Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Tsimatimanota… mahamaty maty tsy manota vahoaka

Tsimatimanota… mahamaty maty tsy manota vahoaka

Zandary 34 no hoe efa naiditra am-ponja noho ny fandikan-dalàna, firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo, tafiditra amin’ny fakana an-keriny… 34 kosa ireo miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana herisetra sy vono olona, fanolanana, tsy fanajana zon’olombelona… Inona na ahoana koa ny manaraka? Tsy vaovao amin’ny toy izany, ohatra, ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsaroana ny namonoan’ny polisy […]

Mila fiovana sy fanovana…

Mila fiovana sy fanovana…

Nivoaka iny ny vokatra vonjimaika ofisialy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Hilamina amin’izay? Andrasana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC)… tompon’ny teny farany. Mandra-pahatonga izay, tsy mahafa-bela ny fitakiana etsy sy eroa: fanafoanana voka-pifidianana amin’ny ampahany na manontolo, fanalana an-daharana ny kandidà izao na izatsy… Hanao ahoana? Hatramin’ny mialoha ny tena fampielezan-kevitra, tsy […]

Lany tsy ara-dalàna… hanao lalàna  

Lany tsy ara-dalàna… hanao lalàna  

Hanao ahoana ihany ny ho vokatry ny fifidianana solombavambahoaka? Havoakan’ny Ceni,  anio, ny voka-pifidianana vonjimaika ofisialy. Efa azo tombanana sahady izay hahazo ny maro anisa. Na izany aza, mbola mahavalalanina sy mahafanina ny amin’ny fanoherana voka-pifidianana etsy sy eroa hoe noho ny fisian’ny raharaha tsy ara-dalàna: hosoka, hala-bato, kolikoly… Amin’izany, andrasana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny […]

Endrika ivelany!     

Endrika ivelany!     

Mamerina an-jambany ny hadisoan’ny teo aloha hatrany isika eto. Tsy ny mpitantana ambony ihany fa hatreny ifotony, samy tratran’izany. Miseho amin’ny endrika ivelany sy mandalo fotsiny fa tsy maharitra. Taitaitra ambony ihany… fa ho avy ny fety. Hanao be fiavy ny vahiny.  Ho tonga koa ny avy any amin’ny Fiketrahana masina… Ny zava-misy anefa, efa […]

Alefa… Sosialy

Alefa… Sosialy

Alefa Barea ! Izany  ny malaza izao ankoatra ny resaka politika, momba ny voka-pifidianana sy  ny hetsi-panoherana samihafa na  koa fitoriana efa mandeha eny Ambohidahy na  eny  Alarobia… Efa lasa any Maraoka hanoman-tena ny ekipantsika, mialoha  ny lalao any Ejypta. Fotoana  izao ilana ny fanohanana tsy misy fepetra ny Barea mba tsy ho valalan’amboa sanatria. […]

Mandra-pitrangan’izay hitranga…   

Mandra-pitrangan’izay hitranga…   

Andrasana amin’ny faran’ity herinandro ity ny voka-pifidianana vonjimaika havoakan’ny Ceni. Na tsy hivoaka aza ny anaran’ireo kandidà 151 voafidy ho solombavambahoaka, azo fantarina izay ho eny amin’ny Antenimierampirenena. Na tamin’ny namoahan’ny Ceni ny fironana amin’ny voka-pifidianana aza, efa azo tombanana izany. Mandra-pitrangan’izay hitranga, miseholany ny fanoherana ny voka-pifidianana etsy sy eroa. Efa nisy aza ny […]

Mila amakiana ady ny fahalovana…

Mila amakiana ady ny fahalovana…

Vita iny Pentekosta… Samy nanao izay efany sy afany ny tsirairay, ny fianakaviana, ny fikambanana… Fisentoana kely. Nefa mba misy tokoa ve ny fiovana anaty, raha eo tokoa ny hoe fandraisana na fampitombona ny Fanahy Masina ao amin’ny tena? Mila fiovana sy fanovana izao fiainana izao. Ny tsirairay ihany no antony. Mby aiza, ohatra, ny […]

Mba hirotsaka amin’izay ny fiovana sy fanovana…

Mba hirotsaka amin’izay ny fiovana sy fanovana…

Pentekosta indray… Toy ny isan-taona, fahatsiarovana ny nirotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apostoly mpianatr’i Kristy. “Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’i Jodia mbamin’i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Asa 1: 8, Diem). Aina ny Fanahy Masina, hery, hetsika… Mitondra ho amin’ny fanaovana ny tsara […]

Tsara, saingy…

Tsara, saingy…

Ao anatin’ny fanovana tanteraka ny fitondram-panjakana, amin’izao fotoana izao. Raha ny marina, miankina amin’ny toe-tsaina ny zava-drehetra. Mba hisian’ny filaminana eny an-dalambe, any anaty fiarahamonina, any anaty fiara fitateram-bahoaka, sns, tokony ho samy tompon’andraikitra ny tsirairay ary tokony handeha ho azy ny fanajana ny lalàna velona. Io toe-tsaina io mihitsy anefa no niova sy potika, […]

Mitranga mihemotra!

Mitranga mihemotra!

Tsy kilalao fa raharaham-pirenena ity ka tsy tokony hanaovana andranandrana sy tsy handraisana fanapahan-kevitra hentitra. Tsy sanatria lelon-jaza ka mitranga mihemotra isaky ny hanao zavatra… Nampiroaroa ny sain’ny besinimaro ny fanapahan-kevitra na koa ny  resaky ny mpitondra fanjakana tato ho ato. Santionany ary anisan’ny mbola resabe hatramin’ny fiandohan’ny herinandro ka hatry ny omaly ny momba […]

Tsy miverina fa maka faka!

Tsy miverina fa maka faka!

Somary mampangidihidy ireo zatra miresaka « fandrosoana sy fanatontoloana » ny fahahenoana ny teny hoe « miverina ». Manahy mafy mantsy izy ireny sao manao salaka indray, hono, ny Malagasy kanefa efa nilaozan’ny toetrandro izany. Ahiahy tsy mitombina satria io fiheveran-dry zareo ny atao hoe « miverina » io mihitsy no diso na fanahy iniana disoina. Tahaka izany ihany koa ny […]

Dahalo ambony sy ambany latabatra…

Dahalo ambony sy ambany latabatra…

Niaiky ny eo anivon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy fa misy ny dahalo ambony latabatra. Anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ny ady amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana izay? Matanjaka be ny dahalo ambony latabatra, misy tambajotra saika amin’ny sehatra sy ambaratonga samihafa: mifampiaro, mifanafin-keloka… Tsy iza na tsy aiza izay hoe dahalo ambony latabatra izay fa ireo mihevi-tena […]

Tsy adala ny vahoaka… efa naneho ny safidiny

Tsy adala ny vahoaka… efa naneho ny safidiny

Mahabe adihevitra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana depiote teo. Tsy nampoizina? Na sambany eo amin’ny tantara… Ny Antony? Samy manana ny filazany. Amin’izany, tsy firy ny manome lanja sy ny mandika fa efa fanehoan-kevitra ny tsy fandehanana mifidy: safidy. Misy antony fototra sy lehibe ao, matoa nitovitovy fihetsika sy fijery ny maro anisa manerana an’i […]

Resabe… !

Resabe… !

Iza indray ny antoko na vondron’antoko hahazo ny maro an’isa etsy Tsimbazaza ?  Izany izao no mitana ny sain’ny maro na dia vitsy dia vitsy aza ireo tonga nifidy, ny alatsinainy teo. Mazava aloha ny resaka eto e. Leo sy tofoka ireo mpanao politika ny vahoaka. Inona moa no ataony eo fa dia mitady foana izay […]

Depioten’i Madagasikara

Depioten’i Madagasikara

Havoakan’ny Ceni afaka 15 andro ny voka-pifidianana vonjimaika ho solombavambahoaka, hamarinin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), mialoha ny hamoahany ny vokatra ofisialy. Na izany aza, manomboka hita soritra sahady ny ho mpandresy, satria fifidianana eny ifotony, isaky ny disitrika, ny ho solombavambahoaka, fa tsy faobe toy ny ho filoham-pirenena. Midika izany, fa efa fantapantatra […]

Tsy mbola vita eo, fa ho hita eo…

Tsy mbola vita eo, fa ho hita eo…

Vita iny ny latsa-bato, na ambany be aza ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Nizotra ihany… Eny, na teo aza ny fanahiana na fanahy iniana tetsy sy teroa: fahadisoana na tsy fahatombanana. “Indro kely”, mety ho “indro be” ho an’ny sasany fa nitera-pahavoazana na fatiantoka aza. Tanàna tsy ilaozan’adala, olombelona tsy ialam-pahadisoana. Tratra aoriana ny fanombohan’ny fandatsaham-bato tamin’ny […]

Safidy… tomponandraikitra

Safidy… tomponandraikitra

Tsy didy fa safidy ny mifidy. Marina izany. Mby aiza amin’izao? Efa misy fivoarana ve ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara? Manomboka amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izany, mandalo amin’ny fampielezan-kevitra, ny fandatsahana sy ny fanisam-bato, ny fanangonana sy ny famoaham-bokatra… Eo ny tsirairay mitsara: mahita sy mijery ny zava-misy hatrany ifotony, mandinika sy […]

Tsy hita izay tena foto-dresaka… fanaovan-dalàna

Tsy hita izay tena foto-dresaka… fanaovan-dalàna

Hifarana ny fampielezan-kevitra. Inona ny fiantraikany amin’ny mpifidy any ifotony? Samy mitsara tena ny tsirairay. Tsy ny amin’izay ho voka-pifidianana loatra fa ny tena foto-dresaka nandritra izay fampielezan-kevitra izay. Saika tsy hita loatra izay tena adihevitra, foto-dresaka… Niaraha-nahita ary nampanongo tena ireo mahalala: nibahan-toerana ny fihetsiketsehana ivelany: fanaovana fampisehoana, asa soa…Tena mahalala ny asany ve […]

Hadinonareo ny Barean’i Madagasikara

Hadinonareo ny Barean’i Madagasikara

Afaka dimy andro, hanatanteraka ny fifidianana solombavambahoaka ny Malagasy. Ekena fa zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny firenena izany, saingy toa tsy asian’ny vahoaka lanjany loatra raha mitaha amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2019”, izany. Iray volana anio tokoa mantsy no hiditra an-tsehatra amin’izany ny Barean’i Madagasikara, voalohany eo amin’ny tantaran’ny baolina […]

Mahaiza mifidy !

Mahaiza mifidy !

Zo sy adidin’ny olom-pirenena ny mifidy. Toy izany koa ny fifanentanana mba samy tsy ho diso anjara amin’izany. Raha vinavinaina ho ambany kokoa no ho ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ity 27 mey ity, tsy fahadisoana ny mampahatsiahy fa hiankinan’ny fizotry ny fitantanana ny firenena sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. […]

Ady mahamay

Ady mahamay

Rehefa manakaiky ilay andro hifidianana solombavambahoaka, toa miakatra ny maripana politika. Ny Vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana moa tsy nitsahatra namoaka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo kandidà. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fametahana afisy etsy sy eroa, ny fifanebahana eo amin’ny samy mpifaninana sy ny ompa manerana ny tambajotran- serasera. Ny azo antoka aloha hatreto dia […]

Tsy fandriampahalemana hafa koa…

Tsy fandriampahalemana hafa koa…

Tsy azo lavina, iaraha-mahita izao: misy ny ezaky ny fitondram-panjakana hamerina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana. Na an-tanàn-dehibe io, na ambanivohitra, na amin’ny lalam-pirenena… Na izany aza, be hatrany ny mbola miandry no ho ny kely natomboka. Mbola tsy mandry ny tany. Nahoana? Na ahoana na ahoana aloha, misy ihany ny asan-jiolahy etsy sy eroa. Ao […]

Tsy ny hadalan’ny maro no fahendrena…

Tsy ny hadalan’ny maro no fahendrena…

Ahoana ihany izy ity? Tsy inona fa ny amin’ny tsy fanarahan-dalàna amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao. Misy ny antoko na kandidà sasany mampiaka-peo sy velon-taraina amin’izany. Fa ahoana? Misy, hono, ny mampiasa fahefam-panjakana, fitaovam-panjakana… Aiza ny hoe tany sy ny fanjakana tan-dalàna amin’izany? Ireo izay mifanala hazakazaka ho mpanao lalàna izao no tsy tan-dalàna. […]

Resa-bola…

Resa-bola…

Iandrasana ny eny Ambohidahy ny fanapahana farany momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ity taona ity. Tena tsy nandry andro aman’alina ny fitondrana nandrafitra azy iny hatramin’ny herinandro teo no ho mankaty. Araka izany anarany izany, tetehina sy fariparitana ny vola amin’ny fitsinjarana azy, arakaraka ny fandaharanasa na ny fandaniana. Resaka teknika lalina sy ilana fandinihana […]

Toe-tsaina mahantra

Toe-tsaina mahantra

Mahavariana ihany indraindray ! Anisan’ny firenena dimy farany mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara. Hilaza koa anefa ny Malagasy maherin’ny 25 tapitrisa fa tsy hanaiky ho mahantra ara-tsaina izany, na ny hatramin’ireo tsy nianatra na tsy ampy fahalalana aza. Saingy miaiky ny rehetra fa manjaka ny gaboraraka eto amintsika, tsy ampy ny fanarahan-dalàna sady tsy ampy ny […]