Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakafaka : vaovao ny taona, hanova paika sa hitazona ny nahazatra ?

Manomboka ho avy tsikelikely ato ho ato ireo fanamarihana na fankalazana samihafa eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina. Misy ny iraisam-pirenena toy ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny », « Andro maneran-tany ho an’ny vakoka ». Ao kosa ny finiavan’ny fikambanana na sampandraharaha isan-tsokajiny tahaka ny « Iray volan’ny teny malagasy », « Herinandron’ny kabary », sns. Mitaky ezaka sy finiavana ary fandavantena goavana […]

Vatsin’Ankohonana : mahazo tombony ireo distrika enina

Notanterahina tany amin’ny fokontany Mahavelona, Foulpointe omaly ny andiany faharoa amin’ilay tetikasan’ny fanjakana Vatsin’Ankohonana.Vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola ity tetikasa ity ary tantanan’ny FID. Nahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity ny distrika enina ao anatin’ny faritra dimy. Maherin’ny 3.600 ireo olona mahazo tombony mivantana amin’izany. Tanjona kendrena amin’ity tetikasa ity ny hanentanana ny ankohonana hampiditra an-tsekoly ny […]

Any ivelany : nodimandry i David Bowie

Any ivelany : nodimandry i David Bowie

Nindaosin’ny fahafatesana, ny alahady teo tany New York, rehefa niady tamin’ny aretina homamiadana nandritra ny 18 volana, i David Bowie, teratany britanika, mpihira malaza eran’izao tontolo izao, mpanoratra, « compositeur » sady mpilalao horonantsary ihany koa. Nanamafy izany fahafatesan’ity mpanakanto ity izany, tamin’ny alalan’ny tambajotra Twitter, ny zanany, Duncan Jones, mpanatontosa sarimihetsika. Na tsy tampoka loatra aza […]

Lalam-pirenena fahadimy : gaboraraka ny fomba fiasa rehetra

Lalam-pirenena fahadimy : gaboraraka ny fomba fiasa rehetra

Tsy misy tsy manao fomba fiasa gaboraraka amin’ iny lalam-pirenena fahadimy (RN 5). Miainga eto Toamasina mihazo an’ ny Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, Mananara Avaratra, Maroantsetra, Vavatenina. Hita taratra izany eo amin’ny mpitatitra sy ny mpitandro filaminana manao ny sakana eny an-dalana ka mizaka ny vokany ny mpanjifa sy ny mpandeha. Voalohany, tsy mitovy ny […]

Andramena : miomana hanodina ny hazo eto an-toerana ny mpandraharaha

Andramena : miomana hanodina ny hazo eto an-toerana ny mpandraharaha

 Mampidi-bola be ho an’ny mpandraharaha ny fandrafetan-kazo, indrindra ny hazo sarobidy. Efa misy amin’izy ireo miomana sahady amin’ny fanodinana ny andramena eto an-toerana ary aondrana any ivelany avy eo. Nankatoavin’ny Antenimierampirenena ny fivoriambe natao ny faran’ny taona teo, ny hananganana fitsarana manokana mikasika ny andramena. Raha ny filazan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala ary […]

Tsy mampandroso ny fampiasam-bola : tsy mahonitra ny TVA ny fanjakana

Tsy manaja! Milaza fa hentitra ny fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna nefa tsy hajainy araka izany ny tandrify azy, toy ny lafiny hetra, ohatra. Misy ny TVA (Taxe sur les valeurs ajoutées), tokony honeran’ny fanjakana avy amin’ny elanelan’ny TVA (collectée) noraisin’ny orinasa tamin’ny varotra nataony (vola maty) sy ny masonkarena namoahany vola (TVA deductible). Izany […]

Fitaterana amin’ny sarety tanana : seho iray manambara ny tsy fivoaran’ny toekarena

Fitaterana amin’ny sarety tanana : seho iray manambara ny tsy fivoaran’ny toekarena

Endriky ny fitaterana iray mahazo vahana eto an-dRenivohitra ny sarety tanana, tato anatin’ny 10 taona farany. Amin’ny lafiny iray, seho manambara ny tsy fivoaran’ny toekarena ankapobeny ; amin’ny lafiny iray hafa, manampy betsaka ireo tsy anasa sy ny mpivarotra. Fanadihadiana. Mikororosy fahana ny fitaterana entana amin’ny fiarakodia, indrindra ny entam-barotra, eto Antananarivo. Zara raha misy […]

Mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina : « Hotsipahinay ny ben’ny Tanàna … « .

Mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina : « Hotsipahinay ny ben’ny Tanàna … « .

Mazava ny nambaran’ireo mpanolotsaina ivelan’ny Mapar ao amin’ny kaominin’i Toamasina fa tsy maintsy hampidirina anatin’ny samihafa ny fitsipaham-pitokisana ny ben’ny Tanàna, Ratsiraka Elysé, amin’ny fivorian’ny filankevitra, hanomboka ny 13 janoary izao. Nahitsy kosa ireo mpanolotsaina sasany voafidy eo anivon’ny Mapar. “ Vonona ny handatsaham-bato ho fitsipahana ny ben’ny Tanàna izahay, mba hifarana ny fitokonana ary […]

Vokatry ny orana : lafobe ny anana sy legioma

Vokatry ny orana : lafobe ny anana sy legioma

 Simban’ny orana avokoa ny ankamaroan’ny voly anana sy legioma ka vitsy ny vokatra amidy eny an-tsena. Vokany, niakatra ny vidiny tao anatin’ny herinandro. Ny anana tsy mahazaka orana no tena nisondrotra be. Ohatra, tsy mahazo anana intsony atao fangaron-daoka raha tsy 500 Ar raha mbola 200 Ar teo aloha. Sahirana ireo mpivarotra satria mihemotra ny […]

Fantina sy fintina

Raha tsy misy ny fiovana, tokony havoakan’ny HCC mialoha ny 8 febroary izao ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ny loholona. Efa ampolony ireo fitoriana sy ny fitarainana kirakirain’ireo mpitsara eo Ambohidahy amin’izao fotoana izao. Miompana amin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana noho ny hosoka na tsy fanarahan-dalàna izany amin’ny ankapobeny. 12 be izao ireo minisitra niara-dia amin’ny filoham-pirenena […]

Fandraharahana : lasa any Eoropa sy Azia Ravalo

 Nihazo an’i Eoropa ary avy eo ho any Azia ny filoha teo aloha, Ravalomanana, hatry ny faran’ny herinandro teo. Fitsidihana manokana izao ataony izao. Voalaza fa tafiditra amin’ny famelomana sy fampihodinana indray ny orinasa Tiko izany fitsidihany firenena maromaro any ivelany izany, hiarahana amin’ireo mpandraharaha vahiny. Anisan’ny fanehoan-keviny farany, ny herinandro teo, ny tsy fanekeny […]

Filoha Rajaonarimampianina  : « Manaraka ho azy ny mpamatsy vola rehefa miasa isika »

Filoha Rajaonarimampianina  : « Manaraka ho azy ny mpamatsy vola rehefa miasa isika »

 Niteraka adihevitra politika ny kabarin’ny solontenan’ny masoivoho vahiny tamin’ny lanonam-pifampiarahabana teny Iavoloha. Namaly ny filohan’ny Repobika: « Manaraka ho azy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena rehefa miasa isika ».   « Tsy maintsy miara-mampandroso ny firenentsika isika. Manaraka ho azy ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Rehefa hitany fa mandroso isika, vao mainka hanampy antsika bebe kokoa izy ireo. » Kabarin’ny filoha […]

Etazonia – Madagasikara : hanampy antsika hiady amin’ny trafikan’andramena ny Amerikanina

« Tena mampiahiahy anay ny fahapotehan’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Na izany aza, vonona izahay ny hanao ho laharam-pahamehana ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny vato sarobidy sy ny andramena », hoy ny sekreteram-panjakana Amerikanina, Linda Thomas-Greenfield, namintina ny fihaonany tamin’ny filoha Rajaonarimampianina, omaly teny Iavoloha.     Ankoatra izany, nambarany fa anisan’ny anton-diany […]

Ho avy hatramin’ny alahady ny orana : loza mitatao ho an’Antananarivo amin’ny fiakaran’ny rano

Ho avy hatramin’ny alahady ny orana : loza mitatao ho an’Antananarivo amin’ny fiakaran’ny rano

Misy loza manambana amin’ny kaominina 11 eto Antananarivo sy ny manodidina andalovan’ ny reniranon’i Sisaony, vokatry ny firotsaky ny orana indray tao anatin’ny ora maromaro, araka ny filazana ny fandehan’ny renirano eto amin’ny lemak’Antananarivo avy amin’ny Apipa, omaly hariva. Voakasik’izany ny kaominina Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe. […]

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : olana ny firaisana tsikombakomban’ny tompon’andraikitra

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : olana ny firaisana tsikombakomban’ny tompon’andraikitra

 Anisan’ny olana amin’ny ady amin’ny jiolahy ny firaisana tsikombakomban’ny mpitandro filaminana, ny mpiandry fonja sy ny fitsarana amin’izy ireo. Tranga maro nahitana izany, ka anisany ny resaka kidnapping.   Nahitsy ny avy amin’ny zandary, omaly nandritra ny fivoriana niarahan’ny tompon’andraikitra ny filaminana, nilaza fa anisan’ny mampanano sarotra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny firaisana tsikombakomba […]

Tsy ny lehilahy ihany… : roa vavy tratra nanataka poketra teny Analakely

Tsy ny lehilahy ihany… : roa vavy tratra nanataka poketra teny Analakely

Noraisim-potsiny ireo vehivavy roa voarohirohy ho mpanataka poketra sy sakaosy amin’ny hareza eny Analakely. Teo am-panatahana poketra an’ny renim-pianakavina iray niantsena tao amin’ny toeram-pivarotana hazandrano ao amin’ny pavillon Analakely izy roa vavy ireto no voasambotry ny polisin’ny UIR, ny asabotsy maraina teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, enim-bavy izy ireo no miaraka rehefa hanao ny asa […]

Analamahitsy : tratran’ny polisy ireo tambajotrana mpangalatra môtô

Analamahitsy : tratran’ny polisy ireo tambajotrana mpangalatra môtô

 Nidoboka am-ponja, ny asabotsy teo ireo jiolahy telo raindahiny amin’ny halatra môtô eto an-drenivohitra. Ny zoma 8 janoary 2016 vao maraimbe izy ireo no saron’ny polisin’ny Sut teny Analamahitsy. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireto andian-jiolahy ireto. Tratran’ny polisy tao an-trano nisamborana azy ireo ny môtô halatra miisa […]

Ampefiloha : vehivavy nodarodarohan’ny polisy

 Vehivavy iray niharan’ny daroka sady nambanan’ny polisy iray tamin’ny basy, ny alakamisy lasa teo teny Ampefiloha. Milaza ity polisy nanao herisetra ity fa miasa eny amin’ny Prezidansa. Araka ny fanazavan’ny fianakavian’ilay niharam-boina, efa narahan’ilay polisy ity vehivavy niharam-boina ity ka nony tonga teny Ampefiloha, nobedain’ilay polisy sy nodarohana ary nambanana basy P.A. Nolazain’ilay polisy fa […]

Intelo taom-baovao ?

Intelo taom-baovao ?

Tsy vazivazy io fa tena marina ! Intelo manamarika ny taom-baovao ny Malagasy. Ny iray, ilay 1 janoary itambarana amin’ireo manaraka ny kalandrie gregoriana. Na io anarany io fotsiny aza efa ampy hanekena fa tsy an’ny Malagasy ny 1 janoary. Ny faharoa sy fahatelo, ireo « hono » no tena an’ny Malagasy. Tsy mariky ny filazana zavatra tsy […]

Antsirabe : nalevina ilay kisoa maty nihinana poizina

Lasa resabe ilay poizina noheverina fa vovo-tsira tao amin’ny fanariam-pako ao Ambohidava Ambohipeno Antsirabe izay nahafaty ilay zaza 3 taona sy tapany. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly koa, ankehitriny, ny rain’ilay zaza maty sy ny zokiny vavy 14 taona noho ny fihinanana vary nisy io poizina io. Ankoatra izany, nalevina kosa ilay vantotra kisoa maty […]

5 tratra, 1 maty voatifitra tamin’ireo mpanao kidnapping  : avotra i Arnaud, nafenina tao an-tranona mpitsara

5 tratra, 1 maty voatifitra tamin’ireo mpanao kidnapping  : avotra i Arnaud, nafenina tao an-tranona mpitsara

 Avotra ihany! Hitan’ny polisy tao an-tranona mpitsara ambony iray ao Toamasina I Arnaud, ilay tovolahy nisy naka an-keriny. Voatifitra ny iray ary voasambotra kosa ny dimy tamin’ireo jiolahy. Tratra nandritra izany koa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika…   Hitan’ny mpitsikilon’ny polisin’ny boriborintany faharoa any Tanambao II ny trano nitazonana an’i Arnaud, omaly tokony ho tamin’ny 2 […]

Vazo tsy tontan’ny ela : nampatsiahy ny mampiavaka azy ny tarika Jeneraly

Vazo tsy tontan’ny ela : nampatsiahy ny mampiavaka azy ny tarika Jeneraly

Anarana tsy zovina amin’ny mpankafy zavakanto ! Nampitambolona tsiahy ho an’ny ankamaroan’ny olona niaina izany tamin’ny vanim-potoana nitsimohany sy nampiroborobo azy… Tarika Jeneraly ! Ny zoma alina teo, tetsy amin’ny Piment Café Behoririka no namerenan’ny tarika Jeneraly ireo hira tsy afaka am-bavan’ny maro. « Izany vehivavy izany », « Toaka », « Isika roa », « Françoise », « Dada vaovao », sns. Fotoana nampatsiahy avy hatrany […]

Jirama : maloto ny rano tonga any an-tokantrano

Jirama : maloto ny rano tonga any an-tokantrano

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, maloto tanteraka ny ranon’ny Jirama mamatsy ny tokantrano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny faritra sasany, miloko mavo na volontany ny rano mandeha amin’ny paompy. Any amin’ny toerana sasany kosa madio mangatsakaka ny rano mivoaka amin’ny paompy. Rehafa apetraka  elaela anefa dia misy fotaka mitsika any amin’ny fanambanin’ny siny […]

Kabary : hankalaza ny faha-10 taonany ny Fanasina Manjakaray

Kabary : hankalaza ny faha-10 taonany ny Fanasina Manjakaray

Anisan’ny rantsana zokiny indrindra eo anivon’ny Mpikabary Katolika (Mpikalo) ny ao amin’ny Ekara Kristy Mpanjaka Manjakaray. Hanamarika sy hankalaza ny faha-10 taonany ry zareo amin’ity taona 2016 ity. Anisan’ny hetsika hotanterahina amin’izany ny dia fibeazana, fiatahana masina, fanandratana ireo andia vaovao mahatratra 40 mianadahy eo ho eo, sns. Taorian’ny Sorona Masina omaly no nampahafantaran-dRafanomezantsoa Julien […]

Fahasalamana : misoroka ny mety hisian’ny aretina pesta ny CRM

Fahasalamana : misoroka ny mety hisian’ny aretina pesta ny CRM

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, nandaraka fanafody hiarovana ny mety hisian’ny valanaretina pesta ny Croix Rougr malagasy. Natomboka teny Andrefan’Ambohijanahary hatrany Tanjombato izany. Natao izao hetsika izao ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponin’Antananarivo manoloana ny loto sy ny fakobe misavovona raha ny tatitra voaray. Manodidina ny 20 ireo mpilatsaka an-tsitrapo manatanteraka ny fandrarahana fanafody. Tanjona ny […]