Mahitsy : 14 mianadahy nahatrarana “rôrô” 10 grama

Voasambotry ny zandary ireo 14 mianadahy mpivarotra rongony mahery vaika sy mpidoroka ao Mahitsy, ny 29 avrily teo. Nitondrana alika mpi­tsongo dia, noraisim-potsiny izy 14 mianadahy ireto, ny faran’ny herinandro teo. Na­ha­ray loharanom-baovao manoloana ny fisian’ny tambajotra mpivarotra sady midoroka héroïne na “rôrô” izy ireo. Nanao ny paikady rehetra, nidina ifotony niaraka tamin’ny alika ny mpitandro filaminana. Sarona tamin’izany ny olona 14. Rehefa natao ny fisavana, sarona teny amin’izy ireo ny “rôrô” milanja 10 g. Tsy vi­tan’io, tra-tehaka tao amin’io toerana io koa ny fitaovam-
pitsindronana io zava-mahadomelina mahery vaika io.
Ankoatr’io, mbola naitana rongony 2,300 kg koa izy 14 mianadahy ireto. Mpivarotra, nisy hatramin’ny mpidoroka ire­to sarona ireto. Efa nalaza ratsy hatry ny ela ny fisiana mpanaparitaka io zava-mahadomelina io ao an-toerana ka izao tra-tehaka izao. Vehivavy ny roa tamin’ireto 14 voasambotry ny zandary ireto. Ma­no­lo­ana ny firongatry ny tanora miroboka amin’ny zava-mahadomelina, nanamafy ny mpitandro filaminana fa tsy hilefitra amin’ireo minia mivarotra izany.

Tsiferana R.

Partager sur: