Par Taratra sur 22/01/2021
En Bref, NS Malagasy
“Chan 2021” – Sokajy A Mitarika i Kameronina sy i Mali Miditra amin’ny andro faharoa, fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2021”, ny rehetra. Fihaonana tanterahina any Kameronina. Niatrika izany ny sokajy A, ny alatsinainy lasa teo, ka nisaraka ady sahala, 1 sy 1, ny Liona tsy voafolak’i […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Sports

Hiditra amin’ny dingana famaranana, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A, taranja basikety, ka hisantarana izany etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lalao ampahefa-dalana. Miverina indray anatin’ny fifaninanana ireo ekipa valo lehilahy sy valo vehivavy, manomboka anio, rehefa avy niala sasatra kely, omaly. Ekipa sangany avokoa ireto tafakatra amin’ny ampahefa-dalana ireto ka hafana […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Divers, NS Malagasy
Ho fanomanana ny “Trophée Barthès”, tanterahina any Nairobia, Kenya, ny 25 marsa hatramin’ny 5 avrily ho avy izao, hisy ny fifantenana mpilalao handrafitra indray ny Makis de Madagascar. Araka izany, antsoin’ny Malagasy rugby avokoa ireo tovolahy rehetra mahafehy ny taranja baolina lavalava, teraka ny taona 2001, ny 2002, sy ny 2003, ho tonga eny amin’ny […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, NS Malagasy

Manainga ny fanjakana hitondra vahaolana amin’ireo olana samihafa sedrain’ny fanabeazana ireo mpampianatra nanatrika ny « Andro famakafakana ny fampianarana” nokarakarain’ny Pasem-Fisemare ary ny Fimpafram teny Andravoahangy, omaly. Nitondra ny olana mianjady aminy ny mpivory, miainga avy amin’ny fanambaran’ny fitondrana ihany. Voaresaka ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, fepetra 0 Ar ho an’ny fampidirana an-tsekoly, ny « vacation » izay tara […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, NS Malagasy

Mbola miasa saina ny tantsaha, mpamokatra aty Alaotra. Nantenaina ho nitondra orambe ny rivodoza Eloise, saingy tsy araka izany ny habetsahan’ny orana nentiny. Isan’ny diso fanantenana voalohany ny any Andilamena. “Nanamando tany fotsiny ilay rivodoza”, hoy ny mponina any an-toerana nanontanianay. Ho an’ny manodidina an’Alaotra, “ny ampahefatry ny tanimbary famboly isan-taona no ho vita aty […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, NS Malagasy

Nisahotaka ny rehetra raha nandeha ny resaka fa misy mpianatra maro voan’ny Coronavirus eny Ankatso. « Tsy mbola voamarina hoe mpianatra avokoa ireo fa mandeha ny fanadihadiana », hoy ny tomponandraikitra. Taorian’ny valin’ny fitiliana natao tamin’ny olona monina eny Ankatso I ka nahafantarana fa misy tranga miabo 30 mahery, nandray andraikitra avy hatrany ny mpitantana ny trano […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Economie, NS Malagasy

Nitondra fanazavana ny tontolo iainan’ny mpanjifa ankehitriny, omaly, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa (Fimzompam). Navoitran’ny filohany Rabarison Tiana fa mpandoa hetra ny mpanjifa, mampandeha ny raharaham-pirenena, saingy tsy mahazo fahafaham-po sady iharan’ny fanararaotana. Miaro ny mpanjifa malagasy amin’ny fomba samihafa ny Fimzompam. Lehibe indrindra amin’izany ny lalàna miaro ny zon’ny mpanjifa, 15 taona ny […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Culture

Anjara Rakotozafiarison – No Doze Zoma mahafinaritra hatrany… Hitondra ny kantony i Anjara Rakotozafiarison, hotanterahina etsy amin’ny No Doze Trano Bongo Tanjombato izany, anio zoma 22 janoary manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Handravaka ny seho ny feon-gitara mahafinaritra sy ny vazo eny antsefantsefany eny, ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Izy rahateo, manana ny […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Culture

Fampitiavana ny vakiboky amin’ny endriny rehetra. Tanjona iraisana ny an’ny masoivohon’i Inde eto Madagasikara sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, niara-niisalahy amin’ny fametrahana ny “Street Library”. Araka ny anarany, famakiam-boky an’arabe no tanjona, ka apetraka etsy Tsaralalàna, manoloana ny trano fiasan’ny masoivoho, izany. Tonga nisantatra izany teny an-toerana ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana, nanamafy fa […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Culture

Lehilahy roa no nosamborina teny Anosizato sy teny Ampitatafika, omaly. Noho ny fandefasana horonantsary mamoafady, any anatin’ireny efitrano fijerena “video” ireny, ny antony. Vokatry ny fitsirihana nataon’ny eo anivon’ny Brigade anti-piratagy (Bap) sy ny Ivontoeran’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy (ISSM) ireo. Araka ny fanazavana nomen’ireto nandray ny andraikitra ireto, nahitana zaza tsy ampy taona […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Culture

Feno enimpolo taona tamin’iny taona 2020 iny ny fiverenan’ny Fahaleovanten’i Madagasikara. Manomboka izao indray izany ny enimpolo taona manaraka. Hanao ahoana ny fiatrehan’ny mpanoratra ankehitriny izany? Manoloana ny zava-misy ankehitriny, fanontaniana manitikitika ny saina aman’eritreritra ny hoe: tsy tafita tamin’ny taranaka aty aoriana ve ny fanilon’ny fitiavan-tanindrazana? Tsy naharary antsika tokoa angamba ny nitaky izany […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, NS Malagasy

Mitohy ny fampitandremana amin’ny habetsaky ny rotsak’orana any amin’ny faritra avaratra andrefana noho ny andian-drahona navelan’ilay rivodoza Eloise. Mbola mikorontana ny toetry ny andro eny an-dranomasina. Mety hahatratra 50 hatramin’ny 70km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra ary hisy fiantraikany any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy izay arahina tsiokan’ny talio. Ho betsaka sy […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Divers, NS Malagasy
Namoaka filazana, omaly, ny Cisco ao Mahajanga fa miato aloha ny fianarana rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana any an-toerana. Mikija fatratra ny orana ary mbola misy ny rivotra faramparany manaraka ilay rivodoza ka noraisina ny fanapahan-kevitra tsy hitera-doza ho an’ny mpianatra sy ny mpanabe. Miankina amin’ny fivoaran’ny toetr’andro ny mety hiverenana mianatra […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Divers, NS Malagasy
“Raha eo amin’ny lafiny fandaminana, sarotra ny ahazoana mametraka izany. Satria ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona, mametraka fa miankina amin’ny fifidianana depiote sy aorian’ny fifidianana solombavambahoaka ny hanaovana fifidianana ny ho lehiben’ny mpanohitra” hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana. Miankina amin’ny depiote avokoa ny momba ny mpanohitra amin’ny fomba ofisialy. Andraikitra iraisan’ny loholona amin’ny […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Politique

Namoaka ny tatitra vonjimaika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Eloise ny eo anivon’ny BNRC, omaly. Tsy mbola feno tanteraka anefa ny antontanisa eo an-tanan’izy ireo. Nisy iray maty ary tafakatra 2 804 ireo traboina. Miisa 466 kosa ireo nafindra toerana. Eo amin’ny fotodrafitrasa, miisa134 ireo trano dibo-drano raha 434 ireo simba ary rava tanteraka kosa ny trano […]
Par Taratra sur 22/01/2021
NS Malagasy, NS-Politique

Nitondra fanazavana manoloana ny fiainam-pirenena ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Razafimahefa Tianarivelo. Nohitsiny fa mitoetra ny demokrasia eto Madagasikara. “Mazava aloha fa fitondrana demokratika ny fitondrana amin’izao. Tena demokraty tokoa ny filohan’ny Repoblika. Tany demokratika i Madagasikara, ary afa-maneho hevitra amin-kalalahana ny rehetra. Porofo hitantsika isan’andro amin’izany ny eny amin’ny haino aman-jery rehetra, […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Divers, NS Malagasy
Nanome 48 ora ny mpitantana ny Jirama ny fanjakana foibe, araka ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 20 janoary teo. Voalaza fa mandray fanampiana vola anarivony tapitrisa ariary amin’ny fanjakana ity orinasa ity ka ilaina ny fampidinan’ny Jirama ny saran’ny jiro sy ny rano mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka. Efa natao ny paikady rehetra hitanana ny […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Divers, NS Malagasy
Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha, ny fampahafantarana fa eo an-dalam-piaraha-miasa tanteraka ny fitondrana afrikanina tatsimo sy ny fitondrana malagasy. Amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny minisiteran’ny Fitsarana izany momba ilay “Raharaha volamena” sarona tany Afrika Atsimo. “Nalefa avokoa any am-pelatanan’ny departemanta afrikanina tatsimo ireo antontan-taratasy rehetra manodidina ity raharaha ity. Efa nalefa ihany koa ny didy fampisamborana […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Edito Taratra, NS Malagasy

Taon’ny asa ny 2021? Na ahoana na ahoana, mba atao hoe efa lasa ny zavatra taloha. Raha tsy hahatsiahy sy hiteny afa-tsy ny tamin’ny taon-dasa, ohatra: mafy sy sarotra ny fiatrehana ny ady tamin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Tsy nisy sehatra sy ambaratonga tsy nizaka fahasahiranana noho ny fihibohana: tsy nahazoana nihetsika firy tamin’ny asa […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, La Une - Taratra, NS Malagasy

Maro ireo mpiantsena mitaraina ho voaharom-paosy na voaendaka. Omaly kosa, ravan’ny polisy ny andiam-behivavy mpanao asa ratsy isaky ny tsenan’alakamisy etsy Mahamasina. Vehivavy ihany koa ny tena lasibatr’izy ireo. Tsy fanaka malemy intsony ireto vehivavy ireto raha ny zava-bitany! Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, mody mamonjy tsena rehefa isaky ny alakamisy eny Mahamasina ireto vehivavy […]
Par Taratra sur 22/01/2021
En Bref, NS Malagasy
Zandary iray koa namoy ny nandritra ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny fokontany Ambohibato Ambohimanambola, omaly. Nitsofoka teo amin’ny varavarankely ireo jiolahy ary tafiditra tao an-trano. Notsatotsatohin’ireo jiolahy antsy ilay zandary. Nandeha ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Tanà Ville ka tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka amin’izany. Olona maromaro koa indray naratra mafy vokatry ny […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Divers, NS Malagasy
Nandritra ny fitsidihana nataon’ny filoha Rajoelina tany Taolagnaro, ny 19 janoary lasa teo, no nampahafantarany amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ireo fiara vaventy hitondra vatsy ho fanampiana ny vahoaka any atsimo. « Caravane du sud » ny hiantsoana ity fandaharanasa ity ary mandray anjara feno amin’izany ny eo anivon’ny Tafika amin’ny alalan’ny CCOK. Tamin’io fotoana io no nandefasana […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, NS Malagasy

Na maro aza ny efa tratra, tsy mety foana ireo tsy maty voalavo an-kibo mandringana harena voajanahary eto amintsika. Miisa 288 ny sokatra tratran’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (Dredd) Atsimo Andrefana, omaly. Tao amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Sanfily no nahatrarana azy ireo, saika hatao entana hampakarina aty Antananarivo. Tsy fantatra kosa […]
Par Taratra sur 22/01/2021
Faits Divers, NS Malagasy

Lavo teo am-panatanterahana ny asany noho ny fiarovana ala ny GPHC Rahajaharison Lahatra miasa ao Ambatondrazaka, afakomaly tao Amparibolana, fokontany Mandanivatsy, kaominina Besakay, distrikan’Ambatondrazaka. Nokapain’ny fokonolona ny antsibe izy ka namoy ny ainy… Nahazo taratasy fangatahana fiaraha-miasa avy amin’ny sampandraharam-paritra momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (DREDD) Ambatondrazaka ny vondron-tobim-paritry Zandarimaria any an-toerana […]
Par Les Nouvelles sur 22/01/2021
Elucubrations, NS Malagasy
Nisesisesy tato ho ato ireo trangana tsy fandriam-pahalemana nahavoa mpitandro filaminana. Zandary iray nofiraina ny lohany raha namita iraka tany Ambatondrazaka. Iray hafa namoy ny ainy nandritra ny fanafihana mitam-piadiana teny Ambohimanambola. Tsatok’antsy maromaro no nanapitra ny ainy. Ny teo alohan’izany moa dia olon-tsotra na sivily araka ny fiteny mahazatra no niharan’izany. Ny itovizan’izy rehetra […]