Loholona Andrianandrasana: “Misy ny fepetra arahina…”

“Rehefa mipetraka ny fi­tondram-panjakana iray, anisan’ny andraikitra lehibe ny fampandriana fahalemana ny tany amin’ny lafiny rehetra. Tsy voatery ho asan-dahalo ihany izay fandriampahalemana izay. Eo amin’ny lafiny rehetra izany, adidy goavana iantsorohan’ny fitondram-panjakana”, hoy ny loholona Andria­nan­drasana Hajaniaina Tahina, manoloana ny filazana fa fihemoran’ny demokrasia ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana, araka ny fepetran’ny mi­nisitry ny Atitany.
Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany no mikirakira sy anisan’ny tomponandraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny raharaha anatiny eto Mada­gasikara. Ny raharaha ato anatiny izany. An’ ny firenena malagasy izay raharaha anatiny izay. Izy no mandamina sy mandrindra ary mahita ny mety sy ny tsara.
Koa raha niteny an’iny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana iny ny minisitry ny Ati­tany, mampahatsiahy fa misy ny fepetra tsy maintsy arahina anatin’ny fitangorongoronana na ny fi­tenenana. “Rehefa ampahatsiahivina izay, tsy midika hoe fanerena na fihemorana amin’ny fisian’ny demokrasia”, hoy izy.

Manahirana ny demokrasia baranahiny

Niainana teto Madagasi­ka­ra ny rivotry ny demokrasia, nanomboka ny taona 1990, raha noheverina fa ja­dona ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka. Nefa ny vokany taty aoriana, lasa demokrasia baranahiny amin’izay te hiteny, te haneho hevitra, te hitabataba. Lasa mikorontana ny fiarahamonina, ary sahirana ny rehetra. Na ny zaza ao an-trano aza indraindray, lasa misy endrika tsy fanajana ny fanehoan-kevitra. Amin’ny tambajotran-tsersera, efa mi­hoatra amin’ny soatoavina malagasy no hita ao amin’ny fanehoan-kevitra.
Ny tena no mijery sy ma­metraka izay maha Malaga­sy izay, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: