Par Taratra sur 17/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola momba ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany izao. Mandra-pahoviana? Tsy mankaleo, tsy mandreraka, tsy mahakivy. Sarotra ny ady, mihamafy aza. Tsy mitsaha-mitombo isa ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina Coronavirus. Toy izany koa ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny marary mamoy ny ainy… Amin’izany, arakaraka ny ady ny mpiady, ny fitaovam-piadiana, […]
Par Taratra sur 16/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Hanao ahoana ihany? Tsy inona fa izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao: mihamafy ny fiatrehana ity hoe andiany faharoa, mihasarotra ny raharaha, mihalalina ny fahavoazana, mihamitombo isa ny tratran’ny tsimokaretina Coronavirus… Nefa tsy misy resy tsy miady amin’izao. Ady fiady io, tsy maintsy atrehina. Eo ihany izay firongatry ny aretina sy ny hery […]
Par Taratra sur 15/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Ny valanaretina Covid-19 andiany faharoa ve no tena mahery vaika sa ny fitandremam-pahasalamana no malemy paika? Samy marina avokoa izany: mifampiankina, mifanazava… Ny tsy fitandremam-pahasalamana no vao mainka mampahery vaika sy mampahazo vahana ny aretina. Nefa izay hery vaikan’ny aretina izay ve no hampalemy paika ny fitandremam-pahasalamana? Izay no iainana isan’andro amin’izao, fa tsy arakaraka […]
Par Taratra sur 14/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mahery vaika ny valanaretina Covid-19 andiany faharoa na ny karazany avy atsy Afrika Atsimo amin’izao, haingam-pifindra, malaky tonga amin’ny fahasarotana ny marary. Tsy vitan’izay, mamitaka ny aretina. Ao ny marary misy soritr’aretina, nefa tsy ahitana tsimokaretina nony anaovana fitiliana. Na ny mifamadika amin’izay: tsy misy soritr’aretina, nefa mitondra tsimokaretina rehefa anaovana fitiliana. Amin’izany, misaritaka be […]
Par Taratra sur 13/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Raikitra indray izany ny fitokonan’ireo mpitatitra misahana ny zotra nasionaly, tetsy Fasan’ny Karana. Takin’izy ireo amin’izany ny hanokafana ny lalam-pirenena hahafahan’izy ireo miasa. Haparitaka eran’ny faritra rehetra eto Madagasikara ary ve izany ity valanaretina ity? Iaraha-mahalala mantsy ankehitriny fa eto amin’ny faritra Analamanga no ahitana tranga be indrindra ary hitam-poko hitam-pirenena ihany koa fa maro ireo […]
Par Taratra sur 12/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola tsy tazana ny faran’ny tonelina… Tsy hanakiviana akory ny hiresahana izany, na hoe hamendrofendroana sanatria. Hilazana fotsiny ny toe-java-misy marina sy iainantsika rehetra amin’izao fotoana izao. Tena mafy ny ady kanefa tsy mbola misasaka akory… Mbola ho lavidavitra ilay antsoina hoe “pic”, hoy ireo manampahaizana mandinika izany. Midika izany fa tena mila misikim-ponitra ny […]
Par Taratra sur 10/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Tsy mitsaha-mitombo ny fifindran’ny valanaretina eto amin’ny Nosy. Saika ahitana olona mitondra ny tsimokaretina avokoa manerana ny faritra maro. Ny maty vokatr’izany, miakatra hatrany. Raha ny tarehimarika navoakan’ny CCO farany, ny 8 avrily teo,11 ny matin’ity areti-mandoza ity. Ireo aloha no voamarina fa ny any an’elakela-trano any, mbola tsy voaisa. Sarotra ny fandidiana. Anjaran’ny rehetra […]
Par Taratra sur 09/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Vonjy aina ity ! Tsy hoe ririnin-dasa tsy tsaroana fa mafy lavitra no ho ny tamin’ny taon-dasa ity firongatry ny coronavirus ity. Raha tsy hilaza afa-tsy ny eto amin’ny faritra Analamanga fotsiny, efa mirona mankany amin’ny fahakiviana ny rehetra : marary, mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana, fianakavian’ny marary… Irohotana aloha izay azo ifikirana. Izay lazain’i anona nampety azy […]
Par Taratra sur 08/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola resaka momba ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany: tsy maintsy atrehina, tsy azo odian-tsy hita. Mafanafana ratsy ny raharaha amin’izao: tsy mitsaha-mitombo, ohatra, ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny marary mamoy ny ainy… Maro ny antony mety hahatonga izany: ny karazana Covid-19 afrikanina tatsimo […]
Par Taratra sur 07/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mahamenatra, mampalahelo… Mbola misy ihany ny tsy manaiky ny fisian’ny valanaretina Covid-19; eny, na efa ao anatin’ny andiany faharoa mahery vaika aza. Na tsy mahalala ny sasany, na tsy te hahalala. Tsy ampy ny fanazavana? Ao indray ny mody adala na minia adala: aretin’ny firenen-dehibe, hono; aretin’ny mpanankarena. Tonga hatramin’ny hoe aretina politika: fitadiavam-bola, paipaika […]
Par Taratra sur 06/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Raha misy ady an-trano toy inona aza ao amin’ny tokantrano iray, manambatra hery ho azy ny iray trano raha vao misy fahavalo manafika avy ivelany. Tsy ifampiandrasana na ifanentanana inona izany, raha mbola mahatsiaro tena ny tsirairay fa iray trano; eny, na miady toy inona aza. Tsy avela hobaboin’ny fahavalo ny trano iombonana, na horavany […]
Par Taratra sur 03/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Ao anatin’ny fankalazana ny Paska na ny Paka izao: fahatsiarovana ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ho famonjena ho an’izay mino fa Izy no Tompo sy Mpamonjy. Tsy toy ny tamin’ny taon-dasa. Amin’izao, mivoha ny fiangonana. Toy izany koa ny fon’ny tsirairay? Mba tsy ao anatin’ny fihibohana… Misokatra ho an’ny hafa izany; eny, na eo aza […]
Par Taratra sur 02/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Ady tsy ahi-mahatratra izao firongatry ny valanaretina Covid-19 izao? Talohaloha teo, velona ny fiarahaban-tena fa resy tosika ny fahavalo; eny, na tsy mbola fongana tanteraka aza. Izao, mipongatra sy mifongatra tampoka… Nahoana? Efa nampoizina fa mila mahay miaina amin’ny aretina ny tena, raha mbola tsy fongatra tanteraka izany: tsy hita maso, tsy mifidy olona. Tsy […]
Par Taratra sur 01/04/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mafy, sarotra… Tsy vitan’izay, mety ho ela. Sanatria. Iza no mahita? Na mahalala… Tsy inona fa ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany. Mahery vaika ny fisehon’aretina amin’izao andiany faharoa izao, mora sy haingana be ny fifindrany. Izao iaraha-mahita sy iaraha-miaina izao: tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina, saika ho […]
Par Taratra sur 31/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Ady ny fiainana? Amin’izao, manampy ny adim-piainana andavanandro na ny ady amin’ny fahantrana ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. Resahin-dava? Tsy atao mandreraka, tsy mahakivy, tsy mankaleo… Izay mahasoa ny tena no jerena sy atao, izay mahatsara ny rehetra ihany koa. Velon-kifanasoa ny olombelona, hifanome tanana… Efa mafy sy sarotra ny fiatrehana ny ady tamin’ny fihanaky […]
Par Taratra sur 30/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Iza ny ndeha ho sahisahy ratsy amin’izao ka halain-kisahirana, ohatra, na hanao fanahy iniana, na tsy hiraharaha… Tsy inona fa ny amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany: tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra intsony amin’izao. Nahoana? Sarotra be sy mafy be ny ady amin’izao: mahery vaika ny fisehon’ny aretina, haingana be […]
Par Taratra sur 27/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Fahatsiarovana ny faha-74 taon’ny “Raharaha 29 marsa 1947” ny fiandohan’io herinandro io. Hanao ahoana? Tsy toy ny isan-taona aloha ny amin’ity noho ny fiatrehana ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Eny Avaratr’Ambohitsaina ary any Moramanga sy Manakara ihany no hametrahan’ny fitondram-panjakana fehezam-boninkazo, dia izay. Hangina ny hetsika? Na hetsika ao anatin’ny tsy fihetsehana… Hangingina […]
Par Taratra sur 26/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola momba ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany… Tato ho ato izay, tsy mitsaha-mitombo, ohatra, ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina Coronavirus. Toy izany koa ny isan’ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy ny aina… Mandra-pahoviana? Ady tsy vita izao, ady fiady. Izao aza vao tena mafy ny ady. Nahoana? Mihamahery […]
Par Taratra sur 25/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Eo amin’ny ady mivantana mahazatra: ny fanafihana no fiarovantena tsara indrindra. Nahoana? Hita maso ny fahavalo ary ifanandrinana mivantana: raha vao tsy manafika ny tena, tafihiny. Hitany mazava tsinona fa mety matahotra na matoky tena azy, matoa tsy sahy manafika mivantana; eny, na eo aza ny hoe paikady. Na ahoana na ahoana, tsy mba toy […]
Par Taratra sur 24/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola ao anatin’ny ady tanteraka izao. Tsy inona fa ny fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Loza iray, loza roa… Tsy mbola misy ny toy izao? Tsimokaretina tsy hita maso ny Coronavirus, tsy mifidy olona, mamono olona… Na izany aza, tsy mbola fantatra tanteraka ny momba azy sy ny fivoarany na fiovaovany . Tsy lavina, […]
Par Taratra sur 23/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Iaraha-miaina sy iaraha-manaiky: mirongatra ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin’izao fotoana izao, indrindra ho an’ny faritra Analamanga, ohatra. Tsy mitsaha-mitombo isa ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina Coronavirus. Miara-dalana amin’izany ny isan’ny marary ahitana soritr’aretina, ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy ny ainy… Mandra-pahoviana? Tsy vitan’izany, mihamafy no ho ny teo aloha ny […]
Par Taratra sur 22/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Iaraha-miaina sy iaraha-manaiky: mirongatra ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin’izao fotoana izao, indrindra ho an’ny faritra Analamanga, ohatra. Tsy mitsaha-mitombo isa ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina Coronavirus. Miara-dalana amin’izany ny isan’ny marary ahitana soritr’aretina, ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy ny ainy… Mandra-pahoviana? Tsy vitan’izany, mihamafy no ho ny teo aloha ny […]
Par Taratra sur 20/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Mbola ny fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina covid-19 ihany izao… Na ahoana na ahoana, tsy azo odian-tsy hita na hamaivanina. Tena mihamitombo isa hatrany ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina conoravirus amin’izao, indrindra ho an’ny faritany Antananarivo. Toy izany koa ny marary na ahitana soritr’aretina na tsia, ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy […]
Par Taratra sur 19/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

“Maty ny omby”… maty ny mpianatra. Ahoana koa izany? Aleo aloha hazava fa fomba fiteny teny amin’ny oniveriste efa taloha ela tany, hatrany amin’ny Repoblika II, ny hoe “maty ny omby”. Rehefa tonga ny vatsim-pianarana ny mpianatra, “maty ny omby” amin’izay vola voahodinkodina amin’izany: mizara hena ny mpiray tsikombakomba, mpanodindikodina volam-bahoaka amin’ny alalan’ny vatsim-pianaran’ny […]
Par Taratra sur 18/03/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Ambadika politika? Efa mahaza-dratsy ny sasany ny hoe fisian’izay etsy sy eroa. Na inona na inona mitranga sy atao, lazaina na ahina ho misy ambadika politika. Eny, na olana sosialy sy fitakiana sendikaly madiorano izao aza, ohatra, tsaraina ambony ihany na voasoketa ho misy ambadika politika hatrany. Nahoana? Andaniny, raha jerena ny tantaram-pirenena: saika olana […]