Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

EPP Nandihizana : matory an-dakilasy ny mpianatra

Manao antso amin’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny talen’ny EPP Nandihizana, Rajaonarisoa Harilalao. Momba ny sakafo zaraina any an-dakilasy, indray mandeha isan-kerinandro ny sakafo omen’ny tomponandraikitry ny EPP satria izay no zakany. Manomboka ny volana janoary ka hatramin’ny marsa, fotoana maitsoahitra ny fanomezana vary sy laoka ho an’ny mpianatra 142. Tsy misy manapaka mihitsy ny […]

Andrimpanjakana  : lasa fialokalofana politika ny Antenimierandoholona

Andrimpanjakana  : lasa fialokalofana politika ny Antenimierandoholona

Tena hitondra ho amin’ny fahamarinan-toerana sy fitoniana politika ve ny Antenimierandoholona? Misy mahita fa lasa fialokalofana politika… « Fisokafana amin’ny hery politika sy ny hery velona hafa », hoy ny sasany, ny amin’ny  fanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo loholona 21. Nisy minisitra am-perinasa, minisitra teo aloha, mpanao politika, avy amin’ny firaisamonina sivily… « Sarintsarim-pisokafana io », hoy ny hafa. Misy […]

Fantina sy fintina

Vita sonia, omaly teny Alarobia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ceni sy ny TVM/RNM, amin’ny fahafahan’ny mpikarakara fifidianana manao fandaharana maimaim-poana amin’ireo haino aman-jerim-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ireo hetsika fanentanana samihafa momba ny fifidianana. « Hanatsarana ny fomba fanabeazana ny mpifidy izany… Ilaina ny fanakianana ary tsy mora ny manao zavatra », hoy ny filohan’ny Ceni, ny Me Rakotomanana […]

Rakotomanga Eric : « Tsy manana ny ara-drariny ny HVM mandresy ivelany ihany »

Rakotomanga Eric : « Tsy manana ny ara-drariny ny HVM mandresy ivelany ihany »

 Hisy amin’izay ve ny fahamarinan-toerana sy fitoniana politika fa hitsangana ny Antenimierandoholona? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric: « Fandresena ivelany ihany ny an’ny HVM, fa tsy manana ara-drariny ny fahazoana ny maro anisa. » Dinidinika…   Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fifidianana loholona farany teo?    Rakotomanga Eric (-): Tsara ihany […]

Zaka tsara : fahamarinan-toerana sy toetra 

Mety ho marin-toerana izay miovaova lava na tsy marin-toetra? Sarotra ny mitsara zavatra eo am-pihetsiketsehana. Aorian’ny orana no ahitana ny fiakatry ny rano. Hatramin’izao, mitady izay hoe fahamarinan-toerana sy fitoniana politika ny fitondrana? Sarotra sy manahirana ny mitsara, raha tsy tafapetraka sy miasa avokoa ireo andrimpanjakana. Mila mazava sy hentitra amin’izay ny politika, ny tanjona, […]

Leader Fanilo  : « Iray ihany fa tsy mizarazara ny antoko »

Leader Fanilo  : « Iray ihany fa tsy mizarazara ny antoko »

« Aminay, iray ihany ny Leader Fanilo: izahay mijoro eto amin’izao fotoana izao. Efa napetraka amin’ny minisiteran’ny Atitany ny momba izany. Raha misy ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny satan’ny antoko, tsy tokony hisy ny Leader Fanilo hafa. » Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny Leader Fanilo, Randrianambinina Alphonse, teny Antaninarenina, omaly, momba ny fampiatoana ny birao […]

Firenena mihemotra : gisitra amin’ny lafiny angovo i Madagasikara

Firenena mihemotra : gisitra amin’ny lafiny angovo i Madagasikara

 Laharana farany amin’ny lafiny angovo i Madagasikara (189/189). Tsy hampazoto ny mpampiasa vola vahiny ny tranga toy izany. Tsy mitsaha-maizina ny sehatra samihafa eto amintsika. Fotodrafitrasa ilain’ny mponina sy ny fandraharahana ny famokarana angovo sy herinaratra. Araka ny tatitra navoakan’ny Vondrona  eoropeanina (UE), mikasika ny tontolo toekarena eto amintsika, “tsy mamaly ny filàna ahafahana mampandroso […]

Lalana Ambatonakanga-Ambohijatovo : very ny vola nomena izay nanao izany teo aloha

Lalana Ambatonakanga-Ambohijatovo : very ny vola nomena izay nanao izany teo aloha

Vao tamin’ny volana oktobra, novambra 2015  lasa teo, namboarina ny lalana pavé midina avy any Ambatonakanga mihazo eo Ambohijatovo. Ankehitriny anefa, simba sahady io lalana io, very fotsiny ny vola nomena izay orinasa nanao izany teo aloha. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra indray ankehitriny no voatery mandray an-tanana ny fanamboarana azy, famerenana ireo pavé ireo. Araka […]

Trano ao Antsirabe I : maro ny fanorenana tsy nahazoana alalana ara-dalàna

Trano ao Antsirabe I : maro ny fanorenana tsy nahazoana alalana ara-dalàna

« Foana hatreo ny gaboraraka amin’ny fanorenan-trano tsy nahazoana alalana ». Izany no fanambarana nataon’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antsirabe I, Razafindrazaka Ravolalaina, nandritra ny dinik’asa niompana tamin’izany ary natao tao amin’ny tranompokonolona Antsenakely Antsirabe ny herinandro lasa teo. Hita tokoa mantsy hatramin’izay ela izay fa miorina etsy sy eroa ireo trano lehibe sy madinika. Maro amin’izy ireny, […]

Raharaha fakana an-keriny : olona telo hafa indray voasambotra, mpiasan’ny kaominina ny iray

Raharaha fakana an-keriny : olona telo hafa indray voasambotra, mpiasan’ny kaominina ny iray

 Mitombo ihany ny olona voasambotra manodidina ny fakana an-keriny tany Toamasina. Olona telo hafa tratra indray, izay nahitana tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Toamasina. Taorian’ny nampidirana am-ponja ireo olona 10 voarohirohy amin’ilay resaka fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud tany Toamasina, ny volana desambra 2015 lasa teo, olona telo hafa voasambotra ka anisan’izany ny lehilahy iray […]

Anosipatrana : tratran’ny polisy i Voalavo

Anosipatrana : tratran’ny polisy i Voalavo

 Nidoboka am-ponja, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Voalavo sy ny namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy namaky ny trano “salle de jeux” iray eny Ampangabe Anosipatrana, ny zoma 29 janoary 2016 lasa teo. Solosaina sy kojakoja samihafa fampiasa ao amin’ity “salle de jeux” ity no lasan’ireo jiolahy. […]

Ankadievo Alasora : renim-pianakaviana novonoin’ny jiolahy rehefa avy naolana

Ankadievo Alasora : renim-pianakaviana novonoin’ny jiolahy rehefa avy naolana

Mampivarahontsana! Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ireo jiolahy ny renim-pianakaviana 37 taona hita faty teny amin’ny fokontany Ankadievo Alasora, omaly. Naolan’ireo nahavanon-doza izy mialoha ny namonoana azy. Manaporofo izany rahateo ny fizahana nataon’ny dokotera satria nahitana ratra teo amin’ny fivaviany, nahitana vato feno ra ihany koa teo akaikin’ny fatiny. Araka ny fanazavan’ny vadiny, miasa amina […]

Ambatovy : lasibatry ny halatra nikela avo lenta #canada #sherrit #ambatovy

Mandray an-tanana indray ny raharaha halatra nikela an’ny tetikasa Ambatovy, nataona teratany poloney iray, ny zandarimariam-pirenena. Efa voarohirohy tamin’izany raharaha izany mantsy ity olona ity, ny oktobra 2014, saingy navotsotra. Raha tsiahivina, nikela telo kaontenera an’Ambatovy no nisy nangalatra ary nanondrana izany an-tsokosoko tao amin’ny seranan’i Toamasina. Efa nanao ny fanadihadiana momba izany ny tetikasa […]

« Miala ilany »…

« Miala ilany »…

Asa, inona ihany ny mbola andrasan’ny fitondrana tsy hanamboatra ny governemanta na hanolo ireo minisitra tsy mahavita azy amin’izao fotoana izao. Teo aloha teo, nandeha be ny resaka amin’ny hoe tsy maintsy hirosoana ny fanamboarana ny governemanta. Efa tafajoro rahateo koa io ny Antenimierandoholona. Io mantsy ny hoe nandrasana. Izao ka hoe mbola mpisolo toerana […]

Nidiran’ny radaka boka eto amintsika : marefo ny fanaraha-maso eny amin’ny seranan-tsambo

Tsy mazava, hatramin’izao, ny nidiran’ny karazan-tsahona radaka boka eto Madagasikara. Na namoaka ny valin’ny fanadihadiana mikasika ny fahafahana mandringana azy aza ny teknisianina vahiny, tsy misy ny fanazavana antsipiriany ara-teknika sy ara-tsiantifika, ny tena fiaviany, ny isany, afa-tsy ny tombantombana fanononana orinasa telo. Izay eo ihany, fa ny mahavariana, tsy voatonona ny andraikitry ny toerana […]

« Raharaha kidnapping » : mbola tsy hita i Stéphanie, karohina fatratra i Vita Rosine «mpimasy»

« Raharaha kidnapping » : mbola tsy hita i Stéphanie, karohina fatratra i Vita Rosine «mpimasy»

 « Fakana olona an-keriny, fihazonana olona, fanaovana fikambanan-jiolahy, ary firaisana tsikombakomba ». Ireo no anton’ny filazana fikarohana (avis de recherche) an’i Roger Lala Stephanie, ilay vehivavy malaza anisan’ny tafiditra sy voarohirohy ao anatin’ireny « Raharaha kidnapping » tany Toamasina ireny. Roger Lala Stéphanie ny anarany. Teraka tamin’ny 14 aogositra 1975 tao Toamasina, tompon’ny kara-panondrom-pirenena lah. 301 012 004 779, monina ao Mangarivotra […]

Resaky ny mpitsimpona akotry : arahaba fahavaratra

Ela ny ela tafajoro indray ity ny Antenimieran-doholona atao hoe « Sénat ». Nandritra ny Tetezamita moa dia teo ihany izy io fa nomena anarana hafa, CST, toy ny Antenimieram-pirenena izay voahosotra ho CT. Efa mivadika izao ny pejy, fa samy olona voafidy na voatendry araky ny fomba napetraky ny Lalàmpanorenana ny mpikambana ao amin’ireo […]

Niharan-doza tany Toliara… : nafindra aty an-drenivohitra ny fitsaboana an’i Séverin

Niharan-doza tany Toliara… : nafindra aty an-drenivohitra ny fitsaboana an’i Séverin

 Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana any an-toerana anefa, noraisin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ary ny minsiteran’ny Fanatanjahantena ny fampiakarana azy eto an-dRenivohitra sy ny fitsaboana an’ilay mpikatroka kick-boxing, Mamonjisoa Sévérin, ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Mamonjisoa Sévérin. Mpikatroka kick-boxing malagasy, voahosotra tompondaka eran-tany eo amin’ny kick-boxing pro ISKA, ny volana […]

Andrimpanjakana vaovao : misy « sportifa » telo ao amin’ny Antenimierandoholona

Andrimpanjakana vaovao : misy « sportifa » telo ao amin’ny Antenimierandoholona

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny mpanao fanatanjahantena malagasy. Ankoatra ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, misy ihany koa ao amin’ny Antenimierandoholona. Feno tanteraka, ankehitriny, ny lisitra mandrafitra ireo mpikambana ao anatin’ny Antenimierandoholona malagasy. Manana solontena ao anatin’izany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena. Miisa telo mirahalahy izy ireo ka ny […]

Baolina kitra : nampifaninana tao Toliara II ny USAID Mikolo sy ny PSI

Tanjon’ny tetikasa USAID Mikolo miaraka amin’ny PSI Madagascar ny hampihenana ny taham-pahafatesana sy ny tahan’ny tsy fahasalaman’ny zaza. Araka izany, nanao fitsidihana tany Toliara II izy ireo ary nanentana amin’ny tokony hisorohana io taham-pahafatesana sy tsy fahatomombanan’ny fahasalaman’ny zaza io tamin’ireo kaominina efatra (Ankililoaka, Milenaky, Tsianisia, Ankilimalinika). Tamin’izany indrindra no nikarakaran’ny tetikasa USAID Mikolo fifaninanana […]

Bel Avenir : homarihina ny « Alahady sport et music Festival »

Bel Avenir : homarihina ny « Alahady sport et music Festival »

Tsy mijanona eo amin’ny fampialana voly fotsiny fa miroso hatrany amin’ny fifampitaizana ny maha olona mihitsy. Anisan’ny tanjon’ny Bel Avenir amin’ny alalan’ny fanatanterahana hetsika maro izany. Fanaon’ny fikambanana Bel Avenir, any Toliara any, ny manokana alahady iray, isam-bolana, ho an’ny kolontsaina, ny kanto an-dalambe ary ny fanatanjahantena. « Alahady sport et music Festival » no anaran’ity hetsika ity. […]

Basikety : tafajoro ny Tana Shooters Basket-Ball

Basikety : tafajoro ny Tana Shooters Basket-Ball

Tana Shooters Basket-Ball. Tafajoro ary nampahafantarina tamim-pomba ofisialy, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ity klioba sady fikambanana eo amin’ny taranja basikety ity. Tamin’izany ihany koa no nanoloran’ireo mpitantana ny Tana Shooters Basket-Ball na TSBB tarihin’ny filohany, Andriamahenina Patrick, ny “certificat de conformité” azon’izy ireo avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena tamin’ny seksiona Antananarivo Renivohitra sy ny […]

Voatendry ho senatera ny minisitra… : nivaly ny fangatahan’ny mpanakanto

Voatendry ho senatera ny minisitra… : nivaly ny fangatahan’ny mpanakanto

Anisan’ireo voatendry ho loholon’i Madagasikara ny minisitry ny kolontsaina Rasamoelina Brigitte. Tsy nahay nanafina ny hafaliany ireo mpanakanto maromaro, indrindra ireo mpiserasera anatin’ny tambajotra “Facebook”. Tsy ny nanendrena azy ho senatera anefa akory no nahafaly, fa noho ny fangatahan’izy ireo izay nivaly ihany. Ho an’ireo nahatsiaro, anisan’ny nanaovan’ireo mpanakanto antso avo tamin’ny mpitondra fanjakana ny […]

Indray mijery

Hozaraina amin’ny zoma izao ny taratasy fifanarahana momba ny asa eo amin’ny fanjakana (minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena) sy ny mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana ho an’ny andiany faharoa. Ho an’ny Dren Analamanga ao anatin’ny Cisco valo, 1 100 ny fifanarahana atolotra ny mpampianatra eny amin’ny lycée Jules Ferry. Efa naharay ny azy avokoa ny mpampianatra eto amin’ny Cisco Antananarivo […]

Ambohibao : nahazo toeram-pamakiam-boky sy sakafo ny EPP

Ambohibao : nahazo toeram-pamakiam-boky sy sakafo ny EPP

Anisan’ny mampazoto ny ankizy mianatra ny fisian’ny toeram-pisakafoana any an-dakilasy. Ho an’ny EPP Ambohibao, tsy manapaka fianarana mihitsy ary mifindra kilasy avokoa ny mpianatra rehetra satria tsara tohana ara-tsakafo. Katsaka no zaraina isan’andro ho fanampin-tsakafo izay vidiana 100 Ar. « Manome vary maimaimpoana indray mandeha isam-bolana koa ny EPP », hoy ny talen-tsekoly, Roubab Viviane, omaly teny […]