Biraon’ny ankizy tsy ampy taona any Frantsa : “Maro ny ankizy malagasy voakasiky ny votoaty mamoafady”

Nandefa antso maika ho an’ny firenena frantsay ny ECPAT France hanohana ny lalàna eoropeanina manohitra ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy eny amin’ny interinety.

Mikendry ny hampandraisana andraikitra ireo mpisehatra amin’ny interinety hanesoran’izy ireo haingana ny sary, feo na horonan-tsary mamoafady mahakasika ankizy ka hitoroka izany ny lalàna. Nampitan­drina ny biraon’ny ankizy tsy ampy taona any Frantsa fa maro ny ankizy malagasy voakasika amin’ireo votoaty ma­moafady ireo. Nilaza ny fanekeny io lalàna io ny filoha fran­tsay, Emmanuel Macron, nandritra ny firesahany tamin’ny ekipan’ny ECPAT France sy i Andraina Mahatanasoa, ma­soivohon’ny ankizy. Fihaona­na nandritra ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny fanambarana iraisam-pirenena mom­ba ny zon’olombelona tany Paris.
Mila mihetsika isika mba hiarovana ny zanatsika ka hangataka ireo firenena eoropeanina hafa hijoro hanohitra ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny interinety.

Nitondra tenin’ny ankizy i Andraina

Tany Paris i Andraina, tovovavy 17 taona, ao amin’ny kilasy famaranana izy amin’izao fotoana, ary mpitondra tenin’ny ankizy avy amin’ny tetikasa « Miralenta » sady mpikambana mavitrika amin’ny klioban’ny sekoly ao Antsi­rabe. Nizara ny zavatra niainany sy nanao tolo-kevitra amin’ny fihaonambe momba ny zon’olombelona sy ny fampandrosoana, natao ny 7 sy 8 desambra lasa teo izy. Nika­rakara ny hetsika ny Agence française de développement (Afd), mpanohana ny tetikasa « Miralenta ».
Manohana ny firaisamonim-pirenena momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny tovovavy ny ECPAT. Mifototra amin’ny asa ny tohana, fanetsiketsehana fikambanan’ny ankizy sy tanora momba ny ady amin’ny herisetra sy fanentanana ny vondron’olona ifotony hiady amin’ny herisetra.

Vonjy

Partager sur: