Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

«Can 2019» – Trophée OFC: voahosotra ho mpanazatra mendrika i Dupuis

«Can 2019» – Trophée OFC: voahosotra ho mpanazatra mendrika i Dupuis

Tsy mitsahatra ny misongadina ny baolina kitra malagasy. Taorian’ny dingana tsara vitan’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja baolina kitra. Voahosotra ho mpanazatra mendrika, tamin’iny fifaninanana iny, i Nicolas Dupuis, mpanazatra malagasy. Ny dingan-dava sy ny vokatra tsara azony, ka nahatafitany ny Barea de Madagascar, teo amin’ny lalao […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2019) – Baolina kitra: nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Maorisy sy i Seychelles

Ny baolina kitra no nanokafana ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019), tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy. Fihaonana, notanterahina,omaly alakamisy tao amin’ny kianja Port Louis. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1 i Maorisy, mpampiantrano sy i Seychelles, ho an’ny sokajy “A”, misy ny Barea de Madagascar. Vokatra tsara ho an’ny ekipam-pirenena malagasy aloha, hatreto. […]

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso. Mpanakanto hanafana […]

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

Ilaina ny manara-drafitra. Ilaina ny mivelatra eo amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Raha eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika, azo lazaina fa efa mipetraka ihany izay rafitra izay. Ho an’ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto kosa mbola tena marisarisa sy tsy mbola misongadina loatra ny fananana mazava io rafitra io… Na mbola somary vitsy aza, manomboka […]

Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I.

Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I.

Nanomboka ny 15 jolay teo hatramin’ny androany, nizara ny fahalalany sy ny traikefany tamin’ireo tovovavy manan-talenta, any Toliara, i Julie Iarisoa, mpamorona sy mpanao soradihy. Niompana tamin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny ny fiofanana, izay hita ho nahaliana ireo andriambavilanitra any an-toerana. “D’un sud à l’autre” ny lohatenin’ity tetikasa miavaka ity. Nampiharina avy hatrany amin’ny famoronana ny […]

TEI -Indonezia: foara lehibe indrindra any Azia

Hatao ny 16 hatramin’ny 20 oktobra 2019 ho avy izao any Djakarta Indonezia, ny foara iraisam-pirenena momba ny varotra sy ny fampiasam-bola (TEI), andiany faha-34. Hetsika ara-toekarena anisan’ny lehibe indrindra any Azia ity hatao ity, ahitana mpandray anjara maherin’ny 1.100 avy amin’ny firenena 174. Tsikaritra fa mbola kely ny vokatra avy any Indonezia mankaty Madagasikara, […]

Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza

Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza

Natao tany Toamasina, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana nomen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) ho an’ny mpiasa ao amin’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao amin’ny synodam-paritany Toamasina. Maherin’ny 40 izy ireo, nahitana pastora, katekista, mpiasam-piangonana, sns, notarihin’ny prezida synodaly, ny pastora Toto Rija Chrysostome Joseph. Nilaza ny talen’ny vola ao amin’ny CNaPS, Rakotoarison Hiaja, […]

Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina

Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina

Miezaka hitazona ny fisondrotry ny toekarena ho 5,2 % amin’ity taona ity ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Maro ny tetikasa nofaritana hahatongavana amin’izany miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Sehatra anatin’ny laharam-pahamehana, ohatra,  ny angovo, fotodrafitrasa, fizahantany. Tratra aoriana loatra ny eto Madagasikara amin’ireo rehetra ireo ka ilàna fanarenana haingana, araka ny […]

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

  Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja. “Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany […]

Fanadinana andrana CEPE: nanahirana ny mpianatra ny adina lazaolana

Nahatratra 85 72 ny isan’ny mpiadina, avy amin’ny EPP 93, tokony hiatrika ny CEPE andrana, ny talata lasa teo ho an’ny Cisco Antananarivo. 83 14 no tonga nanatrika izany ka 258 ireo tsy afaka nanatontosa. 1 975 tamin’ireo afaka tamin’ny andrana izay manome ny salanisa 23,75%, araka ny vaovao azo. Ambany be ny taham-pahafahana satria […]

Enim-bolana tsy naharay tambin-karama: mitokona ny mpampianatra ENF SUB any Toliara

Enim-bolana tsy naharay tambin-karama: mitokona ny mpampianatra ENF SUB any Toliara

Tao anatin’ny roa andro izay, nametraka sora-baventy manoloana ny biraon’ny DRENTP, any Toliara, ireo mpampiantra ENF SUB, ho fitakiana ny tambin-karaman’izy ireo, nandritra ny enim-bola, izay mbola tsy voaray hatramin’izao. Hatreto aloha, tsy mbola ahitam-bahaolana ity raharaha ity na efa niezaka nandamina izany aza ny lehiben’ny DRENTP. “Miverimberina ny olana, noho ny tsy fahaiza-mitantana eo […]

CEPE , BEPC , bakalorea: mari-pahaizana fa tsy diplaoma ny an’ny sekoly katolika

CEPE , BEPC , bakalorea: mari-pahaizana fa tsy diplaoma ny an’ny sekoly katolika

Hiroso amin’ny fanadinana andrana CEPE sy ny BEPC ny sekoly katolika manerana ny Nosy,  ny volana aogositra ho avy izao ary ny volana septambra kosa ho an’ny fanadinana bakalorea. « Hanomezana mari-pahaizana avy amin’ny tompon’andraikitra misahana ny sekoly katolika ny fanadinana », hoy ny tomponandraikitra, mopera Ranaivoson Jules, tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray. Tsy mahasolo ny diplaoma […]

Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo

Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo

Ny Voromaherin’i Nizeria no nahazo ny laharana fahatelo, ary nandrombaka ny medaly alimo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», taranja baolina kitra. Resin’i Nizeria, tamin’ny isa tery, 1 no ho 0, ny Tonizianina, ny alarobia lasa teo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Al-Salam Stadium Cairo. Baolina tokana, nampidirin’i Odion Ighalo, teo amin’ny […]

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria. Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i […]

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany. Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina […]

Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C

Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C

Mety  tsy hihoatra ny faran’ny herinandro  izao. Tafapetraky ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Iavoloha,  omaly ny  fametraham-pialany  sy ny governemanta tarihiny. Nankatoavin’ny filoha Rajoelina izany ary nisy avy  hatrany  ny didim-panjakana nivoaka ny amin’ny hiantohan’ity governemanta ity ny asa fampandehanan-draharaha andavanandro, mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao na hamerenana azy ireo eo indray. Tombanana fa tsy ho ela […]

Tselatra

Nisy naka an-keriny indray koa ny lehilahy iray 40 taona tany Andriamena Tsaratanana, afakomaly alina. Voalazan’ny fampitam-baovao fa tantsaha sy mpiompy ny asan’ity raim-pianakaviana ity. Hatramin’izao, tsy mbola nisy fitakiana vola nataon’ireo jiolahy tamin’ny fianakaviany. Fantatra fa efa nisy naka an-keriny toy izao koa ny ray aman-drenin’ity raim-pianakaviana ity, ny volana janoary 2019 lasa teo. […]

Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy

Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray 22 taona tompon’antoka tamin’ny fandratrana polisy teo am-panatanterahana ny asany teny Ambodihady Ambohimanarina. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny 16 jolay tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teny Ambodihady Ambohimanarina dia nitrangana fifamaliana teo amina olona roa tao Anosisoa Ambodihady. […]

Kiranomena: kamiaobe mpanangom-bokatra voatafika, maty voatifitra ny mpamily

Maty voatifitry ny jiolahy nandritra ny fanafihana mpanangom-bokatra ny mpamilin’ny kamiaobe iray tany Kiranomena, ny talata maraina tamin’ny 6 ora. Araka ny loharanom-baovao voaray, jiolahy miisa dimy nitondra basy mahery vaika sy antsy lava no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Vao niainga handeha hanangom-bokatra ity fiarabe ity no tratran’ireo mpanakan-dalana ka notafihin’izy ireo. Notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny […]

Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke

Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke

Tsy mety fay! Noraisim-potsiny ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fanendahana olona avy manao Karaoke eny amin’ny faritra Tanjombato. Ireo polisy miasa ao amin’ny Commissariat Central Tanjombato no nahasambotra ireto jiolahy ireto, ny 16 sy 19 jolay 2019 no nahasambotra azy efa-dahy ireto. Taorian’ny angom-baovao sy ny fanaraha-maso nataon’ny polisy no nahasamborana ny telo amin’izy ireo […]

Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra

Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra

Ny volana jona teo no nitrangan’ny raharaha. Niharan’ny fanararaotam-pahefana sy fihazonana tsy ara-dalàna, nataona polisy efa-dahy, miasa ao amin’ny biraon’ny polisy, Ambohimandamina, Mahajanga ny olona vitsivitsy. Tsy nipetra-potsiny ireto niharan’izany fa nanao fitarainana tao amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tany an-toerana. Voalaza fa hoe nitaky vola 2 000 000 Ar tamin’izy ireo ireto polisy ireto, […]

Governemanta haingam-pandeha ?

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana […]

Saika hanafika restaurant: nirefodrefotra ny poa-basy, jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Saika hanafika restaurant: nirefodrefotra ny poa-basy, jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Jiolahy roa indray lavon’ny balan’ny  polisy tany Andrefantsena Ihosy, omaly raha nikasa hanafika ny bar restaurant Denis akaikin’ny Triangle Ihosy, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisarian’ny polisy ao Ihosy. Feno diam-bala ilay bar notafihin’ireo jiolahy… Nifamaliana ny tifitra teo amin’ny polisy sy ny jiolahy nandritra ny fifampitifirana tao Ihosy, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Araka ny […]

Kitra – «Chan 2019»: nanome vola 1 tapitrisa Ar ho an’ny Barea i Dax

Kitra – «Chan 2019»: nanome vola 1 tapitrisa Ar ho an’ny Barea i Dax

Fihetsika nampihetsi-po ny nataon’Andrimirado Arohasina (Dax), amin’ireo mpilalao tao amin’ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo tsy matihanina na ny “Chan 2019”. Tonga teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana, omaly, ny tovolahy ary nanome lelavola 1 tapitrisa Ar ho fanampiana azy ireo hiatrehany ity fifaninanana ity. “Mirary anareo hahavita be […]