Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Matsiatra Ambony: miverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana

Nandritra ny fanetsehana ireo miaramila mampandry tany ao amin’ny vondron-tafika “Zone rurale prioritaire de sécurité” (ZRPS) Bravo tao amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Menabe tao anatin’izay roa volana izay, manomboka miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fandriampahalemana any an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ireo mponina. Teo aloha, tamin’ny mbola tsy nahatongavan’ireo vondron-tafika ZRPS […]

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: lasa ny mamba misosoka ny voay

 Fihetsiketsehana sy fanovana tabataba no betsaka mitaha amin’ny famoaboasana hevitra entina handresen-dahatra. Izany no re manerana ny tanàna ao anatin’izao fotoana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana depiote izao, tamin’ity indray mitoraka ity. Noho ny fandaharam-potoana samy manana ny azy, mifanindry amin’ny fotoam-pifidianana ny fanovana ny tompon’andraikitra tampony hitantana ny Bianco. Miposaka araka izay ireo hetahetan’ilay Directeur […]

Toe-tsaina mahantra

Toe-tsaina mahantra

Mahavariana ihany indraindray ! Anisan’ny firenena dimy farany mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara. Hilaza koa anefa ny Malagasy maherin’ny 25 tapitrisa fa tsy hanaiky ho mahantra ara-tsaina izany, na ny hatramin’ireo tsy nianatra na tsy ampy fahalalana aza. Saingy miaiky ny rehetra fa manjaka ny gaboraraka eto amintsika, tsy ampy ny fanarahan-dalàna sady tsy ampy ny […]

Fandikana ny lalàn’ny fifamoivoizana: iray hetsy hatramin’ny iray tapitrisa Ar ny lamandy

Fandikana ny lalàn’ny fifamoivoizana: iray hetsy hatramin’ny iray tapitrisa Ar ny lamandy

Ho henjana ny lalàna nasiam-panavaozana mikasika ny fifamoivoizana sy ny fampiasana ny lalana. Toy izany koa ny famaizana ho an’ireo mandika izany. Tokony ho fantatry ny besinimaro izany ka navoaka ny torolalana ho an’ny mpampiasa lalana. Ho hentitra ny fanjakana amin’ireo mbola mandika lalàna amin’ny fifamoivoizana sy ny fampiasana ny lalana. Nohamafisina ny sazy ho […]

Kitra any Côte d’Ivoire: «Tsy mbola mijanona aho », hoy i Yaya Touré

Kitra any Côte d’Ivoire: «Tsy mbola mijanona aho », hoy i Yaya Touré

Nanao fanambarana, tao anaty tambajotra-tserasera, ny talata lasa teo, ilay mpilalao baolina kitra ivoarianina, Yaya Touré, mikasika ny filazan’ilay “agent” ny, Dimitri Seluk. Ity farany izay, nanambara fa nijanona tsy hilalao baolina intsony, i Yaya Touré, nanomboka ny 10 mey lasa teo. Araka izany, nanao fanazavana mikasika ny hoaviny, ny alahady 12 mey, lasa teo […]

Kitra vehivavy – «Division elite»: mitarika hatrany ny AC Sab-Nam Analamanga

Kitra vehivavy – «Division elite»: mitarika hatrany ny AC Sab-Nam Analamanga

Efa madiva hifarana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy “Division elite”. Hatreto, mbola mitarika hatrany ny AC Sab-Nam Analamanga. Niditra tamin’ny andro fahadimy, omaly talata, ny fifanintsanana, eo amin’ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny baolina kitra vehivavy “division elite”. Toy ny mahazatra, teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana hatrany no nanatanterahina izany. Misongadina […]

Basikety – “Smatch’in XXL”: tsara toerana ny ekipan’ny DEGS

Basikety – “Smatch’in XXL”: tsara toerana ny ekipan’ny DEGS

Niditra tamin’ny andro fahefatra, omaly, ny fifaninanana eo amin’ny taranja basikety “Smatch’in XXL”, hifanandrinan’ireo sekoly ambony, miisa 32. Efa nahitana sahady ireo ekipa misongadina izay lalao maromaro efa vita izay. Ho an’ny sampam-pianarana DEGS, tsara toerana ity ekipa ity, taorian’ny fandresena intelo azony, nandritra izay efatra andro izay. Raha tsiahivina, fandresena nanoloana ny ekipan’ny ENS […]

Tanora Malagasy: misy 14 taona efa mampiasa DIU 

Amin’ny vehivavy mampiasa fanafody fanabeazana aizana maharitra 12 taona (DIU), misy tovovavy 14 taona ny mpanaraka mitohy raisin’ny Fianakaviana Sambatra sampana Antananarivo an-tanana. Mahatratra 3 970 ireo mpampiasa ity sokajim-panafody atao ao amin’ny tranon-jaza miaro ny vohoka mandritra ny 12 taona ity. Matetika ny tovovavy efa manana anaka iray na roa ka maniry ny tsy hiteraka […]

Fikambanana Iza: manampy amin’ny fialana amin’ny zavamahadomelina

Fikambanana Iza: manampy amin’ny fialana amin’ny zavamahadomelina

Ny tanora no hoavin’ny firenena! Hananana taranaka vanona, nijoro ny fikambanana Iza, manentana ny tanora tsy hiroboka amin’ny fidorohana zavamahadomelina. Manampy ireo efa tafiditra amin’izany koa izy mba hiala, hahatontosa ny fianarana sy hananana hoavy tsara kokoa, any aoriana. Anisan’ny sakana tsy hampandroso ny firenena ny firobohan’ny tanora eo amin’ny fidorohana zavamahadomelina (sigara, toaka, rongony). […]

Valanaretina: 909 ireo matin’ny kitrotro

Araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamana momba ny zava-misy momba ny kitrotro, nanomboka ny 3 septambra hatramin’ny 4 mey lasa teo, valo ny distrika mbola ahitana ny tranganaretina kitrotro. Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Mahajanga II, Ambanja, Antsiranana I-II, Soavinandriana, ary Ambatomainty ireo distrika ahitana seho 14 isan’andro amin’ny ankapobeny. Tokony hohamafisina ny hetsika amin’ireo distrika ireo […]

Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe

Kolo anaka: ny tsara ho fantatra  momba  ny androbe

(Fizarana faha 6) 18 – Amin’ny maha « Neuropsychiatre » anao, inona no torohevitra ho an’ny vehivavy voan’ny androbe nefa te hanan-jaza ? Alohan’ny hanapahan-kevitra fa hanan-janaka dia tokony hanatona mpitsabo matihanina ny vehivavy manana io aretina io. Ny dokotera (neurologue) miara-miasa amin’ny mpitsabo mpampivelona (gynécologue-obstétricien) no mandanjalanja ny mahamety na tsia ny fitondrana vohoka na ho […]

Telma-Mesupres: fampiromboroboana ny fanabeazana niomerika

Telma-Mesupres: fampiromboroboana ny fanabeazana niomerika

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Telma sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres). Voafaritra ao anatin’izany ny hampitomboana ny fanapariahana ny fitaovam-pifandraisana iRenala, ka hametrahana ny fahazoana Wi-fi manerana ny oniversite sy ny ivontoerana fampianarana ambony eto Madagasikara.  Nanao sonia ny fifanarahana ny tale jeneralin’ny Telma, Patrick Pisal Hamida, […]

Toekarena –fiarahamonina: zara raha misy voka-pikarohana mivoaka

Zara raha misy voka-pikarohana mivoaka ataon’ireo mpikaroka eto an-toerana nefa mandeha ihany ny fitakiana vola any amin’ny fanjakana ho an’izay fikarohana izay. Amina sehatra rehetra, toekarena, fiarahamonina, fitsaboana, tontolo iainana, sns, zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fanaparihana ny voka-pikarohana, araka ny fanamarihan’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, mpikaroka momba ny gidro. « Raha mpikaroka na mpitsabo […]

CMI Energy sy BC Solar: afaka mamokatra herinaratra azo tahirizina

CMI Energy sy BC Solar: afaka mamokatra herinaratra azo tahirizina

Nampahafantatra ny tetikasany tamin’ny atrikasa niantsoana ireo orinasa sy indostria, omaly teto an-dRenivohitra, ny CMI Energy miaraka amin’ny solontenany eto Madagasikara, ESE (Energie sécurité équipements) sy ny mpiara-miombon’antoka aminy BC Solar. Nampahalalana tamin’io atrikasa io ny teknika fitantanana sy fitahirizana angovo, ampy ho trandrahina sy hampihena ny vidiny. Tsy misy tsy mahalala fa sakana ho […]

Ceni: faranana anio ny lisi-pifidianana 

“Ny antontanisa farany raikitra mialoha izao fifidianana solombavambahoaka izao: nofaranana 25 388 ny isan’ny birao fandatsaham-bato manerana ny fari-pifidianana 119 eto Madagasikara. Nofaranana 10 302 194 ny isan’ny mpifidy. Mifarana anio ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ” , hoy  ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Izay no nahatonga ny bileta tokana nohafarana tatsy Afrika Atsimo ho […]

Tontolon’ny fitsarana: hahazo  fitaovana hiadiana amin’ny kolikoly ny faritra

Tontolon’ny fitsarana: hahazo  fitaovana hiadiana amin’ny kolikoly ny faritra

Santatra fotsiny ihany ny eto Antananarivo ary natao filamatra. “Tena maika amin’ny sehatra asa eto anivon’ny  minisiteran’ny fitsarana  ny  fanaparitahana ny fitaovana informatika hanaraha-maso ny  kolikoly any amin’ny fitsarana  any anivon’ny faritra.  Efa nametrahana  izany kosa ny eto an-dRenivohitra”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Fitsarana, i Savatsarah Raby, omaly  tetsy Antaninarenina. Notanterahina nandritra izany ny […]

Fanatsarana ny asam-panjakana: hanatsinkafona ireo mpiasa matoatoa ny minisitera

Fanatsarana ny asam-panjakana: hanatsinkafona ireo mpiasa matoatoa ny minisitera

Ho hitan’ny havany eo tsy ho ela  intsony.… Miroso  amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaha ny eo anivon’ny  fitondram-panjakana,  niainga amin’ny  toromariky ny filoham-pirenena.  Anisan’ny manana andraikitra amin’izany ny minisiteran’ny Asa. “Efa am-perinasa ilay antsoina hoe “logiciel Augure” – “Application unique pour la gestion uniforme des ressources humaines de l’Etat” iarahana amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola  sy ny vola. […]

Hetsika tany Nanjing – Sina: nisongadina ry Rakoto Frah Junior

Hetsika tany Nanjing – Sina: nisongadina ry Rakoto Frah Junior

Ny fomba amam-panao malagasy, hasongadina amin’ny zavakanto. Izay no nasehon’ny tarika Rakoto Frah Junior, nandritra ilay hetsika lehibe iray tany Nanjing, Sina, ny 11 mey teo. Tamin’ny alalan’ny soradihy sy ny hira toa ny “Afindrafindrao”, “Vory ve ny tsena”, “sns, no nambaboan’izy fito mianadahy ireo mpijery, nandritra izany. Araka ny fampitam-baovaon’ireo nanatrika tany an-toerana, nanaitra […]

Teatra poetika arahina dihy: lalaovin’ny Bee Z’Art ny « Tononkira fananganana ny maty »

Teatra poetika arahina dihy: lalaovin’ny Bee Z’Art ny « Tononkira fananganana ny maty »

Anisan’ny nanaitra izay nahita azy ity sanganasan’i Avelo-Nidor ity. « Tononkira fananganana ny maty ». Fa iza sa inona ny maty ? Iza no afaka mamelona izany maty izany? Ny manana aina, saika mandalo na mandia ny fahafatesana avokoa ! Ao koa ireo zavatra nisy sy misy ary hisy kanefa mety iharan’ny fahafatesana ihany koa. Ireo rehetra ireo, samy tafiditra […]

EEM Nizerianina: naka traikefa teny amin’ny MDN

EEM Nizerianina: naka traikefa teny amin’ny MDN

Tonga nitsidika an’i Madagasikara ny delegasiona nizerianina izay ahitana manamboninahitra mpianatra miisa 26, mpampianatra roa ary tompon’andraikitra miisa dimy avy amin’ny “Ecole d’Etat Major” (EEM) any Nizeria. Ny delegasiona fito tamin’izy ireo izay notarihin’ny Jly Je Ejeh no tonga nitsidika ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) etsy Ampahibe, ny alatsinainy maraina teo. Ny sekretera jeneraly, ny Amiraly Ranaivoseheno […]

Trafika andramena – Famotsiam-bola: misy raharaha hafa koa anenjehana an’ilay mpandraharaha malaza

Trafika andramena – Famotsiam-bola: misy raharaha hafa koa anenjehana an’ilay mpandraharaha malaza

Nahazo tatitra avy any amin’ny olona tsy nitonona anarana ny Bianco, mikasika ny ahiahy kolikoly nataon’ny mpandraharaha iray, malaza any Toamasina, efa naiditra am-ponja any Tsiafahy amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany raharaha hafa maha voarohirohy azy izany, ny fanaovana trafikana andramena sy ny famotsiam-bola, nanomboka ny taona 2014. Manodidina ny anjatony tapitrisa ariary ny famotsiam-bola […]

67 ha: miditra an-tsehatra manendaka koa ny vehivavy

67 ha: miditra an-tsehatra manendaka koa ny vehivavy

Tovovavikely iray 16 no niharan’ny fanendahana teny amin’ny faritra 67 ha, ny zoma 22 marsa 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Araka ny fitantarany, vehivavy iray no tonga nanatonga azy teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo 67 ha ary nangataka io vehivavy io mba haterina eny amin’ny paositra 67 ha noho izy tsy mahita […]

Nitohy teny amin’ny Epp Anosibe: niara-nanangan-tsaina tamin’ny mpianatra ny miaramila

Nitohy teny amin’ny Epp Anosibe: niara-nanangan-tsaina tamin’ny mpianatra ny miaramila

Nitohy ny alatsinainy maraina teo ny hetsika fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fampakarana ny sainam-pirenena teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra (Epp) Anosibe. Ny lohahevitra voizana amin’izany dia ny “fanabeazana ho olom-pirenena vanona maneho ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fananganan-tsaina”. Nitarika ny lanonana ny Jly Randrianantoandro Guerson James, filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny […]

Betsiboka: zandary miisa 29 nahazo sandam-pikirizana

Betsiboka: zandary miisa 29 nahazo sandam-pikirizana

Tsy niandry ela ny fitondram-panjakana, naneho ny fampanantenana nataony, indrindra ho an’ireo zandary nahavita ezaka manokana ho an’ny tanindrazana. Natolotra ara-pomba ofisialy sy ara-miaramila, ny alatsinainy teo tao Maevatanana ireo mari-pankasitrahana ho an’ireo zandary miisa 29 nahavita vokatra tsara tao anatin’ny faritra Betsiboka. Tonga nanatanteraka izany fanolorana izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa izay […]

Soavinandriana: tratran’ny polisy ilay jiolahy nikasa hanolana ankizivavikely

Soavinandriana: tratran’ny polisy ilay jiolahy nikasa hanolana ankizivavikely

Saron’ny polisy tao Soavinandriana ity jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanolanana ity. Nidoboka am-ponja avy hatrany rehefa avy natolotra ny fampanoavana… Voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Antsahalavabe, kaominina ambonivohitr’i Soavinandriana, ny jiolahy iray mpanendaka niaraka tamin’ny sabatra lavalela, ny faran’ny herinandro teo. naterin’ny fokonolona teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany ity jiolahy ity taorian’ny fisamborana. Nandritra ny […]