Lomano-50 m : maherin’ny 300 ny mpandray anjara

Tanterahina any Toama­sina, nanomboka omaly 12 hatramin’ny 15 avrily, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, amin’ny halavirana 50 m. Mpilomano maherin’ny 300 no mifaninana amin’izany, atao ao amin’ny Piscine olympique du CJST. Klioba mihoatra ny 20 ny mandray anjara amin’ity andiany 2023 ity.
Natao hanomanana sy hi­fantenana ireo atleta malagasy hanao ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny volana aogositra ho avy izao ny fifanintsanana. Amin’io fifaninanam-pirenena io ihany koa no hitiliana ireo solontenantsika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sokajy “se­nior” sy “junior” ary ny lalao maneran-tany.
Ankoatra izay, lasa masoivohon’ny orinasa Telma Rabe­­jaona Holy Antsa, vehivavy atleta malagasy nitondra avo ny anaran’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana nataony. Anisan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, tany Budapest, ny taona 2022 lasa teo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: