Poopy – 40 taona an-tsehatra: hitohy any Frantsa ny fankalazana

Niavaka raha samy seho ilay “Premium live”, natolotr’i Poopy, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Nanaiky niara-nilalao mba hametraka tadidy mahafinaritra ireo mpankafy, nanomboka tamin’ny fampitoviana ny fitafy ka hatramin’ny fiaraha-miredona ireo hira nalahatra. Tsy vitan’ny nanatrika seho manokana fa tafiditra ho mpandray anjara anatin’ ny rakitsarin’ny “Tsy ahita” koa ireo mpankafy tsara vintana ka vory tao.
Namaramparana ireo andiam-pampisehoana, nanamarihan’ity mpanakanto ity ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra izany. Seho maro nefa samy tsy nisy nitovy no natolony, teto Antanananarivo sy tany amin’ny faritra vitsivitsy.
Fantatra kosa izao fa hitohy any Frantsa ny fanamarihan’ity mpanakanto ity ny fankalazana. Manome fotoana ireo mpankafy azy ao Paris, Frantsa i Poopy, ny alahady 21 oktobra. Ny Andry Production no mandray an-tanana ity seho voalohany hatao ao amin’ny Lune d’Or, ao Paris ity. Fanokafana ny andian-tseho any ivelany io, raha ny fantatra, fa mbola hisy daty maromaro hivoaka miandalana. Hiara-dalana amin’i Poopy ny tarika iray manontolo, ka tsy ho latsa-danja tamin’ny seho rehetra tontosa taty ny any ivelany.

Zo ny Aina

Partager sur: