Fiangonana advantista: naneho fitiavana tamin’ny hazakazaka Agape

Toy ny fanao isan-taona eo anivon’ny fiangonana ad­vantista, notanterahina omaly alahady, tetsy amin’ny fari­hin’Anosy ny famaranana ny hetsika lehibe feon’ny tanora, fitoriana ny filazantsara, nokarakarain’ny fikambanan’ny tanora miara-miasa amin’ny fikambanana ANZ (Andry Ny Zarantsoa). Tafiditra tamin’izany koa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny mpisavalalana. Ho fanamarihana izany, nisy ny hazakazaka Agape, nanehoana ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina.
Ankizy sy tanora ary zokiolona miisa 1 000 teo ho eo niatrika izany. Teo ny “aventuriers”, ho an’ny ankizy latsaky ny 10 taona, ny “explorateurs” 10 – 15 taona, ny an’ny “am­ba­sadeurs”, 16 – 21 taona ary ny an’ny zoky “jeunes adultes”, 21 taona mihoatra ary ny an’ireo raiamandreny rehetra.
Tanjona ny fanentanana amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny fahasalamana, ny fizarana vaovao mahafaly amin’ny alalan’ny fitaizana ara-panahy, ka nisy boky sy gazety nomena maimaimpoana ho an’ny mponina Antananarivo. Fanamafisana ny fitiavana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny mpikambana. Manomana tanora sy vahoaka ho olom-banona ny fiangonana Advantista. Nankalazana ny hetsika ny tenin’ny soratra masina nalaina tao amin’ny Apokalipsy 14 andininy faha-6 manao hoe : “Matahora an’An­driamanitra ka omeo voninahitra Izy fa tonga ny andro fitsarana”.

Torcelin

Partager sur: