Fanabeazana : 520 ireo mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana

Mitohy hatrany ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana eto amin’ny Nosy. Mpampianatra 520 avy eto amin’ny faritr’Analamanga no nisitraka fifanarahana arak’asa.

Notanterahina tetsy amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka ny la­no­nana fizarana fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra eto amin’ny Dren Ana­la­manga, ny Sabotsy teo. Ni­si­traka izany ireo mpampianatra 520 (45 hatramin’ny 55 taona), andiany fahasivy avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana 8 mandrafitra an’ Analamanga. Avy eto An­ta­nanarivo Reni­vo­hitra, Atsi­mon­drano, Avara­drano, An­jo­zo­robe, Ankazobe, An­dra­ma­si­na, Manjakan­driana ary Am­bohidratrimo izy ireo. Tanjona ny hanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny mpampianatra sy hanomezan-danja ary hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eny an­ivon’ny sekoly eto amin’ny Nosy. “Mangarahara sy madio tanteraka ny fandraisana ny mpampianatra ho mpiasam-panjakana manerana ny No­sy”, hoy ny minisitry ny Fa­nabeazam-pirenena, Sahon­dra­rimalala Marie Michelle. Nilaza izy fa mendrika avokoa ireo mpampianatra ireo matoa voaray ho mpiasam-panjakana. Ankoatra izay, nozaraina finday avo lenta 2742 ihany koa ireo talen-tsekoly rehetra eto amin’ny fari-piadidim-pampianarana manerana ny No­sy. Ankoatra izay, notolorana solosaina 54 ihany koa ireo division planification mba hitahirizana ireo anton­tan’isa eny anivon’ny sekoly. Nahazo tolotra manokana avy amin’ireo mpampianatra iha­ny koa ny minisitry ny Fa­na­be­azam-pirenena nandritra izany.

Mijery ny fanabeazana ny filoha
“Nitondra fanatsarana ny fanabeazana eto amin’ny No­sy, ny filohan’ny Repoblika satria efa 315.000 ireo mpa­mpi­a­na­tra noraisina ho mpiasam-panjakana, 4 000 ireo sekoly ma­nara-penitra vita”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa maherin’ ny 200.000 ireo mpi­anatra nisitraka izany. An­ko­atr’izay, mahatratra 18 miliara Ariary ny tetibola natokan’ny fitondram-panjakana ho an’ny sakafon’ny mpianatra. Mahe­rin’ny 40 miliara Ariary ihany koa ny vola handoavana ny «vacation» nanomboka ny taona 2018. Mbola hisy ny fandraisana ireo mpampianatra hafa manerana ny Nosy aorian’izao.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: