Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Seranan’Ivato: fiofanana avo lenta amin’ny fiarovana

Seranan’Ivato: fiofanana avo lenta amin’ny fiarovana

Nanomboka ny 2 ary hifarana ny 16 avrily ny fiofanana avo lenta, mikasika ny fiarovana ny sivily eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nitarika ny fiofanana ny teknisianina roa lahy frantsay, manampahaizana manokana amin’ny fitiliana sy ny fanalana vanja na baomba milevina na miafina. Miisa 20 ireo nahazo fiofanana, nahitana zandary efatra, polisy efatra,10 ny avy amin’ny Fiaraha_miasa […]

Lalana Ambilobe-Vohemar: ho vita godirao afaka roa taona

Lalana Ambilobe-Vohemar: ho vita godirao afaka roa taona

“Tsy maintsy vita mialoha ny fe-potoam-piasako ity lalana Ambilobe-Vohemar ity”,  hoy ny filoha Rajoelina. Hatao godirao tanteraka ary haharitra roa taona ny asa. Tonga tany Ambilobe, ny asabotsy 13 avrily teo, ny filoha Rajoelina, nijery ny fanombohana ny asa, ny lalana Ambilobe-Vohemar (RN 5A), taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana taty Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Mitentina […]

Basikety – « Jump tournoi »: tompondaka ny Esca Antanimena

Basikety – « Jump tournoi »: tompondaka ny Esca Antanimena

Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ilay fifaninanana eo amin’ny samy kolejy sy lycée, taranja basikety. Nafana vay ny lalao famaranana teo amin’ny fifanandrinan’ny Esca Antanimena sy ny Saint François Xavier. Samy dadany ireto ekipa roa ireto ary nifandimby nampitombo ny isa hatrany am-piandohan’ny lalao. Sahala, 53 no ho 53, ny […]

Urban Trail: 4 000 ny mpihazakazaka  namaly ny antso

Urban Trail: 4 000 ny mpihazakazaka  namaly ny antso

Tontosa, omaly alahady, ny andiany faha-5 amin’ilay fifaninanana hazakazaka, nitondra ny anarana hoe “Urban Trail”. Hetsika nahazoana hatramin’ny 3 500 mpandray anjara, izay tena fahombiazana tokoa ho an’ny mpikarakara, ny Rotary Club Mahamasina. Marihina fa natao indrindra ho fanampiana amin’ny fiadiana amin’ny aretina lefakozatra maneran-tany ity hetsika ity. Efa narotsaka any amin’ny foiben’ny Rotary Club […]

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

  Tontosa, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa, amin’ny Kick-off – «Futsal tournament 2019». Voahosotra ho tompondaka ny UCM (Université catholique de Madagascar), rehefa nandresy ny Imgam, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 6 no ho 4. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisaraka […]

Tsipy kanetibe: vaky ny ady eo amin’ny FMP sy ny federasiona iraisam-pirenena

Tsipy kanetibe: vaky ny ady eo amin’ny FMP sy ny federasiona iraisam-pirenena

Nanao ampamoaka tamin’ny mpanao gazety ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FMP), ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran-dRazafindrainiony Beryl Lala, filohan’ny federasiona malagasy, fa ampy izay ny fotoana hanginana. Nolazainy fa tsy hipetra-potsiny intsony ny tenany sy ny ekipany, amin’ny fanaratsiana sy ny fanasoketana azy ireo ho manao kolikoly sy manimba ny tsipy […]

Rugby – «Top 6 Aroi 2019»: voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny FTM Manjakaray

Rugby – «Top 6 Aroi 2019»: voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny FTM Manjakaray

  Nifarana, omaly alahady tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny andiany faharoa, niadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina “Top 6 Aroi 2019”, taranja rugby. Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboara tamin’ity. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 47 no ho 24, ny Cosfa. Ekipa efa diso mifankalala tsara ny roa tonta. Tsy nihambahamba fa nampiseho avy hatrany […]

Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny

Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny

Nitohy, ny asabotsy sy omaly alahady, ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny Jet Mada Itasy sy ny Fosa Jr Boeny. Azo lazaina fa tratry ny tsy nampoizina ihany ny ekipan’Itasy izay efa […]

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray […]

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Mbola ambentin-dresaky ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019». «Azo atao tsara ny vondrona misy antsika», hoy ireo teknisianina.  -I Debon Jean-François (tale teknika nasionaly) Azo atao tsara, raha ireo mpifanandrina amin’ny Barea ireo fa miankina amin’ny […]

Ceni: “Tsy misy kandidàm-panjakana”

Ceni: “Tsy misy kandidàm-panjakana”

“Manamafy ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara fa tsy maintsy hajaina ny tsy fiandaniana sy ny tsy fitanilan’ny fitondran-draharaham-panjakana. Tsy fiandaniana sy ny tsy fitanilana amina kandidà mirotsaka amin’ny fifidianana izany, na amina hevitra tohanana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, momba ny hoe fisian’ny olom-panjakana manao […]

Rakotomanga Eric: “Mampisavorovoro ny fampielezan-kevitra mialoha”

Rakotomanga Eric: “Mampisavorovoro ny fampielezan-kevitra mialoha”

“Tena tsy mety ny hoe fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana amin’izao, lasa miteraka savorovoro eo amin’ny raharaha tokony hilamina. Tsy maintsy jerena kosa aloha izay tena nahatonga an’izay: ny tsy fanazavan’ny didy aman-dalàna, nohazavain’ny Ceni andaniny; ankilany, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanoranana (HCC).” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, momba ny fisian’ny […]

Filoha Rajoelina tany Ambilobe : “Fotoan’ny fampandrosoana izao”

Filoha Rajoelina tany Ambilobe : “Fotoan’ny fampandrosoana izao”

Aiza ho aiza isika amin’izao? Fotoan’ny fampandrosoana izao, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina tany Ambilobe. “Tsy ny lalana an’Ambilobe sy i Vohémar ihany no zavatra ampanantenaina anareo fa ny lalan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara mihitsy no efa manomboka ankehitriny.” Izay ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny lanonana fanombohana ny fanamboarana  ny lalàm-pirenena RN5 A, mampitohy an’Ambilobe […]

Sarimihetsika: hanamafy ny mahamatihanina ny RFC faha-14

Andro vitsy sisa, higadona ilay fotoana efa nandrasan’ny mpankafy horonantsary malagasy. Tsy inona izany fa ny “Festival Rencontres du film court” (RFC) andiany faha-14, hotanterahina ny 19 hatramin’ny 21 avrily, eto Antananarivo. Hifantoka kokoa amin’ny fanamafisana ny mahamatihanina ireo sehatra asa rehetra mahakasika ny sarimihetsika ity andiany ity. Araka izany, hahazo vahana kokoa, amin’ity andiany […]

Antsahamanitra: nofaranan’ny teatra ny « Eternités… de la Grèce »

Antsahamanitra: nofaranan’ny teatra ny « Eternités… de la Grèce »

« Les Perses » sy « Les sept contre Thèbes ». Ireto teatra roa ireo no nanakatonana ilay hetsika « Eternités… de la Grèce », notontosaina teto Antananarivo nanomboka ny 10 avrily teo. Teatra anisan’ireo tranainy indrindra satria efa tany amin’ny taona 472 talohan’i Jesoa Kristy ny nanoratana ny « Les Perses » raha tany amin’ny taona 467 talohan’i Kristy kosa ny nanehoana […]

« Arts visuels » – « Imaginarium à Abidjan»: mampiranty any Cote d’Ivoire i Idah Razafindrakoto

« Arts visuels » – « Imaginarium à Abidjan»: mampiranty any Cote d’Ivoire i Idah Razafindrakoto

Eo amin’ny tontolon’ny « arts visuels »,  anisan’ny misongadina, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena, i Idah Razafindrakoto. Tanora, teratany malagasy mikirakira sy mandalina momba ny tantara an-tsary. Tafiditra ao anatin’ny mpakanto « carnéttiste » rahateo ihany koa i Ida (anarana amin’ny maha mpanakanto azy). Manatanteraka fampirantiana any Abidjan izy amin’izao volana avrily izao. Ranty nampitondraina […]

Fomba fiasa sy fitantanana: tsy manaiky ny gaboraraka sy ny asa kitoatoa ny fanjakana

Fomba fiasa sy fitantanana: tsy manaiky ny gaboraraka sy ny asa kitoatoa ny fanjakana

Tsy misy toerana ho an’ny gaboraraka izao fitondrana izao. “Ao anatin’ny fanovana isika ary manilika ny tsy mety rehetra. Tsy azo ekena ny gaboraraka fa mamotika ny firenena sy ny vahoaka“, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, tao Analaiva, Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Na tsy mivantana aza, anisan’ny tafiditra ao anatin’izany […]

Fifaninanana ho mpiasam-panjakana: hampiasana “camera de suvreillance” ny ao amin’ny Infa

Fifaninanana ho mpiasam-panjakana: hampiasana “camera de suvreillance” ny ao amin’ny Infa

Tsy ny sehatra hafa ihany. Vonona amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa. Hampiasana “camera de suvreillance” ny ao amin’ny Infa… Vaky ny ady amin’ny kolikoly. Fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta, tafiditra amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Hampiasaina ny “camera de surveillance” hampangarahara ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpiasam-panjakana ao amin’ny Ivontoeram-pirenena […]

Finoana kristianina: manomboka ny «Herinandro masina»

Finoana kristianina: manomboka ny «Herinandro masina»

Miditra fotoan-dehibe ny mpino kristianina, nanomboka omaly. Tsy inona izany fa ny fitsenana ny fetin’ny Paska, ny “Herinandro masina”. Nisantarana izany ny Alahadin’ny sampandrofia na ny Sampankazo (ho an’ny mpino katolika), omaly. Fotoana ahatsiarovana ny nisamborana sy ny nanamelohana ary ny nahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny Hazo fijaliana ny “Herinandro masina”. Ho an’ny omaly, notsiahivina […]

”Permis biométrique” hosoka: rava ny tambajotra mpanao kolikoly, arahi-maso akaiky ny lehiben’ny Cim

”Permis biométrique” hosoka: rava ny tambajotra mpanao kolikoly, arahi-maso akaiky ny lehiben’ny Cim

Tsy vao izao! Efa hatry ny ela ny nahahenoam-baovao ny kolikoly ao amin’ny foibe mpanome laharana fiarakodia (Cim) Ambohidahy, amin’ny fikarakarana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia, indrindra ny fahazoana ny ”permis biometrique”. Nisy ireo voarohirohy nosamborina, ny taona 2017, saingy tsy mbola foana izany satria nitohy. Araka ny fanadihadiana natao, nisy nampandre ny Bianco fa misy manamboninahitra […]

Maroantsetra: nanainga ny sambo nitondra ireo voafonja

Maroantsetra: nanainga ny sambo nitondra ireo voafonja

Niainga tao Maroantsetra, ny asabotsy teo, ny sambo nitondra ireo voafonja telo lahy, gadra nitsoaka ny fonjan’i Maroantsetra, saingy tratran’ny zandary sy ny fokonolona taorian’ny fikarohana. Hoentina hihazo ny fonjaben’Ambalatavoahangy ry zalahy ireto amin’ny maha jiolahy raindahiny azy ireo, raha ny fanazavana voaray. Tsiahivina fa ny 9 avrily lasa teo no nandositra ny fonja ny gadra enin-dahy […]

Kly Andriakaja Elack Olivier: mpandrindra vaovaon’ny BNGRC

Kly Andriakaja Elack Olivier: mpandrindra vaovaon’ny BNGRC

Voatendry ho mpandrindra nasionaly ny birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC) ny kolonely Andriakaja Elack Olivier. Efa nisahana ny andraikitra talen’ny asa sy ny famonjena teo anivon’ny BNGRC ny tenany nandritra ny dimy taona, ny 2009-2014. Ny taona 2014, mbola nanohy fianarana teny amin’ny sampam-piofanana toekarena tao anatin’ny fakiolten’ny fianarana lalàna, toekarena, fitantanana ary […]

Namonjy lanonam-panambadiana: fianakaviana maromaro tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo

Namonjy lanonam-panambadiana teny amin’iny faritra Avarandrano iny, ny asabotsy teo, ireto fianakaviana tratran’ny fanapoizinana amin’ny sakafo ireto. Raha ny fanazavana voaray momba ny antony nahatonga izao fanapoizanana ara-tsakafo izao, maionezy tanaty boaty nafangaro tamin’ny maionezy namboarina tamin’ny tanana no nivadika poizina rehefa nampifangaroana tamin’ny sakafo natao fanokafam-bavony mialoha ny tena nidirana tamin’ny vary sy laoka. Kanjo, fotoana […]

Ambanja: telo lahy nahatrarana rongony 100 kg tao anaty cyclo-pousse

Ambanja: telo lahy nahatrarana rongony 100 kg tao anaty cyclo-pousse

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ambanja ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka amina raharaha trafikana rongony, ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisarian’Ambanja, ny kaomisera Joseph Saramba fa nisy olona nitondra entana nampiahiahy niaraka tamin’ny cyclo-pousse ka polisy iray avy nisakafo hariva no nahatsikaritra ny fihetsik’ireto olona nandeha posy ireto izay somary hafahafa ihany ka […]

Fenoarivo Be: mpitrandraka volamena miisa 10 maty nihotsahan’ny tany

Fenoarivo Be: mpitrandraka volamena miisa 10 maty nihotsahan’ny tany

Mbola eo am-pikarohana ny fatin’ireo olona enina mpitandraka volamena tototry ny tany ny fokonolona ao ao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena ao amin’ny kaominina Andriampotsy, hatry ny omaly… Maty tsy tra-drano ireo olona miisa 10 mpitrandraka volamena nihotsahan’ny tany tao amin’ny kaominina Andriampotsy, distrikan’i Fenoarivo Be, ny asabotsy tolakandro teo. Araka ny fampitam-baovao voaray, nihotsaka tampoka ny […]