Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Rugby U20 – «Trophy Barthès 2019»: resin’ny Makis de Madagascar ny Maraokanina

Rugby U20 – «Trophy Barthès 2019»: resin’ny Makis de Madagascar ny Maraokanina

Tsara fanombohana ny Makis de Madagscar, sokajy U20, teo amin’ny fiadiana ny amboara “Trophy Barthès 2019”. Resin’ny Malagasy, teo amin’ny lalao manasa-dalana mantsy, ny Maraokanina. Nomontsanin’ny Makis de Madagascar, tamin’ny isa mavesatra, 51 no ho 0 i Maraoka, teo amin’ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny “Trophy Barthès 2019”, taranja rugby, ho an’ny sokajy U20. Fihaonana, notanterahina, […]

Fiahiana ny mpiasa: hahazo tambiny ny SMKAR

Fiahiana ny mpiasa: hahazo tambiny ny SMKAR

 Hahazo tambin-karama momba ny fanadiovana ny loto sy ny fitaterana ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Anisan’ny tapaka izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao, sy ny filohan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Andriantsoa Ankoay sy ny filoha lefitra, Randrianantoandro Tojo,  omaly. “Dimy ny fangatahanay fa azo aloha ireo roa ireo. Efa […]

Fiaraha-miasa: manohana ny fanabeazana  ny Indianina

Fiaraha-miasa: manohana ny fanabeazana  ny Indianina

Misandrahaka  amin’ny sehatra  marolafy. Nanolotra ny kopian’ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro vaovaon’i Inde eto amintsika tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Abhay Kumar. Nivoitra tamin’izany dinika teny Anosy afakomaly  izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaresaka ny  fanohanan-dry zareo Indianina antsika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fizahantany ary koa ny […]

Ramamimampionona Gérard: “Tsy mendrika ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana”

Ramamimampionona Gérard: “Tsy mendrika ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana”

“Anentanana ny rehetra hijery ny olona manana izay toetra mangalatra fiaingana amin’ny fampielezan-kevitra izay: tsy mendrika amin’ny hazakazaka izany. Izay no anentanana ny olon-drehetra hoe: mandray ny andraikiny na ny antoko politika na ny mpifidy, indrindra ny kandidà mahalala ny mety sy ny tsy mety na izay tokony hatao na tsia mialoha sy mandritra ary […]

  Fitakiana fivoriana tsy ara-potoana: miketrika ny hanongana an-dRakotovao Rivo  ireo loholona

   Fitakiana fivoriana tsy ara-potoana: miketrika ny hanongana an-dRakotovao Rivo  ireo loholona

  Mitsoka eny amin’ny Antenimierandoholona ny rivotry  ny fanovana. Mikononkonona  ny hanongana ny filohany, Rakotovao Rivo  ireo loholona etsy Anosikely. Ny goverernemanta sisa  andrasana…  “Mahatsapa izahay hoe misy olana ao, misy zavatra tokony hamboarina… Mila ny maro anisa amin’ny loholona mba ho tonga ao, hahazoana miresaka hitady ny vahaolana rehetra mety ho hita. Hahazoana manangana […]

Eddy Kapuku –DG-n’ny Airtel: « Hatsaraina ny tolotra »

Eddy Kapuku –DG-n’ny Airtel: « Hatsaraina ny tolotra »

Eddy Kapuku, izy indray izao ny tale jeneraly vaovao mitantana ny Airtel Madagascar mandimby an’i Maixent Bekangba. Nampahafantarina, omaly tao amin’ny hotely Ibis Ankorondrano, ny momba azy sy ny traikefany. Tamin’izany koa ny nanambarany ny fanambiny hanome aina bebe kokoa ny sehatry ny fifandraisan-davitra eto amintsika. Tanjona ny hampitomboina sy hanatsarana ireo karazana tolotra ao […]

Fitantanana orinasa: manomboka miarina tsikelikely ny Kraoma

Fitantanana orinasa: manomboka miarina tsikelikely ny Kraoma

« Efa miverina amin’ny heriny, toy ny teo aloha, ny orinasa taorian’ny fanavaozana ny fifanarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Rosianina. Hita ho mivaingana ny vola ampiasana ho fanatsarana ny fiaraha-miasa », hoy ny talen’ny  fitrandrahana, Rajoelison Mamy Dominique.  Efa naloa ny karama mitentina 996 000 dolara. Teo  koa  ny fividianana ny fitaovana ilaina,  tafakatra 100 000 dolara. Ny fandaniana […]

Ravinala Airports: andrana amin’ny fiarovana eny amin’ny seranan’Ivato

Ravinala Airports: andrana amin’ny fiarovana eny amin’ny seranan’Ivato

Nahomby ny andrana natao, omaly, mikasika ny lafiny fiarovana ny sivily sy ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Voafehin’ireo vao avy nahavita fiofanana ny fahalalana norantoviny, avy amin’ny mpisehatra isan-tsokajiny eny an-toerana. Taorian’ny fiofanana amin’ny lafiny ny fiarovana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 2 hatramin’ny 16 avrily teo, nisy ny andrana natao, omaly, niompana tamin’ny entana mampiahiahy […]

Hisorohana ny herisetra sy ny vohoka tsy nirina: tokony « ihoarana ny fady mba hahatsangy ny hoavy »

Fady ho an’ny Malagasy ny firesahana ny mahakasika ny taovam-pananahana sy ny fananahana eo amin’ny olom-pifady. Araka ny fahitan’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena (OSC) anefa, miteraka sakana amin’ny fisorohana ny vohoka tsy nirina sy ny herisetra ary ireo aretin’ny taovam-pananahana izany. Vehivavy 478 amin’ny 100.000 no maty eo am-piterahana ka noho ny vohoka aloha loatra ny iray […]

Valim-pikarohana 35 no nifampizarana: mbola olana amin’ny fahasalamam-bahoaka ny tazo

Nifampizarana ,omaly, teny Anosy ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka rehetra momba ny ady amin’ny aretina tazomoka eto amintsika. Misy ampahany amin’ireo valim-pikarohana efa nampahafantarina tany ivelan’ny Nosy, araka ny nambaran’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fahasalamana. 35 ny valim-pikarohana nozaraina tamin’ny mpitsabo, mpianatra ho mpitsabo, fiarahamonim-pirenena ary ny mpiray ombon’antoka ary ny mpikaroka vahiny liana amin’izany ady […]

Sekoly miaro ny tontolo iainana 21: nizarana fitaovam-pampianarana momba ny angovo azo avaozina

Sekoly miaro ny tontolo iainana 21: nizarana fitaovam-pampianarana momba ny angovo azo avaozina

Nozaraina tamin’ireo solontenan’ny sekoly 21, omaly teny Ambatoroka, ny fitaovam-pampianarana ho an’ny CEG hampianarina ny mpianatra hahay hikirakira ny angovo azo avaozina toy ny masoandro sy ny rivotra havadika ho angovo ampiasaina amin’ny andavanandro. Ireo sekoly efa mikolo ny tontolo iainana 35 no hitsinjarana ny fitaovana ka omaly ny anjaran’ny eto amin’ny faritra Analamanga, araka […]

Solika, Kolibera, Sanga Analamahitsy: raikitra ny « Bagasy an-tsehatra 2019 »

Solika, Kolibera, Sanga Analamahitsy: raikitra ny « Bagasy an-tsehatra 2019 »

Alahady 28 avrily, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny IKM Antsahavola. Raikitra ny « Bagasy an-tsehatra 2019 », miaraka amin’ny Solika sy i Kolibera ary ny Sanga Analamahitsy. Iraisan’ireto tarika sy mpanakanto ireto ny fahaizana mamoaka ilay aingam-panahy malagasy ahatarafana ireo haingon-kira samihafa, toy ny angola, filatro, sns. Hifandimby hiaka-tsehatra ny tsirairay. Na izany aza, […]

Asa soratra: « Antson’ny fo », boky voalohan’i Antso Fy Tia

Asa soratra: « Antson’ny fo », boky voalohan’i Antso Fy Tia

Tsy vitsy ny tanora Malagasy manan-talenta, toy ny eo amin’ny sehatry ny asa soratra. Anisan’izany i Antso Fy Tia, izay vao namoaka ny sanganasany voalohany, boky mitondra ny lohateny hoe “Antson’ny fo”. Jean Narivelo Fitia Fanomezantsoa Nandrianina ny anaran’ity tovovavy iray, mbola tanora dia tanora, ity. Miavaka amin’ny tanora toa azy izy noho ny fananany […]

Mananjary: vehivavy nahatrarana toaka gasy 600 l

Mananjary: vehivavy nahatrarana toaka gasy 600 l

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary tao Andovosira, distrikan’i Mananjary, ny talata teo ny vehivavy iray voarohirohy noho ny fitondrana toaka gasy mahatratra 600 litatra natao tanaty bidao mavo maromaro. Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy fa misy toaka gasy avy any Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika kasaina hamidy ao amin’ny distrikan’i Mananjary. Voamarina avokoa taorian’ny fanadihadiana rehetra […]

Trafikana sokatra miisa 551: migadra roa taona an-tranomaizina sady mandoa lamandy 10 tapitrisa Ar ireo voampanga roa

Trafikana sokatra miisa 551: migadra roa taona an-tranomaizina sady mandoa lamandy 10 tapitrisa Ar ireo voampanga roa

Nivoaka ny 8 avrily teo, tany Mahajanga ny didim-pitsarana mikasika ireo olona voarohirohy nanao trafikana sokatra miisa 551. Miisa dimy izy ireo, ka nohelohin’ny fitsarana higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa, i Marofo sy Rtoa Anita, miampy fandoavana onitra 10 tapitrisa Ariary. Nanenjehana azy roa ireo, ny tsy fanarahan-dalàna satria nitazona  sokatra tao […]

Tselatra

Nahitam-bokany sahady ny hetsika nataon’ireo vondron-tafika ZRPS Bravo satria nahatratra omby halatra 157 izy ireo, ny alatsinainy teo. Omby nangalarin’ny dahalo tao amin’ny kizon’Ilapy fokontany Behoro, kaominina ambanivohitr’Isalo ireto omby ireto ary efa tafaverina amin’ny tompony. Voasambotra niaraka tamin’ireto omby ireto ny dahalo efatra ka sarona tany amin’izy ireo ny basim-borona miisa dimy sy basy vita gasy […]

Ambilobe: kaomisera iray voatifitry ny jiolahy

Olona telo naratra ka isan’izany ny kaomisera lehiben’ny kaomiseran’Ambilobe niaraka tamin’ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy, ny talata tamin’ny 8 ora alina tao amin’ny fokontany Amoron’ala, distrikan’Ambilobe. Fanafihana mitam-piadiana tsy nahomby ihany ity nitranga tao amin’ny tokantrano iray ity satria nalaky ny fahatongavan’ireo polisy. Nahazo antso avy an-telefaonina avy amin’ireo […]

Ambatomirahavavy: tratra ny jiolahy telo nanolana vadina pasitera sy ny zanany

Voasambotry ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana miharo fanolanana ny vadina pasitera iray sy ny zanany vavy 21 taona tao amin’ny fokontany Kianjamalaza, kaominina ambanivohitr’Ambatomirahavavy, omaly misasakalina. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa jiolahy miisa dimy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao amin’ity tokantranona pasitera iray ity. Very nandritra ny fanafihana ny vola […]

Renim-pianakaviana maty teo am-pandidiana – Toamasina: nanao hetsika fanairana ny mpiasan’ny fahasalamana  

Renim-pianakaviana maty teo am-pandidiana – Toamasina: nanao hetsika fanairana ny mpiasan’ny fahasalamana   

  Namory mpanao gazety tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morafeno Toamasina ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana rehetra ao an-dRenivohitr’i Toamasina, omaly maraina… Nambaran’ireo nitondra teny fa hetsika ho fanairana ny fitondram-panjakana amin’ny fanokafana fanadihadiana sy famotorana noho ny fitorian’ny fianakavian’i Hortencia, renim-pianakaviana maty teo am-pandidiana azy tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, ny 10 febroary 2019 lasa […]

Ambohimandroso: mpitondra bisikileta voahitsaky ny kamiaobe

Tapaka mihitsy ny tongotr’ilay mpitondra bisikileta voahitsaky ny kamiaobe iray tany Ambohimandroso, PK 88 RN 7, ny asabotsy hariva lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, kamiaobe iray nizotra nianatsimo no  nisongona bisikileta iray ka voafaoka ilay mpitondra bisikileta, voahitsaka avy hatrany. Vokany, potika ny tongotr’ilay mpitondra bisikileta. Nahazo loharanom-baovao ny zandary tao an-toerana ka […]

Hevitra mandalo: resaky ny mpitsimpona akotry; mahazoa sisiny

Tonga angamba ny fotoana tsy hanilikilihana intsony ny madinika. Ny fomba fanajana araky ny fahaiza-miaina napetraky ny teo aloha raha mampandroso dia ny fiangaviana mba samy haka toerana avokoa. Iaraha-mahafantatra ny fironan’ny Malagasy amin’ny fiarahana an-tafika sy fanaovana rodobe rehefa misy lanonana atrehana na adidy efaina. Tsy tamby ho ampy hatrany ny toerana ipetrahana, efa […]

Fanentre-tena no ilaina

Fanentre-tena no ilaina

Andro iray miavaka ao anatin’ny herinandro masina, ny alakamisy ho an’ny mpino kristianina. Io mantsy no hahatsiarovana, ilay fiaraha-misakafo farany, niarahan’ny Tompo tamin’ny mpianatra, nialoha ny nisamborana sy nanomboana azy, teo amin’ny hazo fijaliana, sy ny nahafatesany. Fanetren-tena lehibe, no nataony ho fanavotana ny olombelona, indrindra fa ny nitondrany ny fahotan’izao tontolo izao. Mbola mitoetra […]

Fanafihana ny fiaran’ny Brinks: telo lahy nidoboka eny Tsiafahy

Fanafihana ny fiaran’ny Brinks: telo lahy nidoboka eny Tsiafahy

Telo lahy izao no fantatra fa naiditra am-ponja eny Tsiafahy, noho ilay raharaha fanafihana ny fiara mpitondra vola an’ny orinasa Brinks, teny Amoronakona, By-pass, ny asabotsy teo. Anisan’izany ilay tompon’ny moto nampiasaina nandritra ilay fanafihana, lehilahy iray mpiasan’ny tobin-tsolika Jovena izay nitsimpona ka nanitrika ny findain’ireo jiolahy nandritra ny fifanjevoana, ary lehilahy iray hafa. Nidoboka […]

Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019»

Taorian’ny fifaninanam-paritra ho an’ny ligin’Analamanga, ny 5 hatramin’ny 7 avrily lasa teo, hotanterahina amin’ny zoma 19 avrily hatramin’ny 21 avrily ho avy izao etsy amin’ilay trano fisakafoanana Tournesol Andoharanofotsy, indray, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja haiady Savate Boxe Française. Lalao iraisam-pirenena maro no miandry izay mendrika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, raha ny nambaran’ny […]

JIOI – Fampivondronana: hifarana anio ny tapany voalohany

JIOI – Fampivondronana: hifarana anio ny tapany voalohany

Mandeha ny fotoana, tapitra sahady ny tapany voalohany amin’ny fampivondronana ireo atleta hifantenana handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao any Maorisy, ny volana jolay izao. Ity tapany voalohany ity izay nanomboka ny 23 marsa lasa teo ka hofaranana anio. Raha ny tokony ho izy, amin’ny herinandro vao tena feno ilay 35 andro, saingy amin’ny maha […]