Omby valo very : rahalahiny ihany nanafika sy namono azy

Maty tsy tra-drano voan’ny bala nataon’ny dahalo ny tompon’omby iray tao amin’ny tanànan’i Soararivato, fokontany Tsinjavina, kaominina ambanivohitra Fenoa­rivo, distrikan’Ambatofi­nan­dra­hana, ny alin’ny alarobia 18 janoary teo. Dahalo maherin’ny folo nitondra basy sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray. Rahalahy iray tampo amin’ny tompon-trano ihany anefa ny iray tamin’ireo dahalo. Nohidin’ ireto olon-dratsy avy any ivelany ny trano ka nalain’izy ireo mora foana ny omby. Kinanjo, rehefa nahita ny rahalahiny ilay tompon’omby, niezaka nanohitra. Tsy nisalasala ilay rahalahiny nanao dahalo nitifitra azy io. Voa nifanandrify ny tarehiny io raim-pianakaviana io ka na­moy ny ainy. Poa toy izay, nirifatra nandositra ireo dahalo niaraka tamin’ny omby valo. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana mandamina ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: