Bakalorea 2023 : hiatrika ny taranja filôzofia ny mpiadina 215 630, anio maraina.

Hanomboka anio, ary haharitra hatramin’ny zoma izao, ny Bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny dingana voalohany ho an’ny sampana teknika.

Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny fiantsoana anarana ho an’ny mpiadina Bakalorea, anio. Hiatrika ny taranja voalohany filôzofia, ny tapany maraina, ny mpiadina. Afaka nijery ny efitrano hiadinany nanomboka ny sabotsy hariva teo ireo mpiadina. Efa nikarakara teny an-toerana rahateo ny lehiben’ny foibem-panadinana sy ny mpiasa nametraka ny laharana tamin’ny latabatra. Mahatratra 215 630 ny mpiadina manerana ny Nosy. 204 667 ny avy amin’ny fampianarana ankapobeny, 10 963 ho an’ny fampianarana teknika. Eto Antananarivo, manana mpiadina 80 8 6. Mahatratra 34 526 kosa ao Fianarantsoa, 31 783 ao Toamasina, 26 446 ho an’i Toliara, 24 704 ao Mahajanga ary 17 292 ny mpiadina ao Antsiranana. Mpiadina 40 monja no nisafidy ny sokajy C ho an’ny faritanin’Antsiranana iray manontolo ary 49 ho an’ny faritanin’i Toliara. Maro anisa hatrany ny sokajy A2, mahatratra 127 846 raha 1840 ireo mpiadina hiatrika ny Bakalorea, sokajy C manerana ny Nosy. 28 346 ny sokajy D, 14 022 ny sokajy L,13 151 ny sokajy S, 10 036 ny sokajy A1, 9426 ny sokajy OSE, 10 353 ny teknika arakasa ary 610 ny teknika teknolojia.

68 taona ny mpiadina zokiny indrindra raha 10 taona ny zandriny indrindra. 410 ny foibem-panadinana handray ny mpiadina rehetra amin’ny faritany enina ary dimy ny foibe nampiana ho an’ity taona ity. Roa avy any Toliara sy Mahajanga ary tokana eto Antananarivo.
Sahirana tamin’ny fitadiavana olona hanara-maso ny fizotry ny fanadinana sy hisahana ny foibem-panadinana, tamin’ity taona ity, ny oniversite teto Antananarivo satria tsy mazoto intsony ny ankamaroan’ny mpampianatra.

Vonjy

Partager sur: