Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Dondrona, kentrina… «adala»

Dondrona, kentrina… «adala»

Tsy hita ihany izy ity. Lazain’ny praiminisitra indray fa hoe tsy misy ifandraisany amin’ilay ”Raharaha Befandriana Avaratra” nahoraka sy nipoaka be teto amin’ny firenena iny ny nanalana ny minisitry ny Filaminana anatiny sy ny nanoloana azy ”. Rehefa tsy noho iny ”Raharaha Befandriana Avaratra” iny àry, inona indray izany ny antony ?  Nambarany fa hoe […]

Valim-piakarana izao: fidinana amin’izay…

Valim-piakarana izao: fidinana amin’izay…

Nimasoan’ny fitondrana nandritra izay telo taona izay ny famafisam-pahefana, ny fitoniana politika… Tsy hita izay hoe fanovana amin’ny fanarenam-pirenena, fanatsarana ny fiainam-bahoaka, fampandrosoana… Vao mainka miharatsy  andro aman’alina aza ny raharaha: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fanjarian-tsakafo… Tonga amin’ny valim-piakarana? Fidinana amin’izay noho ny fisian’ny tsimatimanota jerem-potsiny, ny kolikoky avo lenta, ny kiantranoantrano lava… Eo […]

Tsy tan-dalàna, fa tsy mahatam-po…

Tsy tan-dalàna, fa tsy mahatam-po…

Resabe hatrany ny momba ny fitsaram-bahoaka, indrindra ny amin’ny nafitsoky ny polisy tany Befandriana Avaratra. Ny marina, marina ihany. Kibo mitsara tena amin’ny ataony ny tsirairay. Na ahoana na ahoana, tsy hita intsony izay hoe fanjakana tan-dalàna. Mbola misy izay hoe fanjakana? Maro ny mety anton’ny fitsaram-bahoaka, odian-tsy tenenina sy tsy hita: tsy fanarahan-dalàna, fa […]

Fanadihadiana ifotony ?

Fanadihadiana ifotony ?

Marary ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Tsy mila mitady ohatra lavitra fa izay notaterin’ny haino aman-jery tato ho ato ihany dia ampy hanaporofoana izany. Nivoaka ny antontan’isa fa maro lotra ny reny bevohoka maty eo am-piterahana. Valin-kafatra avy amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera ny hoe “hisy fanadihadiana hatao eny ifotony”… Tena ny fanaovana fanadihadiana […]

Ho anaran-tsy very ve sisa ny « Malagasy » ?

Ho anaran-tsy very ve sisa ny « Malagasy » ?

Halaim-panahy ny mpandinika sasany ka nanontany tena fa sao mba io anarana « Malagasy » io tokoa aza no tsy sahaza ny mponin’ity Nosy ity ka mahatonga izao fahantrana eo ambony harena izao? Raha ny fanadihadiana nataon’ireo manampahaizana ireo tokoa, vao haingana ihany ny nipoiran’io anarana iombonan’ny mponina eto Madagasikara io. Ho an’ny mpikaroka hafa, manana ny antom-piforonana […]

Mafana, maharomotra

Mafana, maharomotra

Miakatra manaraka ny mari-pana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Mafana, tena mahamay mihitsy aza ny toetr’andro. Miakatra ihany koa ny mari-pana eo amin’ny firohotan’ny hatezeram-bahoaka, manaporofo ny tsy fahatokisana ny fanjakana, indrindra ny fitsarana eto Madagasikara. Mitroatra ary mandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny olona rehefa misy zavatra hitany sy tsapany fa manohintohina ny fiarahamonina. Hiaka […]

Fahendrena ny miala…

Fahendrena ny miala…

Fahendrena tsotra izao ny miala. Efa nametra-pialana ny mpitondra na tompon’andraikitra iray any amin’ny firenena any ivelany raha tratry ny tranga tahaka ny any Antsakabary, Befandriana Avaratra. Tsy niala ilany, araka ny fitenenana, na miaro tena sy mbola namikitra amin’ny seza rehefa hita fa tsy nahomby na efa isehoana faty olona sy doro tanàna tahaka […]

Tsy mifampitsaratsara, fa tsarain’ny atao…

Tsy mifampitsaratsara, fa tsarain’ny atao…

Inona ny marina ny amin’ny fandoroana tanàna vitsivitsy tany Befandriana Avaratra? Nandalo ny polisy, ka may ny tanàna. Tamin’ny fitsaram-bahoaka nahazo ireo polisy roa lahy tany Antsakabary Befandriana: tsy tanàna may, tsy vohitra firehitra. Nony nandalo ny polisy, nisy adala nahamay ny tanàna. Tsy fantatra tsinona ny marina, na fantatra fa iniana disoina. Samy manana […]

Tsy mahovoka

Tsy mahovoka

Olon’ny asa ny ben’ny Tanàna eto Antananarivo ka tsy handany andro hifanasa vangy eny amin’ireo adihevitra nokarakarain’ny fahitalavitra nandritra ny fifidianana ho ben’ny Tanàna. Ny adihevitra mivantana, hifandonan’ireo kandida, nefa fomba iray fanao tokoa amin’ny tany demokratika. Raha ny zava-misy aloha hatreto, tsy nisy asa nivaingana vita. Ny fandaminana ny tsena ohatra tsy mety vita […]

Mila porofoina fa miasa ny mpitondra

Mila porofoina fa miasa ny mpitondra

Fahamarinan-toerana sy fitoniana politika no hoe nimasoan’ny mpitondra nandritra izay roa na telo taona izay. Porofon’izany ny tahotra fadiranovana fanakorontanana sy fanonganam-panjakana izay mihetsika rehetra. Mby aiza? Tsy efa tsy misy mpanelingelina ve izao? Tsy mahita ravin’avaratra na mahazo avara-patana tsinona ny mpanohitra, na misy toerana ho azy aza eny anivon’ny Antenimiera. Efa vita koa […]

Mora manadino…

Mora manadino…

 Very anjavony sy vitavita ho azy avokoa ary hadino ny zava-misy eto amin’ny firenena. Matory sy miesona am-pitoerana avokoa ny rehetra. « Mora manadino ny vahoaka malagasy », hoy ilay raikalahy taloha. Tsy misy tohiny ilay volamena sarona teny Ivato, ny volana septambra tamin’ny taon-dasa, milanja 24 kilao. Ilay tanora irakiraka no tratra farany. Tahaka izany koa […]

Mora ny an’ny hafa, rehefa hay ny an’ny tena…

Mora ny an’ny hafa, rehefa hay ny an’ny tena…

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny ny 21 febroary. Heverina ho hay ho azy sy mandeha ho azy amin’izao ny tenin-drazana, hany ka manao rebik’ondry amin’ny fianarana teny vahiny ny taranaka ankehitriny. Fahazoana mifandray amin’ny hafa ny teny, mandranto ny fahaizana amam-pahalalana, mora hahitana asa, tsy mahavery mandeha… Misy mihevitra ho tombondahim-pahamboniana… mbamin’ny tsy fahaizana tenin-dreny. […]

Fitondrana « intelligent »

Fitondrana « intelligent »

«Intelligent». Tao anatin’ny andro vitsivitsy, re niverimberina io teny frantsay io. “Kaontera intelligent”. Kaonteran’ny Jirama angaha izy izany. Farany teo, ilay fiarabe vaovao fitateram-bahoaka vao naseho sy nampahafantarin’ny fanjakana, teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, ny faran’ny herinandro teo. Asa, inona indray ny manaraka eo. Fa rehefa maninona na manao ahoana tokoa moa ny olona na zavatra iray […]

Tsy tohinina mifanafintohina…

Tsy tohinina mifanafintohina…

Mipaka hatrany amin’ny taolana ny fahasahiranana. Kizitim-belona ny maro, mora tohina na tafintohina. Tsy hita tsinona izay maha izy azy ny tena? Hany ka raha vao misy sehatra na fotoana na trangan-javatra ahazoana miteny sy mihetsika, mivoaka ho azy avy hatrany ny alahelo, hatezerana, fahasiahana… Efa mby amin’izay tsy zaka sy tsy azo leferina ny […]

Miandry fitsaram-bahoaka

Miandry fitsaram-bahoaka

Mbola tantara lavabe manaraka ny arabe ity resaka fitsaram-bahoaka ity eto amintsika. Nilaza ny avy amin’ny polisim-pirenena, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, fa tsy manaraka lalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka eto amintsika. “Vonona ny hiady amin’izany ny polisy”, hoy izy, saingy mila mitandrina mba tsy avy amin’izy ireo indray no hahatonga ny olona hanao fitsaram-bahoaka. Tsy […]

Beazina hirefarefa amin’ny tany !

Beazina hirefarefa amin’ny tany !

Na inona lazaina, na inona ambara, tsy mahazo ny fanabeazana sahaza azy ny zaza malagasy. Tsy vao izao fa efa niaina ampolo taona maro ao anatin’io tranga io ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara. Tamin’ny andron’ny fanjanahantany, nampianarina mba ho mpanatanteraka baikom-bahiny ny zaza malagasy. Noferana mafy ny fahalalana natolotra azy ireo tamin’izany… Taona […]

Miasa andro aman’alina, hono…

Miasa andro aman’alina, hono…

Miasa andro aman’alina, hono, rey olona, izao fitondrana izao amin’ny fanafoanana ny delestazy. Atao hoe “hono” ny resaka, na vava tsy ambina aza: efa impiry izay fanamby sy fampanantenana izay? Izay manisa indray no reraka, fa tsy izay milela-molotra isaky ny miteny. Tena mba miasa andro aman’alina tokoa ve izao fitondrana izao? Na marina izay […]

Valin’ny natao

Valin’ny natao

Dedaka sy mizahozaho ny mpitondra fanjakana rehefa avy nampidi-trosa ny firenena tany Paris ny 1 desambra lasa teo. Nahazo 6,4 miliara dolara hono izy ireo ka azo antoka fa taon’ny fisandratana tokoa ity taona vaovao 2017 ity. Inona anefa ny teo. Ny tsy fahampian’ny orana aty afovoan-tany, Alaotra-Mangoro ary Marovoay tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny […]

Tsy laitran’ny balan’ny fampitandremana

Tsy laitran’ny balan’ny fampitandremana

Mbola ny fitroaran’ny vahoaka vokatr’ity delestazy lavareny sy mahery vaika saika manerana ny faritra maro ity ihany izao no vaovao mitana ny sain’ny maro. Ireny nitranga teny Anosimasina hatreny Andohatapenaka, afakomaly alina, miampy izay efa natomboky ny  mpianatr’i Vontovorona, ny faran’ny herinandro teo ireny no manamafy fa efa tsy zakan’ny rehetra intsony ny zava-miseho. Niavaka […]

Miandry apoaka fa tsy misy apoaka…

Miandry apoaka fa tsy misy apoaka…

Mbola ny fahasahiranam-bahoaka. Efa ho lava, mandreraka, mankaleo… Nefa tsy maintsy dridran’Ingilo ny raharaha na ny fanairana sy fitenenana ny amin’izany. Rangilo, hono, no nanana fery tsy mety sitrana nentiny maty. Efa izao ny fahasahiranam-bahoaka, mbola mandrimandry sy miandriandry manana aretina ihany ny mpitondra. Tsy misy apoaka? Na mitana sy manabe takolaka… Toa vitavita sy […]

Montsana ny zava-bita ratsy indrindra

Montsana ny zava-bita ratsy indrindra

Tsy nisy ohatr’ity hatramin’izay ! Manerana ny Nosy ny delestazy sady maharitra ny faharetany. Novesaran’ny fahasimban’ny fitaovana “transformateurs”, tsy nahafahan’ny mpianatra eny Vontovorona mandranto fahalalana, nametraka tanaty aizina mangitsokitsoka ny mponin’Itaosy nandritra ny andro maromaro. Miandry koa ny eny Ambohipo sy ny toeran-kafa. Tsy ho voatatitra eto ny fitenenana mahalaza azy, “efa tsy rariny intsony e”, […]

Ny aza mba marary ihany…

Ny aza mba marary ihany…

Izay nanao fampielezan-kevitra, samy nidradradradra avokoa fa laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka. Izay rehetra nandray fahefana kosa, toa nanana laharam-pahamehana hafa, ka nanadinodino izany. Ny zava-misy mantsy, tena marary ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy. Tsy hitan’ny salama sy ny manan-katao hoentina eny amin’ny toeram-pitsaboana handoavam-bola  izany. Fangirifiriana kosa ho an’ireo mitsabo ny havany eny amin’ny hopitalim-bahoaka. […]

Mihakizo fara hatrany ny raharaha…

Mihakizo fara hatrany ny raharaha…

Tsy ahita-mangirana ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny fiainam-bahoaka. Mbola mba misy ihany ny fanantenana na tsy fanariana toky? Sanatria, tsy hoe faly sy mionona amin’ny fitanisana fahavoazana sy izay tsy mety. Mila tomorina akaiky ny raharaha, itadiavam-bahaolana haingana sy azo antoka ary maharitra. Tamin’ny taon-dasa, efa samy nampiaka-peo ho fanairana ny isan-tsehatra: firaisamonina sivily, mpanao politika, […]

Miaka-midina

Miaka-midina

Araka ny vinavinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro, hiato indray ny orana eto an-dRenivohitra, raha manatona tsikelikely ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ilay andro ratsy Carlos. Toa mifanipaka ireo na samy eto Madagasikara ihany aza, nefa azo itarafana ny zava-misy sasany koa. Niakatra ny vidin-tsolika, tsy hamantarana intsony ny fomba fanapahan-kevitry ny fanjakana, fa nampidina sahady ny […]

Atao izay tsy hisian’ny korontana fotsiny…

Atao izay tsy hisian’ny korontana fotsiny…

Efa miantsoroka andraikitra ny mpitondra amin’izao fahasahiranam-bahoaka manao tsy omby aloha izao? Ny efa tsy afaka; ny tonga, tonga ihany. Ny vokany no aoka hitsara izay ny amin’ny tsy fandriampahalemana, delestazy, fidangan’ny vidim-piainana, fitsaram-bahoaka, tsy fanjarian-tsakafo, haintany… Efa tsy mihetsika sy tsy miteny ny vahoaka: miaritra fotsiny. Miteny, tsy henoina; raha mihetsika, darohana amin’ny herim-pamoretana. […]