Jiolahy 4 voasambotra : efa mihantona eny amin’ny mpivaro-kena ny omby halatra

Nitaraina ho very sarety sy omby ny rangahy iray teny Sabotsy Namehana, afakomaly. Hitan’ny zandary mihantona eny an-tsenan’olona ny henan’ilay omby iray tamin’ireo very.

Tonga nitaraina tao amin’ny biraon’ny zandary eny Sabotsy Namehana ny rangahy iray very omby sy sarety ary kitay, afakomaly. Nanara-dia avy hatrany ireo zandary any an-toerana rehefa nandre ny fitarainan’ity farany. Vokany, hitan’ny mpitandro filaminana tany amin’ny toerana antsoina hoe “Amba­na­rivona” ny omby iray. Efa maty ary efa amidin’ny mpivarotra iray teny sabotsy Namehana kosa ny omby iray hafa. Efa lafo ny lohany, ny tongony, ny taovany, ny hodiny ary ny fahefany tamin’ny omby.
Voatonona ny anaran’ny tompon’antoka tamin’ny fivarotana io omby halatra io, nandritra ny fanadihadian’ny zandary. Natao ny fikarohana, ka voasambotra avy hatrany ny jiolahy 4 tompon’antoka tamin’izany.
Raha tsiahivina, nisy na­nafika teny am-pitondrana kitay tamin’ny saretiny, ny alin’ny 10 mey lasa teo, tao amin’ny fokontany Ambohi­dra­no, kaominina Manan­driana io rangahy nitaraina io, raha ny filazany sy ny fitantaran’ny olona nahita. “Lasan’ ireo jiolahy tamin’izany ny omby sy sarety ary ny kitay rehetra”, hoy izy nanamafy.
Ahitana tranga toy izao matetika eny amin’ny faritra Antananarivo Avaradrano iny, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny mpitandro filaminana. Efa eo am-pelatanan’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana ny raharaha.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: