Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Divers

Jirama : efa tonga ny faktiora jolay ho an’Analamanga

Mitohy ny fampiharan’ny Jirama ny antsoina hoe «facturation par lots». Izany hoe, naroso ny fandoavana ny faktiora ka aloa avy hatrany ny fandaniana jiro sy rano, ny volana itsahana fa tsy miandry iray volana, toy ny hatramin’izay. Nampiharin’ny Jirama izany fepetra vaovao izany, nanomboka ny faktiora volana marsa. Amin’izao fotoana izao, efa tonga any amin’ny […]

Toamasina : 50 000 ireo hahazo sosialim-bahoaka

Manomana ny fandaminana ny fizarana sosialim-bahoaka indray ny ekipa rehetra ao Toamasina. Omaly, nisy ny fivoriana notarihin’ny governor, ny prefet, ny solombavambahoaka niaraka amin’ny ben’ny Tanàna sy ny Fid ary ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany natao tao Mangarano ho fandaminana ity hetsika ity. Ivondronan’ny tompon’andraiki-pahefana rehetra ny fandaminana mba tsy hisy ho tompon-trano mihono sy […]

Foko Kivalo – Menabe : miaro sy mivelona amin’ny ranomasina

Miavaka ny foko Kivalo any amin’ny morontsiraka an­drefana, faritra Menabe, eo amin’ny fiarovana ala honko. Mivelona eo anelanelan’ny ranomasina sy ny ala honko ireo foko ireo, mitandrina ma­fy ny tontolo manodidina: ranomasina sy ny ala, harena voajanahary miantoka ny jono sy ireo zavaboahary maro hafa loharanon-karena. Najoron’ny foko Kivalo ny fikambanana «Analamaitso tsy ho gnan’olo» […]

Vatsy sosialim-bahoaka-Ambohibary Antanimena : nitondra teny fisaorana ny filoham-pokontany

Anisan’ny nisantatra ny fanampiana «Vatsy sosialim-bahoaka» avy amin’ny fanjakana ny fokontany Ambohi­bary Antanimena, boriborintany fahatelo, Antananarivo Re­nivohitra, ny asabotsy lasa teo. Vary 50 kg miampy menaka 2 litatra, ronono amin’ny boaty miisa roa, voanjobory 5 kilao, CVO iray fonosana. «Tena tsy nampoizina ilay vary iray gony, efa mba nitondra harona hitondrana ilay fanampiana izahay, hay […]

Belindo – Bekily : sokatra 16 tratran’ny zandary

Sokatra miisa 16 tratra nentin’ny roa lahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Belindo, distrikan’i Bekily. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary tao amin’ity kaominina ity no nandeha bisikileta izy ireo. Raha vantany vao nahatazana ireo zandary mpanao fisafoana izy roa lahy, nilefa niaraka amin’ny bisikileta nitondrany ireto sokatra ireto. Navelany teo kosa ireo sokatra. Nanara-dia nanenjika ireo […]

Anosibe Angarangarana : tezitra tamin’ny sefom-pokontany ireo tsy nahazo Vatsy tsinjo

Raikitra ny fifanjevoana, omaly teny Anosibe Angaran­garana. Andian’olona marobe no naneho ny hatezerany tamin’ny sefom-pokontany. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy ka voafehy ihany ny toe-draharaha teny an-toerana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nisy fizarana tohana ara-tsosialy (Vatsy Tsinjo) ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana avy amin’ny filoham-pirenena tao amin’ny fokontany Anosi­be Angarangarana. Ampahan’ olona […]

Kitra-Côte d’Ivoire: kandida ho filohan’ny federasiona i Didier Drogba

Nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy, maha kandida azy hofidiana filohan’ny federasiona Ivoariana, taranja baolina kitra, i Didier Drogba, ny sabotsy lasa teo, andro farany natokana hanaovana izany. Araka ny efa fantatra, nahemotra ny sabotsy 1 aogositra teo ny farafanaterana ny antontan-taratasy firotsahana hofidiana filohan’ny federasiona ny baolina kitra ao Côte d’Ivoire. Kapitenin’ny Elefanta teo […]

Kitra any Frantsa: lasan’ny PSG ny amboaran’ny ligy

Tontosa, ny zoma 31 jolay lasa teo, tao amin’ny kianja Stade de France, ny andiany farany amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ligy ao Frantsa. Norombahin’ny Paris St Germain izany rehefa nandresy ny Olympique Lyonnais (OL), tamin’ny fandakana ny “tirs au but”, 6 no ho 5, teo amin’ny famaranana. Fihaonana tsy namaly loatra ny hetahetan’ireo mpijery. Tsy […]

Banky iraisam-pirenena – Afrika: tsara tantana ny orinasa iandraiketan’ny vehivavy

Nankalazaina, ny 31 jolay 2020 teo, ny Andron’ny vehivavy aty Afrika, nilazalazan-dRtoa Diariétou Gaye, tale iray ao amin’ny Banky iraisam-pirenena aty Afrika, ny momba azy ireo. Nomarihiny fa ny kaontinanta afrikanina izao no ahitana vehivavy betsaka misafidy ny fandraharahana, saingy tsy fantatra loatra. Hitarina ny toeran’ny vehivavy mpandraharaha, hitovy laharana amin’ny lahy, hampisy fiovana aty […]

Fanadinam-panjakana: higadona afaka iray volana ny CEPE

Efa tsindrin-daona ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana. Afaka iray volana katroka (1 septambra) ny fanadinana CEPE. Aorian’izay ny fanadinana BEPC. Ny valanaretina anefa ity, tsy mbola ahitana mangirana ny hivoahana aminy. Manaporofo izany ny fitombon’ny marary isan’andro, araka ny tatitra avoakan’ny CCO. Mivonona ao anaty tahotra sy tebiteby ny mpianatra. Mamerin-desona araka izay tratran’ny fitadidiana na […]

Governoran’Analanjirofo: «Tsy ekena ny fampandrosoana mitanila»

« Iray ihany ny faritra Analanjirofo ka tsy ekena intsony n  fampandrosoana mitanila. Mendrika hisitraka fampandrosoana mitovy ireo distrika enina sy ny kaominina miisa 71 ary ireo fokontany miisa 815 mandrafitra ny faritra », hoy ny governora vaovao ao Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin. Notanterahina ny herinandro teo ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana sy […]

  Alaotra Mangoro: votsotra ilay lehilahy nalaina an-keriny

   Hitan’ny zandary sy ny fokonolona ary ny fianakaviany omaly maraina, tao amin’ny kaominina Ranomainty ilay raim-pianakaviana nisy naka an-keriny ny zoma teo tao Betambato kaominina Bejofo, faritra Alaotra Mangoro. Reraka izay tamin’ny fotoana nahitana azy ary nalefa avy hatrany amin’ny hopitaly ao Bejofo. Tsy nisy ny fandoavana ny lelavola mitentina 15 tapitrisa Ar notakian’ireo […]

Ikongo – Tsy nanaiky fitsaram-bahoaka: nopotehin’ny andian’olona ny kaomisarian’ny polisy

Andian’olona marobe indray niditra an-keriny sady nanapotika ny entana rehetra tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy ao Sahalanona, Ikongo, ny faran’ny volana jolay teo. Raha ny tatitra nampitain’ny depiote voafidy ao Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, nisy mpivarotra notafihin’ny jiolahy enin-dahy tao an-toerana, ny 7 jolay 2020. Henjana ny fanafihana satria nisy olona matin’ireo jiolahy tamin’io fotoana […]

#meinOrt: Dadee A. présente « A day in a life of i030 »

De plus en plus d’artistes participent à la scène virtuelle du Cercle germano-malagasy / Goethe Zentrum (CGM/GZ) baptisée #meinOrt, lancée au début du confinement. Parmi eux, Dadee Andrianaivoson, connu sous le pseudo i030, présente une vidéo intitulée « A day in a life of i030 ». Résidant actuellement à Nosy Be, il y présente son quotidien de […]

Sava: projet de désenclavement à Sambava

Le district de Sambava débloque ses droits aux fonds alloués dans le cadre du Comité local de développement (CLD) 2019. Sur ce, les travaux de réhabilitation de l’axe routier reliant le chef-lieu de la commune rurale de Nosiarina au fokontany Nosivolo sont en cours actuellement. Le député de Sambava, Ange Richard Ramilison, a expliqué ce […]

Résilience aux chocs: L’Afrique de l’Est plus dynamique

Malgré les conséquences de la pandémie de Covid-19, l’Afrique de l’Est demeure la région la plus dynamique du continent, selon les « Perspectives économiques régionales 2020 », publiées par la Banque africaine de développement (Bad). Le Covid-19 ralentit la croissance en Afrique de l’Est dont la prévision était de plus de 5 %, contre 3,3 […]

Journée de la femme africaine: faible représentation des femmes aux postes de décision

Malgré la pandémie de Covid-19, la journée internationale de la femme africaine n’a pas été oubliée. Outre la tenue de diverses visioconférences, quelques statistiques ont également été dévoilées. Au pays, l’Eisa Madagascar a profité de l’occasion pour faire le bilan de la représentation des femmes à l’Assemblée nationale. «Au niveau de l’Assemblée nationale, les femmes […]

Fianarantsoa: un meurtrier relâché puis arrêté pour une autre affaire

Activement recherché de­puis le début de la semaine, un malfaiteur d’une quarantaine d’années a de nouveau été in­terpellé par la police de Fiana­rantsoa, suite à des menaces de mort qu’il a proférées à l’endroit de ses voisins dans le vil­lage d’Amba­tovory. En fait, suite à des plaintes dénonçant les agissements du malfaiteur, la police fianaroise […]

Mahajanga: Enlevée et torturée, une fillette retrouvée morte

Un crime qui fait froid dans le dos. C’est le moins qu’on puisse dire concernant l’assassinat d’une fillette de 7 ans, portée dis­parue puis retrouvée morte avant-hier matin à Mahajanga. Selon les renseignements reçus auprès de la police judiciaire de Mangarivotra, l’enfant jouait avec ses amies non loin de son domicile à Tsararano Nosikely, lorsqu’un […]

Jirama : nametrahana “transformateur” iray eny Anosizato

Mitohy ny famahana ny olana amin’ny fahatapahan-jiro ato anatin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodi­dina (RIA). Nametrahana fi­taovana « transformateur » vaovao fanampiny eny Anosi­zato Andrefana, ny 29 jolay teo. Hanamafy ny tanjaky ny herinaratra eny an-toerana sy ny manodidina ity fitaovana vaovao ity. Simba matetika mantsy ny eny Anosizato An­drefana, nahatonga ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo […]

Sakana ara-pahasalamana : fiara 3939 voasava teny amin’ny lalam-pirenena

Miisa 131 ireo sakana ara-pahasalamana napetraka eny amin’ny lalam-pirenena ao anatin’ireo faritra 17 eto Ma­dagasikara. Matsiatra Ambony misy telo, Vakinankaratra (roa), Atsimo Andrefana (18), Vato Vavy Fito Vinany (13), Alaotra Mangoro (dimy), Amoron’i Mania (10), Analanjirofo (efatra), Anosy (fito), Atsimo Atsi­nanana (valo), Betsiboka (dimy), Bongolava (enina), Ihorombe (dimy), Itasy (efatra), Melaky (17), Menabe (valo), Sava […]

Tao anatin’ny telo volana : 1.600 ireo vehivavy niharan’ny herisetra

Nomarihina, omaly, ny Andro ho an’ny vevivavy afrikanina. Araka ny tatitra nataon’ ny minisitry ny Mponina, i Naharimamy Lucien Irmah fa nihamaro ny herisetra mian­jady amin’ny vehivavy ao an-tokantrano amin’izao fotoan’ ny fihibohana izao. Nanom­boka ny volana avrily hatramin’ny jolay teo, nahatratra 1600 ireo vehivavy niharan’ny herisetra voaray tamin’ny laharana maitso 813. Vehivavy eo anelanelan’ […]

Météo: Il fait 10 degrés à Analamanga

Le froid intense ressenti en début de semaine a cédé sa place aux temps ensoleillé et chaleureux hier. Pourtant, cela ne durera pas, car d’après les prévisions météorologiques, le froid de canard reviendra en force dès ce soir, notamment sur les Hautes terres centrales (HTC) et dans la région Atsinanana. Ces zones connaitront une nette […]

Fanafody covid-19 : azo alaina eny amin’ny CSBII

Nitondra fanamarihana omaly ny dokotera Rakotoa­ri­vony Manitra, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny mini­siteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly fa efa napetraka ny fandaminana vaovao ho an’ireo olona nahavita fitiliana ary voaporofo fa mitondra ny coronavirus. Tsy voatery mankeny amin’ny DGSF eny Befela­tanana intsony izy ireo maka ny fanafody fa avy hatrany dia eny amin’ny CSB akaiky azy. […]

Fikarohana – “Microcebus jonahi”: Karazam-barika kely vaovao

Saika isan-taona, ahitana karazam-barika na gidro vaovao eto Madagasikara vokatry ny fikarohana hitan’ireo ma­nampahaizana haivarika. Lo­hany amin’ny fikarohana ny profesora Ratsimbazafy Jonah ao amin’ny Gerp* miaraka amin’ny mpikaroka vahiny hafa. Ity volana jolay 2020 ity no nahafantarana fa misy varika kely vaovao hita sy fantatra vokatry ny fikarohana nandritra 10 taona mahery eo amin’ ireo […]