Menabe : anjakan’ny kolikoly ny hazo sarobidy

Navoakan’ny Transparency International –Initiave Mada­gascar (TI-GM), omaly fa anjakan’ny kolikoly ny fanondranana hazo sarobidy avy any amin’ ny faritra Menabe. Fahavoa­zana goavana ho an’ny firenena, satria manapotika ny tontolo iainana no mahafatiantoka ny fanjakana, araka ny nambaran’ny TI-GM.
Betsaka ny kolikoly amin’ ny ambaratonga samihafa , manomboka eo amin’ny fanapahana ireny hazo ireny, ny fitaterana, ny fanambarana na fanodinana ny varotra, ka ha­trany amin’ny fanondranana azy. Misy anefa ny lalàna ma­zava tsara sy manan-kery momba ny hazo sarobidy eto Madagasikara. Tsy araka ny zava-misy sy fijoroana vavolombelona ireo. Mifanipaka ny lalàna sy ny fanapahana ireo hazo ireo, ohatra, ny voamboana. Tsy hita ny fomba hanavahana ireo hazo, tsy misy rafitra mazava hanarahina ireo mpandraharaha amin’ny fanenjehina izay mpano kolikoly.

Tsiahivina fa 104 000 t ireo karazana hazo sarobidy naondrana teo anelanelan’ny taona 1998 sy 2014, nefa 39 % ihany no ara-dalàna, araka ny tombatomban’ny Traffic Interna­tional. Anisan’ny hivoahany be indrindra ny faritra Menabe. Natao ny fanadihadiana avy amin’ny fanohanan’ny Usaid, WWF, Alliance Voahary Gasy (AVG) , Traffic International, sy TI-MG. Mba tsy hisian’ny kolikoly ny tanjona, raha ho vita, ho fiarovana ireo hazo sarobidy ireo.

Ndrina

Partager sur: