Ralantoaritsimba Nirina : mitohy any Fianarantsoa ny atrikasa famoronana sy fanoratana

Tontosa, omaly, tao amin’ ny Direction régionale de la Communication et de la culture na DRCC Amoron’i Mania, ny atrikasa famoronana sy fanoratana eo amin’ny sehatry ny asa soratra. Ralantoari­tsimba Nirina, mpanoratra bo­ky sy mpampianatra eo amin’ ny sehatry ny literatiora, no hitondra sy hizara ny fahaizany amin’ny mpiofana, mandritra izany atrikasa izany. Ny Academie Nationale des arts et de la culture na ANAC no mikarakara ny hetsika. Tan­jona ny hanomezana fiofanana sy fampianarana ny mpanoratra sy izay maniry hiditra eo amin’ny sehatry ny fanoratana, mba hampanara-penitra sy hampanara-dalàna ny asa soratr’izy ireo.

Anjaran’ny any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa in­dray no handray ny atrikasa ho an’ny famoronana sy fanoratana, raha efa ny teto Antananarivo. « Anisan’ny fantsona ahafahana mitondra fanabeazana ny asa soratra sy ny literatiora, Izany indrindra no hanolorana fampiofanana sy hizarana fahaiza-manao ho an’ny mpanoratra malagasy » , hoy Ralantoaritsimba Nirina. Ny mahakasika ny asa soratra iray manontolo mihitsy no hifampizarana sy hitondrana fampiofanana ao anatin’izao atrikasa izao. Mano­mboka any amin’ny famoronana ny asa soratra hatrany amin’ny famoahana ny boky no hampiofanina mandritra ny atrikasa. “Maro ny tanora no tia manoratra sy manana aingampanahy ary talenta. Mba hahatomombana sy hahalavorary ilay asa soratra anefa dia ilaina ny fanarahana ny fenitra misy”, hoy ny mpampiofana. Resahana mandritra izany ihany koa ny olana sedrain’ny mpanoratra tsirairay avy. Raha ny mahakasika ny atrikasa efa vita. Anisan’ny olana sedrain’ny mpanoratra amin’ny ankapobeny ny famoahana ny boky, izay efa nitondran-dRalantoaritsimba Nirina torohevitra.

Antenaina ny hahamaro ny mpiofana ho an’ny ao Fianarantsoa, amin’ny atrikasa hotanterahina ny alatsinainy 8 mey 2023, ao amin’ny Maison de Communication et de la culture, Sokela Hagnina, Ambatomena. Maro no tonga niatrika ny atrikasa, raha ny teto Antananarivo sy Antsi­rabe ary Ambositra no jerena. Efa misehatra eo amin’ny tontolon’ny fanoratana tononkalo sy tantara foronina avokoa ny maro anisa tamin’izy ireo.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: