Indraim-bava 16/11/22

Etika !

Ambetinteny matetika ny hoe simba ny fiainan-dRamalagasy. Very hasiny ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Mety ho fitsarana miainga amin’ny fomba fijery miiba izany, kanefa misy hisainana ihany koa. Izay indrindra no hisintonana  ny lakolosy anio, mba hanaitairana antsika rehetra amin’ity mandrimandry manana aretina ity.  Trangam-piarahamonina tsy takona afenina, ohatra, ny kolikoly. Tsy mifidy sokajin’asa sy sokajin’olona. Mimenomenona fotsiny isika fa tsy maka ny andraikitra tandrify ny tsirairay.  Zary fahazarana sy fomba fiainana mahazatra ny hoe maka vola. Ny tena zava-doza, tsy mahazo aina ny sarambabem-bahoaka raha tsy manome “kely” rehefa manao asa iray. Heloka anefa izany, faizian’ny lalana manakery eto amintsika.

Ny olana, mba tena mihatra ve ilay lalàna? Lesoka goavana eto Madagasikara io teboka iray io. Malalaka be ny fandraisana sy fahazoana ny dikan’ny lalàna misy, hany ka samy mandrirotra izay handroritany azy. Zary lalaovin’ny manampahaizana ny fikirakirana azy ho amin’ny tombontsoana sokajin’olona izatsy na izaroa. Tsy mahagaga raha milaza ny ankamaroan’ny olona miditra am-ponja fa lasibatry ny endrikendrika sy iharan’ny tsindrihazolena.  Tsy azo ifanomezan-tsiny anefa izany satria maro ny lesoka iaraha-mahita sy iaraha-miaina. Saika efa antitra ny ankabeazan’ny lalàna misy eto Madagasikara, ny fahefana mpanao lalàna malaza amin’ny fanaovana tsidi-pahitra ny antenimiera roa tonta, ny fahefam-pitsarana rahateo efa iharan’ny kiana mamaivay andro aman’alina io.

Mba manana hantenaina ihany ary ve izany isika Malagasy ity?  Heverina fa fara-fanantenana angamba sisa ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay. Farafaharatsiny, mba manana ny etikany manokana ny isam-batan’olona. Miainga amin’ny fanomezan-danja ny Hasina maha izy azy na eo anivon’ny fiarahamonina izany, na eny amin’ny sehatra asa ivelomany, ohatra.  Aleo tokoa manko, enjehin’ny omby masiaka, toy izay enjehin’ny eritreritra. Ilay fahatsapan-tena anatiny sisa no lalana mety hahatafavoaka antsika amin’izao fahalovana miseho amin’ny endriny samihafa izao.

Trangam-piaharamonina iray, nanaitra sy nahakivy ny nafitsok’ity zandary am-perinasa iray hoe nahavita nangalatra antotan-taratasy  mikasika fahafatesan’olona. Mbola nanao kolikoly nanafena ny raharaha sy namahanan-dalitra ny lehibeny. Mety tranga iray, anatin’ny maro, tsy fantatra na iniana tsy ampahafantarina izy io. Izay no hanaovantsika antso avo hatrany amin’ny olom-pirenena tsirairay, mba samy ho tomponandraikitra. Isika samy isika mifampiaro amin’ny ratsy ihany no mandrora mintsilany sy mamahan-dalitra antsika. Mila mahasahy manova ka atomboka amin’ny tena aloha!

r.r

Partager sur: