Kabary Fi. Fa. Mi : nivoaka ny andiany Tsiry

Mpianatra miisa 47 indray no navoaka ho mpikabary ny sabotsy 4 novambra 2023 lasa teo. Nanovo fahalalana tao amin’ny Fikambanana Fandrotrarana Mikabary na ny Fi.Fa.Mi, izy ireo. Notanterahina teny amin’ny Espace Mon Bon Jardin Ambavahaditokana ny lanonam-panandratana azy ireo.
Nisy ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra, ka ny 36 tamin’ireo ao anatin’ny sokajin’ny mpiofana. Niisa 9 ireo nahavita fandalinana ary ny 2 nahavita ny fiofanana ho mpampianatra. Tanjon’ny Fi.Fa.Mi ny hijoro handimby ny anaran-dray ary handala ny soatoavina.
Ho fanatrarana io tanjona io, ao anatin’ny fahavitrihana hatrany no hanohizana ny efa natomboka. Noho izany, misokatra avy hatrany ny fandraisana ny mpianatra vaovao, ny sabotsy 25 novambra 2023 ho avy izao, ho an’ny sampana Anosibe sy Anosizato ary Andoharanofotsy.
Fantatra fa anisan’ny omen’ny Fi.Fa.Mi lanja amin’ny fampianarana kabary ataony ny fampiharana. Na izany aza, misy hatrany ny fanomezana ireo fototra lehibe ijoroan’ny kabary mba ahafahan’ny mpiofana hanitatra ny fahalalany rehefa any ivelan’ny toeram-pianarana.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: