Nosy-Be: Cash point nahatrarana vola sandoka 4 hetsy Ar

Noraisim-potsiny ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ireto olona voarohirohy tamina raharaha vola sandoka ireto. Vola sandoka mitentina 4 hetsy Ar no saron’ny polisy ao Nosy-Be tamina kioska iray afakomaly, rehefa nokasaina haparitaka ao an-toerana. Naharay antso tamin’ny
polisy monisipaly ny avy ao amin’ny kaomisarian’i Nosy-Be momba ny fisiana vola sandoka maromaro tao amin’ilay Cash point. Nidina ifotony avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireo vola sandoka 20 000Ar mitentina 4 hetsy Ar ireo. Lehilahy iray saika haka ireo vola sandoka tamina vehivavy roa niasa tao amin’ilay Cash point. Monina ao Dar es Salaam, Nosy-Be ihany ireto voarohirohy ireto.
Voasambotry ny polisy ao Amoron’i Mania tao Ambato­nandriana Fandriana, afakomaly, koa ny lehilahy iray saika hividy entana tamin’ny vola sandoka. Niantso polisy avy hatrany ireo mpivarotra nampahafantatra momba ny fisian’ity lehilahy miaraka amin’ny vola sandoka ity. Nikasa hividy fahitalavitra izy tamin’io fotoana io. Mitovy avokoa ny laharan’ireo vola sandoka ireo.

Jean Claude

Partager sur: