Fahitalavitra : namoaka « décodeur connecté » ny Canal+

Tonga eto Madagasikara ny « décodeur connecté », hiaka farany amin’ny tolotra omen’ny Canal+ Madagascar ho an’ny mpanjifa. Miavaka ny « décodeur » na eo amin’ny kalitaon’ny sary (4K) sy ny safidy samihafa omeny. Manana « double réception », izany hoe, azo avy amin’ny zanabolana (satellite) sy ny Internet ny « décodeur connecté ». Afaka mitahiry ireo fandaharana 25 000 mandeha amin’ny fahitalavitra izy ka azo jerena amin’ny fotoana rehetra izany. Ankoatra izay, « azo jerena amin’ny alalan’ny internet ny fandaharana mandeha amin’ny fahitalavitra raha sendra tapaka ny fifandraisana amin’ ny zanabolana noho ny andro ratsy. Miverina mifandray amin’ ny zanabolana ho azy kosa izany vao misava ny orana sy ny rahona hisorohana ny fandaniana ny « data », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Canal+ Madagascar, Razafindrakoto Onjatiana, omaly, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny « décodeur connecté » tetsy amin’ny Canal+ Store Analakely. Notohizany fa natao ho fanomezana amin’izao ankatoky ny fety izao ny tolotra. Afaka misitraka izany amin’ny vidiny 150 000Ar ny mpanjifa hatramin’ny 31 desambra.

Henintsoa H.

Partager sur: