Lakolosy fanairan’ny fiarahamonim-pirenena: “Aoka tsy hosakanan’ny depiote ireo tokony hotsaraina “

Nanao fanambarana, misintona lakolosy ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena miisa valo, omaly. Anton’izany ny fahitan’izy ireo fa tsy mandeha any amin’ny fahombiazana ny ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana, ahitana ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, ireo mpomba ny fitondrana (IRD) maro anisa, araka ny fanambarana. “Takinay ny hikarakaran’ny Fitsarana avo (HCJ) ireo dosien’ireo minisitra sy mpitondra, ahina ho nanao kolikoly . Miisa 50 izany antontan-tarartasy izany nefa sakanan’ny depiote. Ny fandraisan’ireo mpitsara amin’ny HCJ karamabe anefa mandeha hatrany na tsy miasa aza izy ireo“, hoy izy ireo.

Nohitsin’izy ireo fa tsy voahaja intsony koa ny fisarahan’ny fahefana. Noesorina amin’ny Tendrom-pitsarana  miady amin’ny kolikoly (Pac) ny heloka ara-toekarena ary lasa miverina any amin’ny fitsarana tsotra izany izao.

Fampiatoana ireo mpitsara eo anivon’ny Pac

Tsipahin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto koa ny hampiatoana ny asan’ireo mpitsara miisa 17 eo anivon’ny Pac. “Tsy araka ny nifanarahana izany. Ny mpandrindra ihany no tokony hosoloina ary efa vita izany. Tokony hotazonina amin’ny toerany kosa ireo mpitsara noho ny traikefany sady tsy ampy koa ny isan’ireo mpitsara. Avelao hanohy ny asany izy ireo”, hoy ihany ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena.

Takin’izy ireo koa  ny hitohizan’ny fametrahana ny paikadim-pirenena amin’ny kolikoly (2015 -2025. Lavin’izy ireo marindrano izao zava-miseho izao ka nahatonga ny fanontaniana amin’ny mpitondra : “Tena tsy andeferana tokoa ve ny kolikoly sa tanjonareo ny hamotehana ny ady efa nisy sy  nipetraka ?”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: