Par Taratra sur 27/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Raharaha tokoa ny raharaham-pitsarana tato ho ato, na lasa resabe ny tontolon’ny fitsarana. Taona vitsivitsy izay, anisan’ny nahazoana fitarainana be indrindra amin’ny fisian’ny kolikoly ny sehatry ny fitsarana. Araka ny tatitry ny Bianco sy ny fanadihadian’ny Afrobaromètre, ohatra, io. Lasa resabe ny tontolon’ny fitsarana. Eo, ohatra, ny hoe fitsaram-bahoaka mirongatra etsy sy eroa. Tsy hita […]
Par Taratra sur 25/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Anisan’ny manahirana ny vahiny amin’ny Malagasy ny famaliana fanontaniana amin’ny fanontaniana ihany. Fahalainana miresaka, fakana toky, fizahana fototra… ? Na fanontaniana fampieritreretana, na tsy mila valiny… Amin’ny “Raharaha Antsakabary”, maro ny baraingo mihantona. Toy izany koa ny “Raharaha Rehavana Michel”. Inona no ataon’ny fitondrana foibe? Sarotra ny raharaha: tena hanome fahaleovantena sy fahalalahana ny mpitsara […]
Par Taratra sur 24/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola misy fanjakana ihany ve eto? Na manao sy mahavita antsakany sy andavany ny andraikiny andrasan’ny vahoaka aminy izany… Eo, ohatra, ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fitandroana ny firaisam-pirenena, ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany… Azo anombanana izany ny famotehana izay mihetsika rehetra amin’ny fampiasana herim-pamoretana sy ny fanjakazakan’ny mpitandro filaminana. Efa misy izao […]
Par Taratra sur 23/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Ady amin’ny dahalo any ifotony, fandaminana ny faritra saropady misy fitsaram-bahoaka, ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena… Ireo indray no hoe anisan’ny imasoana amin’ny fitandroana filaminana amin’izao, indrindra ny fidinana sy fiatrehana ny any ifotony ny raharaha… Tsy ratsy aloha ilay paika, irariana mba hitera-bokatra sy hisy fiantraikany mivantana eny anivon’ny vahoaka: hisy amin’izay ny […]
Par Taratra sur 22/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Ahoana ihany ity raharaham-pirenena ity? Indrindra ny fiainam-bahoaka… Mangingina ratsy ny fanampiana traboina. Odian-tsy hita ny “Raharaha Antsakabary“, na tsy hita be ihany ny tohiny. Efa saika nipoaka koa ny fitsaram-bahoaka, tany Ambanja, Manarara Avaratra… Inona ny vahaolana? Tsy mahita afa-tsy ny fampahafantarana lalàna ny fanjakana, fanomezan-tsiny, fampitandremana, fanilihana andraikitra… Milaza ny fitondrana fa samy […]
Par Taratra sur 21/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Mby aiza ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Tsy hita be ihany izay hoe fampandrosoana. Mangingina ratsy izao na ny famonjena sy fanampiana ireo traboina aza. Efa trabonjy avokoa? Na am-boalohany ihany ny rodorodoben’ny tomponandraiki-panjakana hoe tena mahatsiaro vahoaka, mitsinjo, manampy… Na ny fiainan’ireo traboina aza, tsy firy no tena miverina amin’ny laoniny: simba na rava trano, dibo-drano… […]
Par Taratra sur 20/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Anisan’ny mampiavaka izao fitondrana izao ny tsy fiaikena fahadisoana: lehibe tsy meloka, tsy mba diso. Ailika amin’ny hafa hatrany ny fahadisoana sy ny tsy fahombiazana amn’izay atao. Ailika amin’ny mpitondra teo aloha izany, na amin’ny mpanohitra; eny, na amin’ny vahoaka aza. Tsy vitan’ny hoe tsy mahadini-tena amin’izany ny mpitondra; raha mba mandini-tena aza, mihevitra azy […]
Par Taratra sur 18/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Telo taona mahery izay ny fitondrana. Tapitra ny fotoana famindram-po hoe avela hiasa, aza tsikeraina. Inona ny vita? Iaraha-mahita, na tsy hita ihany koa: misy ve, ohatra, ny fiovana ifotony? Mba tena misitraka fihatsaram-piainana ve ny isan-tokantrano, na milofo amin’ny fitadiavana toy inona aza. Mahalala sy mitsara izay iainany isan’andro ny vahoaka: fidangan’ny vidim-piainana, tsy […]
Par Taratra sur 17/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Fitenenana nalaza tamin’ny Repoblika II ny hoe fanampiana hialana amin’ny fanampiana. Mby aiza? Hatramin’izao, ny eo ihany no eo. Miharatsy andro aman’alina aza… Tsy afa-bela amin’ny fangatahana fanampiana any ivelany ny fitondram-panjakana isaky ny mihetsika. Mandra-pahoviana? Inona no ampahatsiahivana sy itanisana ny lasa amin’izao? Mangataka fanampiana ho an’i Madagasikara amin’ireo firenena any ivelany indray izao […]
Par Taratra sur 16/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

“Handray ny fepetra izay tandrify azy ny fitondram-panjakana. Raha misy mihoa-pefy, na avy aiza na avy aiza izy ao amin’ny antokon-draharaham-panjakana: handray fepetra hentitra ny fitondram-panjakana momba an’izay. Mahazo matoky an’izay ny vahoaka.“ Io ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina tany Mahajanga, ny 26 febroary, momba ny fandoroan’ny polisy tanàna tany kaominina Antsakabary, Befandriana Avaratra. Mby aiza? […]
Par Taratra sur 15/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Miroso ihany sa nangina tanteraka ny fanadihadiana mikasika ny “Raharaha Antsakabary Befandriana Avaratra” ? Asa aloha, fa tsy mbola nahazoam-baovao mikasika izany, hatreto ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Teo rahateo ny zava-doza nahazo ny firenena, noho ny fandalovan’ny rivodoza Enawo, ka ndeha atao hoe revo amin’ny fiatrehana ny fanarenana ireo faritra niharam-pahavoazana sy ny fanampiana ireo […]
Par Taratra sur 14/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Nangingina ratsy ny politika talohaloha teo, na niteraka adihevitra be aza ny “Raharaha Befandriana Avaratra“, nandoroan’ny polisy 42 tanàna dimy. Nony nandalo ny rivodoza Enawo, lasa fifandroritana politika ny fanampiana traboina. Raha ny marina, na noho ny fifampitsinjovana amin’ny maha samy Malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana ihany aza: tokony hampiray hina ny fahavoazan’ny vahoaka noho ny […]
Par Taratra sur 13/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Voin-kava-mahatratra: mahavoa ny tena ny fahavoazan’ny hafa eo akaiky, indrindra ny havana. Izay no ifamonjena sy ifanampiana amin’ny loza: vonjy rano vaky, rano tondraka… Nefa saika tsy izay loatra no manesika sy manosika ny sasany manolotra fanampiana amin’izao: takalom-patsa, vidim-pihinanana; dony tapany, handoa erany. Mitsidika ireo traboina sy ny fahavoazana vokatry ny rivodoza, ohatra, ny […]
Par Taratra sur 11/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Taorian’ny haintany, tonga ny orambe sy ny tondra-drano. Valim-piakarana, fidinana? Nefa tsy mba mahatsiaro na misitraka izay fiakarana na fihatsaram-piainana ny vahoaka hatramin’izay, raha amin’izao fitondrana izao fotsiny, ohatra. Fiakaran’ny vidim-piainana no mibahan-toerana sy zakaina. Eo koa ny fiakaran’ny hatezeram-bahoaka noho ny afitsoky ny mpitondra: tsy hita izay tena vita amin’ny fiainam-bahoaka, famotehana aza. Anisan’ny […]
Par Taratra sur 10/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Tsy mihoatra ny folo aloha ny isan’ny maty tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo, namakivaky an’i Madagasikara, ny 7-10 marsa. Tsy misy maniry ny hitomboan’izany isan’ny maty izany. Efa tafakatra iray alina mahery ny isan’ny traboina noho ny tondra-drano; fianjeran’ny trano, hazo… Amin’izany, ny voin-kava-mahatratra. Andraikitry ny rehetra ny mifanome tanana, araka izay tandrify azy avy. Na […]
Par Taratra sur 08/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Izay tokoa ilay teny filamatry ny BNGRC, “izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ny loza”. Manampy ny traboina araka izay eo am-pelantanany ity rafi-panjakana ity. Fanampiana fe fanampiana ihany ny azy fa tsy afaka miantoka ny fiveloman’ny tsirairay. Midika izany fa miady irery araka izay tandrify azy ny isan-tokantrano, rehefa tonga ny antambo. Koa, ho sarotra […]
Par Taratra sur 07/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Noho ny tsy fahamatorana, kitsapatsapa lava, kitoatoa, tsy fahombiazana, tsy fahamarinan-toerana… Tsy hita intsony izay ilazana azy. Tsy mijanona ny karazam-pitakiana sy fangatahana: fametraham-pialana, tsy firotsahan-kofidina, tsy fanilihana kandidà, fifidianana alohan’ny fotoana… Toa tsy misy hita afa-tsy ny lafiratsiny amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fandio iray siny aza, tsy mahaleo ny fandoto eran-tandroka. Vao mainka raha be […]
Par Taratra sur 06/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Tsy hita ihany izy ity. Lazain’ny praiminisitra indray fa hoe tsy misy ifandraisany amin’ilay ”Raharaha Befandriana Avaratra” nahoraka sy nipoaka be teto amin’ny firenena iny ny nanalana ny minisitry ny Filaminana anatiny sy ny nanoloana azy ”. Rehefa tsy noho iny ”Raharaha Befandriana Avaratra” iny àry, inona indray izany ny antony ? Nambarany fa hoe […]
Par Taratra sur 04/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Nimasoan’ny fitondrana nandritra izay telo taona izay ny famafisam-pahefana, ny fitoniana politika… Tsy hita izay hoe fanovana amin’ny fanarenam-pirenena, fanatsarana ny fiainam-bahoaka, fampandrosoana… Vao mainka miharatsy andro aman’alina aza ny raharaha: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fanjarian-tsakafo… Tonga amin’ny valim-piakarana? Fidinana amin’izay noho ny fisian’ny tsimatimanota jerem-potsiny, ny kolikoky avo lenta, ny kiantranoantrano lava… Eo […]
Par Taratra sur 03/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Resabe hatrany ny momba ny fitsaram-bahoaka, indrindra ny amin’ny nafitsoky ny polisy tany Befandriana Avaratra. Ny marina, marina ihany. Kibo mitsara tena amin’ny ataony ny tsirairay. Na ahoana na ahoana, tsy hita intsony izay hoe fanjakana tan-dalàna. Mbola misy izay hoe fanjakana? Maro ny mety anton’ny fitsaram-bahoaka, odian-tsy tenenina sy tsy hita: tsy fanarahan-dalàna, fa […]
Par Taratra sur 02/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Marary ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Tsy mila mitady ohatra lavitra fa izay notaterin’ny haino aman-jery tato ho ato ihany dia ampy hanaporofoana izany. Nivoaka ny antontan’isa fa maro lotra ny reny bevohoka maty eo am-piterahana. Valin-kafatra avy amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera ny hoe “hisy fanadihadiana hatao eny ifotony”… Tena ny fanaovana fanadihadiana […]
Par Taratra sur 01/03/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Halaim-panahy ny mpandinika sasany ka nanontany tena fa sao mba io anarana « Malagasy » io tokoa aza no tsy sahaza ny mponin’ity Nosy ity ka mahatonga izao fahantrana eo ambony harena izao? Raha ny fanadihadiana nataon’ireo manampahaizana ireo tokoa, vao haingana ihany ny nipoiran’io anarana iombonan’ny mponina eto Madagasikara io. Ho an’ny mpikaroka hafa, manana ny antom-piforonana […]
Par Taratra sur 28/02/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Miakatra manaraka ny mari-pana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Mafana, tena mahamay mihitsy aza ny toetr’andro. Miakatra ihany koa ny mari-pana eo amin’ny firohotan’ny hatezeram-bahoaka, manaporofo ny tsy fahatokisana ny fanjakana, indrindra ny fitsarana eto Madagasikara. Mitroatra ary mandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny olona rehefa misy zavatra hitany sy tsapany fa manohintohina ny fiarahamonina. Hiaka […]
Par Taratra sur 27/02/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Fahendrena tsotra izao ny miala. Efa nametra-pialana ny mpitondra na tompon’andraikitra iray any amin’ny firenena any ivelany raha tratry ny tranga tahaka ny any Antsakabary, Befandriana Avaratra. Tsy niala ilany, araka ny fitenenana, na miaro tena sy mbola namikitra amin’ny seza rehefa hita fa tsy nahomby na efa isehoana faty olona sy doro tanàna tahaka […]
Par Taratra sur 25/02/2017
Edito Taratra, NS Malagasy

Inona ny marina ny amin’ny fandoroana tanàna vitsivitsy tany Befandriana Avaratra? Nandalo ny polisy, ka may ny tanàna. Tamin’ny fitsaram-bahoaka nahazo ireo polisy roa lahy tany Antsakabary Befandriana: tsy tanàna may, tsy vohitra firehitra. Nony nandalo ny polisy, nisy adala nahamay ny tanàna. Tsy fantatra tsinona ny marina, na fantatra fa iniana disoina. Samy manana […]