Papa Benoit XVI : nampiray izao tontolo izao ny fandevenana

Notontosaina, omaly ma­ra­ina, ny sorona masina fanomezam-boninahitra an’Andria­manitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin’ny Papa émérite Benoit XVI. Ni­tarika ny lamesa tao amin’ ny kianjan’i Md Piera ao Vatican, ny Papa François. Nisy ny kardinaly nanampy azy nitarika ny lamesa, noho ny tsy fahasalamana mahazo azy, ka tsy ahafahany mijoro maharitra. Nahatratra 4000 mahery ireo kardinaly, eveka sy pretra niara-nanolotra ny lamesa taminy, nanomboka ta­min’ny 11 ora sy sasany atoandro eto Madagasikara. Naharitra adiny iray mahery ny fotoana nanaovana vavaka sy hira fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, araka ny litorijian’ny fiangonana katolika romana. Miisa 50.000 ireo vahoaka avy amin’ ny vazantany efatra nanatrika ny fotoam-pivavahana sy ny fanafenana azy. Tonga maro nanotrona izany koa ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena maro samihafa. Toy ny minisitra, tompon’andraikitra isam-pinoana avy amin’ ny firenena maherin’ny 20. Anisan’izany ny patriarka avy amin’ny Orthodoxe, ny filohan’ny fiangonana Loteriana ary ny Anglikanina. Mpanao gazety miisa 1000 mahery avy amin’ny firenena maro samihafa no nahazo alalana nanangona vaovao tamin’io fotoana io. Natao tamin’ny fiteny latina ny lamesa. Natao tamin’ny fiteny samihafa (frantsay, anglisy, portiogey…) kosa ny vakiteny sy ny ranombavaka. Nitondra fampianarana tamin’ ny alalan’ny toriteny, ny Papa François, am-perinasa, nandimby azy. Raha ny zava-niseho, nampiray izao tontolo izao ny fandevenana ny Papa Benoit XVI .
Nisy ny fanaovana ny vavaka sapile, raha vao tafapetraka teo amin’ny kianjan’i Md Piera ny vata nisy ny nofo mangatsiakany. Napetraka tao amin’ny bazilikan’i Md Piera, ny vata-mangatsiakany taori­an’ny fotoam-pivavahana. Ma­rihina fa nametra-pialana tsy ho Papa intsony, ny Papa Benoit XVI, tamin’ny 2013, noho ny aretina nahazo azy. Voafidy nisolo ny toerany, handimby azy eo amin’ny fiketrahana masina ao Vati­can, ny Papa François.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: