsy hita hotanisaina. Miara-dalana amin’izany ny tsy fanaraha-dalàna, ny teniko fe lehibe, ny fisian’ny tsimatimanota, ny lehibe […]

Mandona tapany, mandoa erany…

Mandona tapany, mandoa erany…

Tena manao fampandrosoana ho fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka ve izao fitondrana izao? Fihetsiketsehana etsy, fisehoana sy kabary eroa… Eo ny vahoaka mitsara, raha misitraka inona amin’izay ataon’ny fitondram-panjakana. Iza na inona no tena anaovany tamberin’andraikitra: ny vahoaka ifotony sa ny vahiny hoe ahazoana fankatoavana amin’ny karazana fanampiana, trosa… Sao mandona tapany, mandoa erany ihany amin’izany? […]

Mitaraina ny tany

Mitaraina ny tany

Efa ho herinandro maromaro izao, tsy nilatsaka ny orana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina raha misy ihany ny any amin’ny faritra hafa nefa ao anatin’ny fahavaratra isika izao. Misy vokany ratsy eo amin’ny fambolena io haintany mety mandalo ihany io. Tara ohatra ny ketsa na koa maina eo an-toerana  eo. Tsy mbola voafehy tanteraka ny […]

Tsy mahay maka lesona…

Tsy mahay maka lesona…

Olan’ny fifampitondrana eto, ny tsy fahaizana maka lesona na koa manova miainga amina tranga niseho tany aloha. Miverina hatrany ny tantara ary mifamadibadika ny mpilalao. Ny eo ihany no miverina… Tsy mba mahay maka lesona. Manao kajikajy politika sy tsy mijery lavitra fa miaina sy mijery ny eo ambany orona fotsiny. Tsy mahagaga raha tahaka […]

Ny kely ananana aza, mbola alaina

Ny kely ananana aza, mbola alaina

« Sotro ranon’alika, hono, ka farany vao misy ventiny ». Sao mba izany tokoa ny ilazana ity faramparan’ny taona madiva hifarana ity? Faniriana sy hetaheta ary firarian-tsoa toy ny fanaontsika Malagasy ihany izany, toy ilay fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao, fanaon’ny isam-pianakaviana sy ny isam-piarahamonina. Fiteny fe fiteny ihany io voalaza io, fa sao “faly sahirana toy […]

Na amboako na amboan’olona…

Na amboako na amboan’olona…

 Figadrana herintaona, miampy fandoavana lamandy 15.000 euros. Izay no sazy mety hiandry an-dRtoa Christine Lagarde, tompon’andraikitra voalohan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’izao fotoana izao noho ny raharaham-pitsarana mahavoasaringotra azy amin’izao fotoana izao. Tsy misy ifandraisany amin’ity andraikitra ambony sady lehibe sahaniny amin’izao fotoana izao ity akory izany, fa mahakasika raharaha hafa mihitsy. Voarohirohy ho nanao an-tandrevaka […]

Aleo mifampiresaka… fanampenam-bava

Aleo mifampiresaka… fanampenam-bava

Aleo mifampiresaka, ilaina hatrany ny fifampiresahana, tsy misy vahaolana tsy hita amin’ny fifampiresahana… Tenin’ny mpitondra matetika ireo rehefa te hanamarin-tena, hanao tari-dositra amin’ny olana mitranga, hampangina izay mitaraina sy mitsikera… Inona ary aiza izay vahaolana eo? Eo, ohatra, ny kolikoly eny anivon’ny Antenimierampirenena, tsy amelana ny Bianco hanadihady ifotony; ny tsy fangaraharan’ny tolotrasam-panjakana tamin’ny Frankofonia, […]

Zon’olombelona… zoin-kolikoly

Zon’olombelona… zoin-kolikoly

Tsingerintaon’ny fanambarana ny zon’olombelona, anio. 68 lasa izay. Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, omaly. Anisan’ny fanambin’izao fitondrana izao ny fanajana ny zon’olombelona sy ny ady amin’ny kolikoly. Mby aiza? Maso miara-mahita etsy, sofi-miara-mandre eroa… Amin’izao, tsy hita be ihany izay hoe fanajana ny zon’olombelona sy ny fiadiana amin’ny kolikoly, raha tsy hiresaka afa-tsy izay. Ny […]

Mitrosina amin’ny trosa…

Mitrosina amin’ny trosa…

Mibitaka sy mirehaka ny mpitondra hoe nahazo volabe amin’ireo mpamatsy mahazatra. Trosan’ny mpampanjana-bola ny marina, fakan-tombony. Takalom-patsa, vidim-pihinanana: ny an’ny tena kely no mahatsembotsemboka. Nefa tsy tsemboka amin’izay kely an-tanana ny mpitondra, fa mitavandra sy mitady hitavana. Hisitrika inona amin’izany ny vahoaka ifotony ao anaty fahantrana lalina sy maharitra? Ela izay fitrosana mahazatra izay. Izay […]

Tsy rototra

Tsy rototra

Mihen-danja isan-taona ny herijikan’ny Malagasy miatrika ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. 18 andro sisa tsy higadonan’ny fetin’ny Krismasy kanefa toa tsy rototra amin’izany ny ankamaroan’ny olona tazana eny an-dalambe. Fahasahiranana sy tsy fahampiana no ambetin-tenin’ny renim-pianakaviana rehefa tafaresaka. Manaporofo ny tsy fahataitairan’ny olona hiatrika fety ny fahanginan’ny tsena hoy ireo mpivarotra. Zara raha […]