Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Divers

Fiba 3×3 – Mada 2016 : tsy hifampitsitsy ireo ekipa 20 mpandray anjara

Raikitra. “Asio telo any e!”. Nampitondraina io lohateny io ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Fiba 3×3, taranja basikety lalaovin’olon-telo. Fifaninanana karakarain’ny federasiona malagasy (FMBB) miaraka amin’ny kaomisiona mpikarakara, anio 30 sy rahampitso 31 janoary, etsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Araka ny efa fantatra, ekipa 20 avy amin’ireo ligim-paritra 11 no indray hifaninana. Ny […]

Atsimo : zaza 12 amin’ny 100, tsy ampy sakafo

Zaza 12 amin’ny 100 (latsaky ny 5 taona) tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’ny distrika maromaro (Tsihombe, Beloha, Ampanihy…) any atsimo, araka ny fanadihadiana natao ny volana avrily 2015. Amin’ny distrika sasany, tafakatra 30% ny taha. Ny volana oktobra lasa teo, voatily fa niakatra be ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mahazo ny ankizy raha […]

Boriborintany VI : nijery ny olana fototra ny ben’ny Tanàna

Nidina ifotony teny amin’ny boriborintany VI ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, ravalomanana Lalao niaraka tamin’ny ekipany. Nijery ireo olona mianjady amin’ny mponina ny tenany tamin’izany. Nisy ny resaka nifanaovan’ny ben’ny Tanàna tamin’ireo fikambanan’ny mpitantana sy mpampiasa rano (AUE). Maro ny olana sedrain’izy ireo satria efa antitra ny fantsona mpitondra rano any amin’ny fokontany Avara-tanàna ary koa tsy […]

Praiminisitra Ravelonarivo Jean : « Ho henjana ny fampiharana ny lalàna »

« Ho henjana ny fampiharana ny lalàna momba ny harena an-kibon’ny tany mba tsy ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy intsony izany amin’izao fidirana ny telo taona hitondran’ny filoham-pirenena izao », hoy ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean, omaly tany Antsirabe. Napetraka sy notokanana tamin’io fotoana io ny Biraon’ny kadasitry ny harena an-kibon’ny tany (BCMM) any an-toerana ka nitokana izany ny tenany. […]

Vondrona afrikanina : tsy mampanahy intsony ny amin’i Madagasikara

 “Tsy misy intsony ary afaka ny ahiahy taloha momba an’i Madagasikara. Misy fandrosoana ny fahamarinan-toeran’ny toe-draharaha” , hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, tany Addis-Abeba, Etopia, afakomaly, momba ny dinika fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny faha-26 hataon’ny Vondrona afrikanina (UA), anio sy rahampitso. Voalazan’ny Vaomiera ao amin’ny UA, tarihin’i Nkosazana Dlamini Zuma, fa mihatsara ny […]

Hetsika tsy nahazoana alalana : miatrana etsy Ambohijatovo ny Emmo/Reg

 « Efa misy voaomana handeha hiandry ny kianjan’Ambohijatovo anio (omaly hariva). Tsy hiandry ny rahampitso (anio) ary hiatrana eo amin’ny fotoana rehetra, manoloana ny mety ho fanohintohinana », hoy ny eo anivon’ny zandary etsy Ankadilanana, omaly, manoloana ny mety hisian’ny hetsika ataon’ny depiote Tim na koa ny hafa. Tsy nahitana mpitandro filaminana anefa teny an-toerana, omaly tokony […]

Ambodiafontsy : mpitondra môtô iray maty nidona tamin’ny pôtô

 Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô Scooter nidona tamin’ny pôtô teny Ambodiafontsy Ampitatafika, afakomaly hariva. Voalaza fa avy aty an-dRenivohitra izy nitondra olona roa.  hamonjy fodiana eny Ampitatafika. Nandeha mafy anefa ilay mpitondra môtô ka tsy nahafehy ny familiana intsony ka nifatratra tamin’ny andrin-jiro. Potika tanteraka ilay môtô, naratra mafy kosa ilay olona niaraka taminy […]

Jery taratra… herinandro : mifanohitra ny faniriana sy ny iainana  

Fito taona ny “Alatsinainy mainty“, nisian’ny fandrobana tamin’ireo tanàn-dehibe. Nilaza ny filoha teo aloha, Ravalomanana, fa tsy manenjika ireo nandroba ny fananany tamin’izany, izay lasibatra manokana. Takiny ny hamerenana ny fananany sy hanonerana ny fahavoazany. Tsy mbola fantatra izay tena atidohaben’iny raharaha iny. Mitaky ny fanadihadiana sy famerenana ny fifidianana loholona ny kandidà MMM, Marina, […]

Pétrole  : un « effondrement révélateur… »

Depuis la fin de l’année 2015, l’évolution des bourses mondiales semble être dictée par les soubresauts des cours du pétrole. A chaque baisse de prix du baril, les marchés d’actions corrigent violemment à la baisse comme si la baisse de la première source d’énergie mondiale indiquait un affaiblissement de l’activité. Pourtant, cette baisse a d’abord […]

Tourisme  : Diana signe un code de conduite

Dans le cadre de la lutte contre l’exploitation sexuelle des enfants à des fins commerciales (Esec) et le tourisme sexuel impliquant des enfants (TSIE), 34 entités et opérateurs touristiques dans la Région Diana ont procédé le 27 janvier dernier à Antsiranana, à la signature du code de conduite pour renforcer la lutte contre l’Esec et […]

Soroptimist Antsirabe  : des formations en série

Le Soroptimist international Madagascar, club d’Antsirabe dispense des formations professionnelles aux femmes depuis 30 ans, selon sa présidente Clara Nirina Ramaherison. L’objectif est de venir en aide aux femmes au foyer afin que plus tard leur acquis puisse être une source de revenus pour les familles.  Les 16 jeunes de  la  20ème promotion de la […]

Ambatolampy  : une familles en détresse

Submergée totalement par ses problèmes de survie, une famille nombreuse, composée de 11 membres dont 6 jumeaux issus de deux triplés, a décidé de tenter le coup en lançant directement son appel de détresse à la première dame par voie de presse, hier. Résidant dans la commune rurale d’Antanamalaza dans le district d’Ambatolampy, la famille […]

Cartographie en ligne  : des Malgaches s’y appliquent

Sous l’égide de l’Agence universitaire de la Francophonie (AUF), une vingtaine de participants, tous des Malgaches, assistent depuis mercredi dernier un atelier de cartographie en ligne spéciale Madagascar au Campus numérique francophone d’Ankatso. Ils utilisent à cet effet l’application sur Internet « Openstreetmap », un logiciel de cartographie libre où l’on peut, non seulement utiliser les données […]

BMH  : l’Opid ne suscite plus l’intérêt public

Le Bureau municipal d’hygiène (BMH) d’Isotry rappelle que le service offert pour une opération de pulvérisation intra-domiciliaire (Opid) reste toujours gratuit dans la capitale. «Malgré cette opportunité, les intéressés ne se bousculent pas au portillon pour formuler leur demande», a déploré hier un médecin du BMH. Toutefois, à la différence des Opid réalisés auparavant, le […]

Vie de la nation  : le silence assourdissant du HMF

Où sont donc passés les membres du mouvement «Hetsiky ny mpitondra fivavahana» (HMF ou mouvement des leaders chrétiens) ? Une question qui taraude l’esprit des observateurs de la vie nationale, surtout en ce moment où les la mauvaise gouvernance, la corruption, l’insécurité, la pauvreté, le délestage, l’eau insalubre alimentent les débats. En effet, le HFM est […]

Remaniement ou non  : les députés reviennent sur l’article 54

Alors que les rumeurs sur un éventuel remaniement gouvernemental ou même un changement à la tête du gouvernement sont d’actualité, certains députés reviennent et insistent sur l’article 54 de la Constitution qui stipule que «Le Président de la République nomme le Premier ministre, présenté par le parti ou le groupe de partis majoritaire à l’Assemblée […]

Croix rouge malagasy : ho an’ny rehetra ny fiofanana vonjy taitra

Mampihena ny taham-pahafatesan’ny olona niharan-doza ny fifehezan’ny manodidina azy ny teknikan’ny vonjy taitra voalohany na “premiers secours”. Mikarakara fampiofanana mikasika ny vonjy taitra ny Croix rouge malagasy izay hampitain’ireo efa matihanina amin’izany. Misokatra ho an’ny rehetra izany fiofanana izany ny 3 ka hatramin’ny 5 febroary izao eto Antananarivo. Tsy mifidy sokajin-taona ny fianarana ny vonjy […]

India-Madagasikara : hetsika toekarena hatao any Mumbai

Nankalazaina, ny 26 janoary teo, ny faha-66 taona ny fetim-pirenena indianina. Anisan’ny navoitran’ny ambasadaorony miasa eto amintsika, Sem. Chandra Ballabh Thapliyal, nandritra ny lanonana tetsy amin’ny Carlton Anosy, fa tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, hanohanana an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana. Raha ny lafiny toekarena, nentaniny ny mpitondra, ny mpiasa birao, ny mpampiasa vola, […]

Fizahantany mamoafady : vita ny fitsipi-pitondrantena ao Diana 

Natao sonia omaly tany Antsiranana ny fitsipi-pifehezana tokony harahin’ny mpisehatra amin’ny fizahantany eto amintsika. 34 ny vondrona sy mpandraharaha amin’ny fizahantany nanaiky ny hiasa hiady amin’ny fanararaotana atao amin’ny ankizy sy ny fizahantany mamoafady ho an’ny faritra Diana. Nialohavana fiofanana ny fametrahana ny fitsipi-pifehezana fitondrantena ho an’ny mpisehatra rehetra tafiditra ao anatin’ny resaka fizahantany. Miara-miasa […]

Farira Melaky sy WWF : averina ny voly honko

Tratra ny tanjona ao amin’ny fokontany Manombo, kaominina Betanantanana, distrikan’i Maintirano. Notohizana ny fambolena honko (mangrove) amin’ity taona ity, voana honko 50.000 novolena, nandritra ny dimy andro, tetikasa iarahana amin’ny WWF. Fambolena niarahan’ny vondron’olona ifotony sy ireo teknisianina avy ao amin’ny WWF ; nanampy azy ireo ny  sampandraharaham-paritry ny jono sy ny sampandraharahan’ny ekolojia, tontolo iainana, […]

Haody : saro-devonina !

Tsy ny sakafom-batana ihany fa ny sakafon-tsaina indrindra indrindra no tena saro-devonina. Nobaikoin’ny vahiny mpanjakazaka an-tanin’olona isika nandritra ny fanjanahantany. Hatramin’izao, mbola misy miteny ihany fa “araka ny teny baiko…”, rehefa hampiasa ny teny frantsay. Ohatra ihany io fa zavontany ny tranga tahaka izany eo anivon’ny fiarahamonina malagasy. Antony iray tsy ahitantsika fahombiazana ireny sakafon-tsaina […]

Fitakiana ireo Nosy : hamely tampoka ireo mpitaky

 Hidina an-dalambe amin’ny fotoana tsy ampoizina sy tampoka ireo mpitaky ireo Nosy malagasy manodidina, araka ny nambaran’izy ireo, omaly tetsy Andravoahangy Ambony. ”Tsy manantena inona amin’ny mpitondra fanjakana ny amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina izahay”, hoy izy ireo. Misakana ny fitakiana ireo Nosy ireo ny eo anivon’ny fitondrana, raha ny hetsika indroa miantoana nataon’ireo […]

Tsy manaiky hatao fitaovana ny zanak’i Fandriana

Nifoha amin’ny torimasony ? Nahatsiaro tena ho voafitaky ny mpanao politika hatrany ny zanak’i Fandriana, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. Manana olona maro misahana andraikitra ambony eto amin’ny firenena izy ireo. Eo koa ireo mpanao politika sy mpandraharaha samihafa. Ny mpitantana teo aloha amin’ny isan’ambaratongany, manomboka eo anivon’ny kaominina, distrika… Tsy tena hita taratra anefa ny […]

Tselatra

Trano miisa 33 indray kilan’ny afo, nandritra ny haintrano tany Antseranampasika Toamasina II, afakomaly. Voalaza fa vokatry ny fipoahan’ny fahitalavitra iray tao amin’ny tokantrano iray no nitarika ny fahamaizana. Naharitra ela vao voafehy ny afo, saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy fa fianakaviana 21 tsy manan-kialofana. Fa tranohazo iray koa nirehitra tao Ampasimazava Toamasina […]

Ihosy : olona efatra saika hivarotra taolam-paty

Noraisim-potsiny! Tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andohan’Ilakaka, afakomaly, ireo olona efatra saika hivarotra taolam-paty an-tsokosoko tany an-toerana. Araka ny fanazavan’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisian’ireto olona mikasa hivarotra taolam-paty ireto ao Andohan’Ilakaka. Nidina teny an-toerana ny zandary ka nanao ny vela-pandrika rehetra ka sarona avy hatrany ireo olona efatra voarohirohy. Voalaza […]