“Lalao afrikanina 2024”: miankina amin’ny fanjakana ny ho isan’ireo atleta

Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny lalao afrikanina tanterahina any Ghana, i Madagasikara, amin’ity taona 2024 ity. Efa miomana amin’izany ireo taranja voakasika saingy hiankina amin’ny fitondrana ny ho isan’ireo atleta hifaninana.

Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro lasa teo, anisan’ ireo firenena handray anjara amin’ny andiany faha-13 amin’ ny lalao afrikanina tanterahina any Ghana, i Madagasikara. Fihaonana hotontosaina ma­nomboka ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ho avy izao.

Efa manoman-tena fatratra amin’ny fihaonana iraisam-pirenena voalohany amin’ity taona 2024 ity, ny atletisma, ny judo, ny fibatana fonjam-by, ny tenisy ambony latabatra ary ireo atleta manana fahasembanana “paralympique”, ny basikety, hany taranja iraisana. Na izany aza, mbola hiankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny ho isan’ ireo atleta hifaninana amin’io fihaonana antampony aty Afrika io.
Raha ho an’ny atletisma manokana, efa nandefa anarana atleta miisa 8 any amin’ ny minisiteran’ny Fanatanja­han­­te­na izy ireo, ny fiando­han’ny taona. Nomarihin’ny tale teknika nasionaly, Rambeloson Hery, fa ireo mendrika sy manana vokatra tsara amin’izao fotoana izao ka handrombahana medaly no nosafidian’ireo teknisianina, ho an’ity lalao afrikanina ity.
Tsy mbola misy anarana voalaza ao anatin’ireo valo. Fantatra kosa fa anisan’ireo heverina hifaninana ny 100 m, 200 m, 400 m, 400 m misy fefy, vehivavy, sy ny 100 m inefatra mifampitohy, vehivavy, ny 400 m inefatra mifampitohy, hitambaran’ny lahy sy vavy, “mixte”.

Marihina fa anisan’ny ta­ran­ja manana ny herijika ha­ha­zoan’ny Malagasy medaly ny atletisma.
Efa vonona ny atleta fa miandry izay ho isa farany eken’ny fanjakana sy ny ho firafitry ny delegasiona ho any Accra Ghana, hiatrika ity lalao Afrikanina ity sisa.

Tompondaka

Partager sur: