Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Belazao – Antsirabe : nitaky hamoahana ireo olona 10 nosamborin’ny zandary ny fokonolona

Belazao – Antsirabe  : nitaky hamoahana ireo olona 10 nosamborin’ny zandary ny fokonolona

Somary nisahotaka ary raiki-tahotra ihany ny tompon’andraikim-panjakana tany Belazao Antsirabe, ny asabotsy lasa teo, noho ny hetsika nataon’ny fokonolona tany an-toerana, manoloana ny fitazonan’ny zandary olona 10, voalaza fa nitazona basy vita gasy sy bala. Ireto olona 10 ireto izay mpanara-dia dahalo avy nanafika tao Belazao, tao amin’ny fokontany Moratsiazo Miadakofeno. Dahalo maromaro nanafika tamin’izany […]

Isamborana valala ny lay : mirongatra ny tazo ao Sakaraha 

Mirongatra ny aretina tazo ao amin’ny distrikan’i Sakaraha, araka ny tatitra nataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny CHD1 ao an-toerana, Rambolatiana Miriame Annie, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny volana febroary lasa teo, 56 ny isan’ny olona tonga nanatona ny hopitaly vokatry ny aretina tazo sy nahazo fitsaboana. Telo no maty tao anatin’ny roa volana janoary sy […]

Moramanga : tambajotra mpanao trafikana gazoala voasambotry ny polisy

Hiakatra fampanoavana anio ao Moramanga, ireo olona voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra sy fanaovana trafikana gazoala ao Moramanga sy ny manodidina. Saron’ny polisy ekonomika tany an-toerana izy ireo andro vitsivitsy lasa izay. Araka ny fanazavan’ny polisy, hitan’izy ireo tao anatin’ny findain’ireo voarohirohy ny anaran’ireo olona niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Misy amin’izy ireo ny miray […]

Fanadihadian’ny Ecpat France : mahazo vahana ny fivarotantenan’ny ankizy

Fanadihadian’ny Ecpat France : mahazo vahana ny fivarotantenan’ny ankizy

« Tao anatin’ny telo taona farany, nihanahazo vahana ny fivarotantenan’ny ankizilahy eto amintsika », hoy ny tatitry ny tomponandraikitra taorian’ny fanadihadiana ny taona 2014 « Agenda For Action A4A » nataon’ny ONG Ecpat France, omaly teny Anosy. Niroborobo ny fivarotantenan’ny ankizy tao anatin’ny 10 taona ka ny ankizivavy no maro anisa kokoa. 13 taona eo ho eo ny zaza […]

Seraseran’ny CUA : voatendry ho tale i Solofo Andrianarisoa

Seraseran’ny CUA  : voatendry ho tale i Solofo Andrianarisoa

Voatendry ho talen’ny serasera vaovao eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) i Solofo Andrianarisoa na Narisoa Ny Aina. Mpanao gazetin’ny RNM ary efa mpanentana fandaharana tao amin’ity onjampeom-pirenena izy. Mpiasan’ny ministeran’ny Fampahalalam-baovao sy ny serasera hatrany, fony mpiasam-panjakana. Efa nampianatra ny asa fanaovan-gazety tamin’ny oniversite tsy miankina. Manana traikefa amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera […]

Tan-dalàna, tsara tantana ?

Tan-dalàna, tsara tantana ?

Hatramin’izao, samy mbola manao fanamarihana, miantso, mitaky mihitsy aza, ny tokony hampiharana ny atao hoe «fitondrana tsara tantana» eto amin’ny firenena ireo mpamatsy vola vahiny. Ireo tompony na mpampindram-bola hanaovana ny fampandrosoana izany.  Tato ho ato, toa ohatran’ny nisesisesy izany. Efa niteny, ohatra, ny amerikanina, ny Vondrona eoropeanina. Efa nanamarika koa ny Firenena mikambana, ny […]

FMI – Vondrona eoropeanina : miandry fanasaziana amin’ny kolikoly, trafika andramena, …

FMI – Vondrona eoropeanina : miandry fanasaziana amin’ny kolikoly, trafika andramena, …

Na navoitra aza ny ezaka tsara vitan’ny mpitondra, lafin-javatra andrasan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny vokatra azo tsapain-tanana ny ady amin’ny kolikoly. Nanao fanamarihana toy izany koa ny Vondrona eoropeanina. Efa nilaza ny Bianco fa misy tokoa ny ahiahy amin’ny “kolikoly” amin’ny trafika andramena, tao amin’ny Jirama, sns, matoa nampiakatra ny raharaha eny amin’ny rafi-pitsarana Chaine […]

Pétanque – Masters : “Nalain’ny FMP ny volanay”, hoy i Toutoune

Nilaza ny zava-nisy niainany, nandritra ny “Masters 2015”, natao tany Frantsa, tamin’ny mpanao gazety, omaly, Razafindrakoto Tiana (Tonnerre) sy Alenj Joel (Toutoune). Nambarany fa nambakain’ny federasiona izy ireo, nanomboka tamin’ny fialana teto Madagasikara, ka hatramin’ny fiafaran’ny fifaninanana. Anisan’izany, ny nangalana ny vola 1200 Euros isaky ny dingana, amin’ny “Masters”, izay miisa 6. “Nalain’ny federasiona io […]

Volley – CACC 2016 : tsy niova ny mpilalao 12-n’ny GNVB ho any Egypte

Tsy nasiam-panovana. Raha ny vaovao teo aloha teo, saika hanafatra mpilalao hanatevin-daharana sy hanampy azy ny GNVB, tompondakan’i Madagasikara 2015, lehilahy. Nanapa-kevitra indray anefa ny mpitantana ny ekipa sy ireo teknisianina eo anivony fa hajanona amin’ireo mpilalaony nahazoany ny tompondaka nasionaly farany teo ihany no handrafitra ny delegasiona hiatrika ny fiadiana ny “Coupe d’Afrique des […]

Kitra – «Can 2017» : hanampy an’i Franck i Dominique Veilex

Kitra – «Can 2017»  : hanampy an’i Franck i Dominique Veilex

Hiditra an-tsehatra indray ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2017”. Araka ny efa nolazain’ny federasiona, hisy mpanazatra vahiny, hanampy eo amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena.   Handray ny Repoblikan’i Centrafrique ny Barea de Madagascar, eo amin’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana, amin’ny fiadiana ny “Can 2017”, tanterahina any Gabon. Fihaonana hatao any amin’ny […]

CSW : takian’ny fampandrosoana ny fizakan-tenan’ny vehivavy

Tanterahina, any New York hatry ny alatsinainy teo ny fivoriana an-tampony faha-60-n’ny vaomiera mandinika ny fahombiazan’ny vehivavy (CSW). Fizakan-tenan’ny vehivavy antoky ny fampandrosoana maharitra. Io no lohahevitra nodinihina nandritra ny fihaonana tany an-toerana. Miompana indrindra amin’ny fampiharana ny fandaharanasam-pampandrosoana hahatrarana ny tanjon’ny 2030 ny ady hevitra. Eo koa ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) izay narafitry […]

Fanadiovana ny tanàna : nesorina ny kiosque teny Behoririka

Fanadiovana ny tanàna : nesorina ny kiosque teny Behoririka

 Mitsanga tsy mahazo fahazoan-dalana ny « kiosque » maromaro eto Antananarivo. Nandrava ny tetsy behoririka ny kaominina omaly. Nanala ireo tsena vita amin’ny takela-by « kiosque » niorina tsy ara-dalàna, teny Behoririka, omaly ny kaominin’Antananarivo. Niorina tamin’ny toerana ho an’ny daholobe ilay « kiosque », manoloana ny EPP Behoririka, ary tsy manana fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra velively ny fisokafany, […]

Hokaloina ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa

« Mifankatiava ihany », « O Ralila », « Dobla sento », « Mivalo aminao ry tany »… Anisan’ireo sanganasan’i Naka Rabemanantsoa nanana sy mbola manana ny lazany ankehitriny. Hokaloin’ny Feon’Analamanga ny zoma 18 marsa izao manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM) Analakely izy ireo. Tarika ivondronana tanora tia sy vonona ny hampivelatra ny kalon’ny fahiny. Anisan’ny […]

« Fianar reggae festival » : hahazo ny anjarany Antananarivo

Hampiavaka ny « Fianar reggae festival », manomboka amin’ity taona ity, ny fidirany tsikelikely amin’ny maha hetsika iraisam-pirenena azy.  Na any an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony, aza ny ivon’ny hetsika, tsy ho diso anjara fa hahita fahafinaretana sy fahafaham-po ihany koa ireo mpankafy reggae eto Antananarivo. Hiaka-tsehatra, etsy amin’ny Craam eny Ambohitsaina, ao anatin’ilay hoe “Fianar reggae festival à […]

15 taona an-tsehatra : ao anatin’ny fanomanana ry AmbondronA

15 taona an-tsehatra : ao anatin’ny fanomanana ry AmbondronA

Nandalo sedra, nametraka anarana. 15 taona taorian’ny niakarany an-tsehatra voalohany, anisan’ireo tarika manana ny maha izy azy ny AmbondronA. Mendrika hankalazaina izany. Mandalo ny fotoana, fa ny anarana mitoetra ! Tonga amin’ny fankalazana ny faha-15 taona an-tsehatra ny tarika AmbondronA, amin’ity taona ity. Zava-dehibe loatra ny mahadingana izany ho an’ny tarika iray, indrindra ho an’ireo tsy […]

Seranan-tsambon’Ankify : miantoka be indrindra ireo fihariana any Nosy Be

Seranan-tsambon’Ankify : miantoka be indrindra ireo fihariana any Nosy Be

Mandeha ny asa fanamboarana ny seranan-tsambo ao Ankify, Ambanja. Seranan-tsambo manana ny toerany lehibe, mampifandray an’i Nosy Be sy Ambanja. Baka sy vedety miantoka ny fitaterana rehetra : fiampitan’ireo mpandeha tsotra, mpizahatany, mitatitra ireo entam-barotra isan-karazany sy fiarakodia. Isan’andro, tsy latsaky ny 200 ireo mpandeha tsotra, mpizahatany, mpivarotra miaraka amin’ny entam-barotra, manodidina ny 40 t,  […]

Cnaps : fiahiana ara-tsosialy tany Betroka

Cnaps : fiahiana ara-tsosialy tany Betroka

Notanterahina ny herinandro lasa teo tany amin’ny distrika Betroka, faritra Ihorombe ny atrikasa mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Nanatanteraka azy ny sampandraharaha misahana ny sosialy sy ny fahasalamana (SASS) ao amin’ny tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Nambaran-dRakotomila talen’ny fitantanana ao amin’ny Cnaps, nisolo tena  ny tale jeneraly, fa distrika manankarena i Betroka, toy ny fisian’ny […]

Fahatapahan’ny RN 6 : sarotra ny famatsiana solika sy entana

Tsy mbola misokatra tanteraka ny lalam-pirenena faha-6. Manomboka mihasarotra ny fanampiana solika sy ny entana ny amin’iny tapany avaratry ny Nosy manontolo iny. Nambaran’ny minisitry ny Asa vaventy, Ratsiraka Roland, omaly, fa efa afaka mandeha ny fiarakodia madinika any amin’ny RN 6 manomboka anio alarobia. Tapaka teo Ambodimadiro, kaominina Anjalava, amin’ny faha-41 km, avaratr’Antsohihy ny […]

Fantina sy fintina

Nidinika nikaton-trano tany Moramanga ireo komitin’ny manampahaizana mamolavola ny lalàna hifehy ny Filankevitry ny fampihavanana (FFM) vaovao. ”Tanjona ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena tena  marina ka handraisana vahoaka sy ny mpanao politika rehetra anjara. Efa nisy ny drafitra nalefa any amin’ny filoham-pirenena. Avadika ho volavolan-dalàna izany ary handalo ny parlemanta roa tonta avy eo », hoy ny […]

Harena an-kibon’ny tany : terena havoaka ny sata vaovao ?

Harena an-kibon’ny tany : terena havoaka ny sata vaovao ?

Mandeha ny resaka fa hivoaka atsy ho atsy ny sata vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Izany hoe, karohina ny fomba rehetra hivoahany sy hampandaniana azy, na maro aza ireo mitsikera sy mahita singa maro tsy mifanaraka amin’ny tena fampandrosoana ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany. Anisan’izany ny sendikàn’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika. Amin’izao amboletra […]

Tsiahin’ny tantara : fito taona, anio, ny nanafihana an’Ambohitsorohitra

Tsiahin’ny tantara  : fito taona, anio, ny nanafihana an’Ambohitsorohitra

Tsy fanadino ny tantaran’ny firenena. Feno fito taona katroka anio ny hetsika nataon’ireo miaramila ka nanafihany ny lapan’Ambohitsorohitra ny harivan’ny 16 marsa 2009. Midika teo fa raikitra ny fanonganam-panjakana !   Nirongo fiara mifono vy sy fitaovam-piadiana mahery vaika ireo andiana miaramila tamin’io fotoana io, nanani-dapa. Nanakoako ny poabasy teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina. Narahin’ny fitrongisan’ny fiara […]

Andranohinaly Toliara : taksiborosy Sprinter nifandona, olona efatra naratra mafy

Andranohinaly Toliara : taksiborosy Sprinter nifandona, olona efatra naratra mafy

Olona efatra naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Andranohinaly Toliara, afakomaly hariva. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza…   Fiara taksiborosy Sprinter roa : ny iray avy any Toliara hihazo aty an-dRenivohitra raha avy aty an-dRenivohitra hidina ho any Toliara kosa ilay faharoa ireto nifandona, afakomaly hariva ireto. Araka ny […]

Tselatra

 Ny 11 marsa 2016 tamin’ny 7 ora hariva, nahazo vaovao tamin’ny olona iray ny zandary any Belo ambonin’i Tsiribihina fa nisy nibata an-tsokosoko ka nampidirina tao anaty fiara 4×4 ny lakolosy an’ny fiangonana FLM Belo ambonin’i Tsiribihina. Nametraka barazy avy hatrany teo amin’ny lalana fivoahana atao hoe Tsimafana ny zandary tao amin’ny borigady Belo. Tamin’ny […]

Asan-dahalo any atsimo : “Maro ireo zandary maty ka tsy handefitra izahay…”, hoy ny Jly Anthony

Tonga, omaly ao Mahabo distrikan’i Betroka ireo zandary miisa 75 izay ahitana dokotera ao anatin’ny vondrona manokana miady amin’ny asan-dahalo. “Hanampy amin’ny fampandriana fahalemana any amin’ny faritra atsimo ireto zandary ireto satria efa misy zandary avy amin’ny FIGN mipetraka ary mampandry tany. Misy ny hetsika manokana ataon’ny vondron-tobim-paritra Androy sy Anosy any amin’iny faritra iny. […]

Fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola : hadinin’ny Vondrona eoropeanina indray ny governemanta

Fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola : hadinin’ny Vondrona eoropeanina indray ny governemanta

Miditra amin’ny fisedrana fahatelo. Hotanterahina any Taolagnaro, ny alalamisy izao indray ny dinika politika sy toekarena iarahana amin’ny mpamatsy vola, amin ‘ny alalan’ny Vondrona eoropeaniona sy ny fitondram-panjakana. Anisan’ny nambaran’ny solontenan’ny UE eto amintsika tamin’ny dinika farany ny novambra teo, fa ratsy sy tsy nahafa-po ny dingana vitantsika. Tsy mandeha ho azy rahateo fa misy […]