Mirarakompana ny fiarahabana ataon’ny filoham-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahalaniany. Efa manatrika ny hetsika momba ny tontolo iainana COP 28 any Dubaï ny tenany, nandritra ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’ny nitondra ny fiarahabana sy ny firariantsoa amin’izao hitondran’ny filoha Rajoelina Andry indray, ho amin’ny dimy taona manaraka izao, ny filoha Kaomorianina, sady filohan’ny Vondrona afrikanina (UA), i Azzali Assoumani, tamin’ny fiatrehana ny fivorian’ny Cop 28, any Dubaï. Nanteriny fa nizotra am-pilaminana sy tanaty fitoniana izany fifidianana izany ary fakan-tahaka. “Nanome lesona anay ny filoha Rajoelina satria maro ireo firenena Afrikanina miaina fanonganam-panjakana nefa efa tokony hialana izany. Lesona ho antsika izany fahombiazan’i Madagsikara izany satria mampiakatra ny lazan’i Afrika”, hoy izy. Nanamafy izany ny filohan’i Séychelles, i Wavel Ramkalawal, niarahaba ny filoha Rajoelina Andry. Notsindriny fa filoha vao voafidy miatrika ny Cop 28 ny filohan’i Madagasikara. “Rahalahy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary vonona ny hanohy ny fiaraha-miasa. Ho avy izahay hanotrona ny fianianana ataonao ny 16 desambra”, hoy izy.
Fandresena miezinezina
Tahaka izany koa ny filohan’i Sénégal, i Macky Sall. Nambarany fa fandresena miezinezina no azon’ny filoha Rajoelina Andry. Niarahaba ny vahoaka malagasy koa ny tenany.
Tsiahivina fa anisan’ireo efa niarahaba amin’izao nahavoafidy indray ny filoha Rajoelina izao koa ny Praiminisitra Indianina, Narendra Modi, ny filoha Ivoarianina, i Alassane Ouattara. Eo koa ny Praiminisitra atsy Maorisy, i Pravind Kumar Jugnauth. Samy nirary soa avokoa izy ireo ary maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena tsirairay avy.
Synèse R.