Fampianarana ambony : afaka mampiato ny fifanarahana ireo mpampianatra «vacataire»

Niato, nanomboka oma­ly, ny fampianarana ataon’ ny mpampianatra an-tselika eny amin’ny oniversite sy ny IST. Manoloana izany, na­ma­ly sy nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fampi­a­na­rana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres).
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampia­na­rana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), omaly. Manasonia izany ny sekretera jeneraly, Salava Julien. Voalaza fa ny didim-panjakana laharana 2002-565, tamin’ny 4 jolay 2002, ihany no afaka mampiato ny fampianarana. Aorian’ny fitondram-panjakana dia ny fiadidian’ny Oniversite na ny IST ihany no afaka ma­nao izany. Fepetra raisina amin’ny alalan’ny lalàna sy ny fanapahan-kevitra ankatoavin’ny «conseil d’établissement» sy ny filankevitra siantifika.
Manentana ny mpampianatra an-tselika te hampitsahatra ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny Oniver­si­te izy mba hanatona ny toerana nanaovany fifanarahana. «Ahafahana mandinika ny momba azy  ireo izany», araka ny voalazan’ny fanambarana hatrany.
«Hanamorana ny famahana ny olana, mangataka ny Oniversite rehetra sy ny IST ny Mesupres handefa ny lisitra mirakitra ny anarana feno sy ny laharana karapanondro ary ny dika mitovin’ny fifanarahana vita sonian’ireo “vacataires” mba hanamarihana ny mombamomba azy ireo», hoy ny fanambarana.
Manamafy ny minisitera momba ny sata manokana mifehy ny «vacataires». «Tsy voafaritra anaty lalàm-panorenana izany. Miasa amin’ny alalan’ny fifanarahana nosoniaviny miaraka amin’ny Oniversite na IST tsirairay izy ireo. Mety ho 1 na 2 taona ny fifanarahana, azo havaozina», hoy hatrany ny fanambrarana.
Mikasika ny fandoavana ny tambin-karama, efa eo amin’ny fanefana ny vary mangatsiaka, taona 2018-2019, tapany faharoa ny minisitera ankehitriny. An­ko­atra izay, mandoa ny vatsim-pianarana sy ny tambin-karama ho an’ireo niandraikitra ny fanadinana bakalorea ny minisitera. Aorian’ izany ny fikarakarana ny vola ho an’ny ora fanampiny sy ny tambin-karaman’ny mpampianatra eny amin’ny Oniversite sy ny IST. Efa nahazo ny ampahany kosa ny Oniversite sasany toa ny ao Fianarantsoa, Mahajanga, Antananarivo, Toliara ary Toamasina.
Mikasika ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, na­m­­baran’ny minisitera fa mifototra amin’ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana izany. Mampihatra ny lalàna mifehy ny satan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra N°2021-005 tamin’ny 14 jona 2021.

Tatiana A

Partager sur: